Manery Ireo Orinasa Manao Ny Asan'ny H&M, Walmart ary Zara Ny Kambojiana Mpiasa Hanome Karama Azo Iainana

Cambodian workers urge global clothing brands to give a $177 monthly minimum wage. Photo from Licadho

Kambojiana mpiasa mandrisika ireo marika fampiakanjoana iraisampirenena hanome ny karama farany ambany indrindra ho $177 isam-bolana. Saripikan'i Licadho

Rehefa nanao fitokonana manerana ny firenena ny mpiasan'ny fanaovana akanjo ao Kambodza tamin'ny volana desambra lasa teo dia niverina an-dalambe indray mitaky ny karama ambany indrindra ho 177 dolara amerikana isam-bolana.

Ny fitokonana tamin'ny herintaona dia nokarakaraina hanerena ny governemanta hampakatra ny karama farany ambany indrindra izay teo amin'ny 80 dolara amerikana isam-bolana teo. Notadiavin'ireo mpiasan'ny fanaovana akanjo ireo ampitomboana avy roa heny ny karama fandrain'izy ireo, saingy fitomboana 15 ka hatramin'ny 20 dolara ihany no nomen'ny governemanta. Nahahetsika mpiasa an'aliny nanerana ny firenena ny fitokonana, saingy noravan'ny herim-panjakana tamin'ny fomba mahery vaika izany tamin'ny volana jolay, ka niafara tamin'ny fahafatesan'ny mpiasa miisa dimy.

Mihazohazo eo amin'ny 100 dolara eo ny karama farany ambany indrindra isam-bolana raisin'ny Kambojiana mpiasan'ny fanaovana akanjo amin'izao fotoana izao. Mahasahana ny ampahatelon'ny harin-karena anatin'ny firenena mitentina 15,25 miliara dolara ny vola azo tamin'ny fanondranana ny entan'ny sehatr'asan'ny fanaovana akanjo tamin'ny herintaona. Mihoatra ny 600.000 ny isan'ny mpiasan'ny fanaovana akanjo ao Kambodza ka vehivavy ny ankamaroan'izy ireo. Saingy ankoatra ny hakelin'ny karama, dia miaritra faharatsian'ny fepetran'ny asa ihany koa ny mpiasa, izay miafara amin'ny fahatoranana faobe any amin'ireo orinasa isan-karazany fanaovana akanjo any.

Tamin'ity herinandro ity, namelona indray ny fanentanana hampakarana ny karama ny mpiasan'ny fanaovana akanjo, saingy tany amin'ireo orinasa marorantsana mpanao akanjo miantoka asa (manao “sous-traitance”) sy ireo orinasa manatontosa ny asa ao Kambodza no ivantanan'ny fitakiana. Ny fanentanana, manana ny anarana hoe “Tsy maintsy manome karama fototra 177 dolara ny mpividy”, dia nokendrena hanerena ireo marika malaza manerantany tahaka ny H&M, Walmart, Levi’s, Gap Puma, C&A, Adidas ary ny Zara mba hifampiraharaha mivantana amin'ireo mpiasa amin'ny fampakarana ny karama.

Alefaso amin'ireo marika rehetra mividy akora eto Kambodza ny hafatry ny fango maitso mitaky ny karama ambany indrindra ho 177$

Mihoatra ny 500 ny isan'ny mpiasan'ny fanaovana akanjo nivory tao amin'ny faritra indostrialy Canadia ao Phnom Penh, renivohi-pirenena, mitaky ny fampakarana ny karama. Arrak any nolazain'ny sendikan'ny fanaovana akanjo, orinasa 300 manerana ny firenena no nahitana mpandray anjara tamin'ny fitokonana.

Ity lahatsary ity no ahitana mpiasa manangana sora-baventy mitaky amin'ny orinasa iraisam-pirenena tsy hahafaty noana ny mpiasan'ny fanaovana akanjo ao Kambodza.

Nanazava ny mpitarika sendikany fa ilay 177 dolara notinaky dia mifototra amin'ny fandaniana ankapobeny isam-bolana ataon'ny mpiasan'ny fanaovana akanjo. Nanome akony ny fihetseham-pon'ny mpiasa namany tao amin'ny gazety mivoaka amin'ny teny anglisy The Cambodia Daily ny mpiasa iray nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana :

We want a higher wage because today we don’t have enough money to support ourselves because everything is very expensive, like rent, electricity, water and food.

Mitaky karama ambonimbony kokoa izahay satria tsy ampy hivelomanay ny vola azonay satria lafo dia lafo avokoa ny zava-drehetra, toy ny hofan-trano, ny jiro, ny rano ary ny sakafo.

Cambodian workers demand a monthly minimum wage of $177

Kambojiana mpiasa mitady ny karama farany ambany $177 isam-bolana. Saripikan'i Licadho

Manohana ny fanentanana ny Community Legal Education Center, vondrona iray mpandala ny zon'olombelona iray ao an-toerana, satria mandrisika ireo marika (lehibe) sy ireo mpamongadiny “hiatrika ny andraikiny sy hiantoka ny fahamendrehana maha-olombelona ireo Kambojiana miasa ao aminy.”

Novalian'ny governemanta tamin'ny fandefasana vondrona polisy sy tafika tao amin'ny toerana nanaovana ny fihetsiketsehana izany. Mandritra izany fotoana izany dia manome toky ny mpanohitra fa hitondra ny fanentanana momba ny karama ao amin'ny parlemanta.

Miaramila iray mandrakitra an-dahatsary ireo mpiasan'ny fanaovan-damba manao fihetsiketseha-panoherana ao #phnompenh noho ny fanohizan-dry zareo ny fitakiana hampakarana ny karama.

Tohanan'ny sendika maro any amin'ny firenen-tsamihafa ny fitakiana fampakarana ny karama. Ao Canada, misy ny fanangona-tsonia an-tserasera mandrisika ny mpanjifa tsy hividy akanjo “misolitiky ny fanandevozana sy ny fangejana.”

Antenaina mbola hizotra ao anatin'ny fandriampahalemana hatrany ireo andiam-pihetsiketsehana efa nokinasa ary hanaja ny zon'ny mpiasa hitaky fari-piainana sy fepetran'ny asa tsara kokoa ny governemanta. Tsara ho an'ireo marika fanta-daza manerantany ihany koa ny manaporofo ny fanatontosana ny adidy hanatsara ny fahasalaman'ny mpiasa any amin'ny orinasa fanaovan-damba ao Kambodza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.