Naaton'ny Miaramila Thailandey Ilay Famelabelaran-kevitry Ny Oniversite Momba Ny “Fanjakana Tsy Refesi-Mandidy”, Tazoniny Ireo Profesora.

About a hundred students of Thammasat University joined the planned lecture on authoritarianism. Photo from Prachatai website.

Efa ho an-jatony ireo mpianatra avy amin'nyOniversite-n'i Thammasat no nanatevin-daharana ny famelabelaran-kevitra nokarakaraina momba ny fahefana tsy refesi-mandidy. Sary avy amin'ny tranonkala Prachatai. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ny herinandro lasa teo, nikarakara famelabelaranèkevitra ho an'ny daholo be momba ny “fianjeran'ny fitondrana tsy refesi-mandidy any amin'ireo firenena sasany”, ny andiana mpianatra avy amin'ilay Oniversite manana ny hajany, Thammsat. Na dia momba ny firenena sasany aza no tena nifantohan'ny adihevitra tao, nanapa-kevitra ny hampangina izany ny governemanta noho ny fiheverany fa manakaiky loatra ny zava-misy ankehitriny ao Thailandy ilay lohahevitra. 

Ny Praiministra amperinasa ao Thailandy no lehibe mpibaiko ny foloalindahy izay nanao fanonganam-panjakana tamin'ny volana Mey. Tonga dia nanamboatra lalàm-panorenana nifanaraka tamin'izay ny foloalindahy, nanendry ireo mpikambana ao amin'ny antenimiera mpanao lalàna, ary nanendry ny mpiarika ilay fanonganam-panjakana ho toy ny Filoham-pirenena. Na dia teo aza ny fanendrena mpikambana vaovao ao amin'ny governemanta, mbola manohy ny fandraràna hetsi-panoherana sy ireo famoriana olona dimy na mihoatra hatrany ny foloalin-dahy, ho fanampin'ny fanaraha-maso hentitra ny gazety ho an'ny daholo be. Rahonana hotoriana ary mety hogadraina mihitsy aza ireo izay mihantsy ny foloalindahy. 

Nitaky ny fanafoanana ilay famelabelaran-kevitra ho an'ny daholo be ny foloalindahy, nanaja izany ny Oniversite tamin'ny alalan'ny fanidiana ny efitrano fanaovana famelabelaran-kevitra. Nifindra tao ambany, tao amin'ny efitrano malalaka ao am-pidirana ireo mpianatra avy eo. Mpampianatra iray efa andrarezina amin'ny taranja tantara, Nidhi Eaowsriwong, ary i Prajak Kongkirati mpanao famelabelaran-kevitra ara-tsiansa politika, no nitarika ny famelabelaran-kevitra. Niezaka nitaky ny fanafoanana ny hetsika ny mpitandro filaminana fa tsy nahomby izany, noho izany, nantsoiny ireo mpandray fitenenana sy ireo mpianatra nampiantrano izany ho any amin'ny  biraon'ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Nambenan'ireo miaramilla haingana ilay birao.

Ireo mpianatra no voalohany nanome tatitra tao amin'ny Twitter momba ny zava-nitranga :

Araka ny fantatray, i Nidhi Eaowsriwong, i Janjira Sombatpoonsiri, i Prajak Kongkirati no mpampianatry ny Oniversite nantsoin'ireo manampahefana ho any amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana [ao an-toerana].

I Nidhi Eaowsriwong, i Janjira Sombatpoonsiri, i Prajak Kongkirati no mpampianatry ny Oniversite nalain'ny manampahefana.

Nandia fotoana mamy tao amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Raha nanoritsoritra ny fitazonana am-ponja ho toy ny “fanasàna” ho any amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana ny Praiministra Thailandey, nanamarika ny avy ao amin'ny “The Bangkok Post” fa nahazo “fanitsiana fitondran-tena” nandritra ny fitazonana azy ireo nanao ny hetsika.

Mpampianatra mpikaroka 16 no nanao sonia fanambaràna iray izay manameloka ny zavatra nataon'ireo miaramila:

Toa ireo mpampianatry ny Oniversite avy amin'ireo Oniversite 16 eto Thailandy, manameloka ny foloalindahy sy ny mpitandro filaminana izahay noho ny fampihorohoroana ireo mpampianatry ny Oniversite sy mpianatra tao anatin'ny faritry ny Oniversite. Mazava be fa tafiditra ao anatin'ny tsy fanajana ny fahalalahana ara-akademika ny fanapahan-kevitra noraisin'ny miaramila sy ny polisy, ary tsy azo ekena velively.

Tsy misy fototra ijoroany tsara ilay antony hoe mety hanapoizina ny filaminam-bahoaka ilay adihevitra. Efa nahazatra foana ny adihevitra akademika, toa ny tao amin'ny Oniversite Thammsat, hetsika manara-penitra, ary tsy mbola nanohitohina ny filaminam-bahoaka izany mihintsy.

Nanentana ny governemanta hampiato ny fanohintohinana ny fahalalahana akademika i Brad Adams, talen'ny Ivon-toerana Misahana ny Zon'Olombelona any Azia:

Sady miteny amin'izao tontolo izao hoe tsy izy ireo no mpanao didy jadona, manaparitaka ny zavatra ataony any amin'ireo Oniversite sy ny fandraràna ny adihevitra momba ny demaokrasia sy ireo zo maha-olona ireo miaramila manampahefana Thailandey. Tokony hatsahatry ny Praiministra Prayuth izao dieny izao io fanohintohinana ny fahalalahana akademika sy fahafahana miteny malalaka io.

Marika iray hafa amin'ny fitohizan'ny fahasimban'ny fiarovana ny zo maha-olona, ny fahalalahana akademika sy fahafahana miteny malalaka ao Thailandy eo ambanin'ny governemanta tohanan'ny foloalindahy ilay zava-nitranga. Fa manaporofo ihany koa fa maro ireo vondron'olona sy ireo olon-tsotra izay manamafy tsikelikely ny fiverenana amin'ny ara-dalàna sy ireo zo ara-demokratika ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.