Lahatsary Tamin'ny Fipoahan'ny Tendrombohitra Ontake Tao Japàna

Olona iray no fantatra fa namoy ny ainy, mpitsangatsangana teo amin'ny dimampolo teo no naratra mafy, ary olona folo tsy hita popòka taorian'ny fipoahan'ny Tendrombohitra Ontake (御嶽山, Ontake-san), toeram-pitsangatsanganana fananihana malaza ao afovoan'i Japana, izay nipoaka indray dimy taona taty aoriana. Mampiseho setroka matevina dia matevina, sy toera-pananihana ao amin'ny faratampon'ny tendrombohitra feno lavenona mivolombatolalaka ireo sary amin'ny fampahalalam-baovao mitantara ity tranga ity. 

Tadiavo ao amin'ny Twitter ny Ontake raha te-hahalala vaovao mikasika ity zava-mitranga ity

Nampiakatra lahatsary mampatahotra tao amin'ny YouTube tamin'ny fipoahana voalohany nitranga tao an-tampon-tendrombohitra noraketina tamin'ny alalan'ny finday raitra i kuroda terutoshi . ”Andeha hiala eto !” hoy izy, satria miha-mikororosy ao amin'ireo mpitsangatsangana ny rahon-davenona.

Massive eruption on Mount Ontake

Fipoahana goavana ao amin'ny Tendrombohitr'i Ontake

Nahazo ny sarin'ireo mpitsangatsangana raiki-tahotra midina haingana avy any an-tendrombohitra ny AP.

Amin'ny haavo 3067 metatra, ny Tendrombohitra Ontake no afotroa (volkano) faharoa avo indrindra ao Japana aorian'ny Tendrombohitra Fuji. Ao Gifu no misy azy, akaikin'ny tanàn-dehiben'i Nagoya ao afovoan'i Japana, ary toeram-pananihana malaza mandritra ny fahavaratra sy ny fiandohan'ny fararano. 

Noho ny habetsahan'ireo nanjavona sy naratra, maro ireo olona nikaro-baovao momba ireo namany sy havany izay tany amin'io tendrombohitra io nandritra ny fipoahana. 

Mpisera Twitter malaza iray mampiseho sarintany misy ny tsoni-drihitr'afotroa:

Vondrona miray hina tanteraka sy mifandray matetika ao amin'ny media sosialy, ka anisan'izany ny Twitter, ireo mpanao fananihan-tendrombohitra ao Japana. Ka maro ireo olona mikaroka fatratra ny vaovaon'ireo namana sy havana akaiky azy ireo.

Nanamafy ny sampana mpamono afo ao an-toerana fa vehivavy iray no namoy ny ainy tamin'ny fipoahan'ny afotroa tao #Ontake

Nivoaka izy ity avy eo, vao ny andro iray mialoha ny fipoahana indrindra, mpitsangatsangana malaza iray avy ao Tajimi ao Gifu nandefa sary somary mananihany avy eo an-tampo-tendrombohitr'i Ontake (efa tsy ao intsony ilay kaonty Twitter):

Nandalo tontolo andro mahafinaritra tamin'ny fananihana ny tampon-tendrombohitr'i Ontake.

Mbola tsy fantatra ny misy azy amin'izao fotoana izao

Enga anie mba tsy…

 

Vaovao farany

Eo am-pikarohana ireo mpitsangatsangana mihitsoka ao an-tampon-tendrombohitra, izay mbola mamoaka afotroa hatrany, ireo mpamonjy voina.

Sary nahazoan-dalana avy amin'i kuroda terutoshi

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.