Ao Amin'ny Twitter Sy Fahitalavitra Ary Eny An-Dalambe: Firaisankinan'ny Trinidadiana Amin'i Gaza

Trinidad and Tobago Muslims gather in the Queen's Park Savannah on 1st August, 2014 in support of the people of Gaza.

Nifamory tao amin'ny Queen's Park Savannah ireo Silamo ao Trinite sy Tobago tamin'ny 1 Aogostra 2014 ho fanohanana ny vahoakan'i Gaza. Sary nampidirina tao amin'ny takelaka Facebook an'i Silamo ao Trinite sy Tobago.

Raha mbola nitohy ny fanoherana maneran-tany ho fanohanana ny vahoakan'i Gaza, hita koa naneho ny firaisankinany amin'ireo Palestiniana ny mponin'i Karaiba tao Trinite sy Tobago. Nifanesisesy tao amin'ny Twitter ny hafatra fanohanana, fankahalàna, hatezerana ary fahatahorana izay nalefan'ny mponin'i Trinite sy Tobago.

Anisan'izy ireo ilay mpanao gazety maintimolaly, Ira Mathur, izay nanamarika fa toy ny ‘famongorana foko’ ny fitohizan'ny fifampitifirana tamin'ny 1 Aogostra 2014:

Ohatran'ny famongorana foko io amiko http://t.co/AR7WqEXfRV

Vahoaka Palestiniana miisa 1.865 farafahakeliny no maty ary mihoatra ny 9.500 no naratra nanomboka tamin'ny 8 jolay nanaovan'i Israely fanafihana mavesatra ny faritra 40 kilometatra manamorona ny ranomasina. Ny dimy amby fitopolo isan-jato amin'ireo Palestiniana namoy ny ainy nandritra io fanafihana io dia olon-tsotra avokoa.

Milaza i  Israely fa ny Hamas no natao lasibatra tamin'iny, vondrona iray nifehy an'i Gaza nanomboka tamin'ny 2007, nandritra ny fito taona nanaovan'i Israely fahirano azy, noho ny fitifirana bala afomanga an-jatony miampita ny sisintany mankany Israely. Hatramin'ny nanombohan'io fanafihana io, dia olon-tsotra miisa telo no matin'ny tifitra bala afomanga ary miaramila Israeliana miisa 64 no maty nandritry ny fifandonana tao Gaza.

Namoaka antontan-taratasy ny Wikileaks tamin'ny 2 Aogositra izay manambara fa fanahy ninian'i Israely ny nampiasa “fitaovam-piadiana tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy hamelezany ireo rehetra izay mitifitra an'i Israely” avy ao Gaza, ary ny manampahefana Israeliana dia “manam-pikasana ny hampidina ambany dia ambany araka izay tratrany ny asa fihariana ara-toekaren'i Gaza kanefa kosa hisoroka ny krizy eo amin'ny maha-olombelona.”

Olona maro hafa no nandefa fihetsehampo mitovitovy amin'ireo voalaza ireo. Nanoratra mikasika ny fomba mitanila ataon'ny mpiasan'ny haino aman-jery amin'ny fandrakofam-baovao maneho fiarovana ny Israeliana i Dylan Kerrigan, mpanoratra:

Oadray. Lasa adala mihitsy ny MSM noho ilay miaramila Israeliana voasambotra. Mahavariana ny fihatsaram-belatsihy. Ny ain'ny Israeliana ihany no manan-danja amin'ny mpanao gazety Tandrefana #Gaza

Ny 1 Aogositra, nifanaiky i Israely sy ny Hamas ny hisian'ny fitsaharan'ny fifampitifirana mandritra ny 72 ora hikarakarana ny vahoaka mba hahafahan'ny mponina ao Gaza mandevina ny olony maty, hikarakara ireo maratra, ary hanangona sakafo indray. Io fitsaharan'ny ady io dia nisy nandika 90 minitra taty aoriana tao an- tanàn-dehiben'i Rafah, izay nahafatesana Palestiniana am-polony ny fanipazana baomba tao ary nandratràna olona an-jatony.

Nanameloka ny Hamas i Israely sy Etazonia tamin'ny fandikàna ny fampitsaharana ny fifampitifirana, tamin'ny alalan'ny fisamborana miaramila iray raha vao nijanona ny ankitifitifitra, 48 ora taty aoriana anefa nilaza izy ireo fa voasambotra velively io miaramila io ary mety efa maty tao anatin'ny ady aza izy raha ny marina. Manamafy hatrany anefa ny elatra mitam-piadiana ao amin'ny Hamas fa talohan'ny fifanekena ampfitsaharana ny fifampitifirana izy no nifandona tamin'ny miaramilan'i Israely tao Rafah, fa tsy taty aoriana. 

Olona iray hafa niresaka ny famonoana ankizy tsy ankiato tao Gaza:

Tsy misy fieritreretana mihitsy “@Joey7Barton: Zazakely tsy manan-tsiny iray eo no maty isaky ny adin'ny iray tao Gaza. Ahoana no mbola hitohizan'izany? #StopKillingChildrenInGaza

Tamin'ny 1 Aogositra, nanao hetsika am-pilaminana ho firaisankina amin'ny vahoaka Palestiniana ireo  olom-pirenena velon'ahiahy:

Nirotsaka an-dalambe nanodidina ny QPS ny Silamo sy ny olom-pirenana hafa ho mariky ny firaisankinany noho ny ady sy fifandirana tao Gaza#freepalestine pic.twitter.com/OX2jU6qMbi

Tamin'ny 27 Jolay, Fahitalavitra iray tao an-toerana, ny tambajotran'ny haino aman-jery Silamo, no nikarakara fandaharana ‘Telethon for Gaza’ mba hanampian'ny olona ny ezaka fanavotana.

Screenshot Of IBN TV8 Telethon for Gaza on 27 ly, 2014. Photo by Jason Nathu with permission.

Sary teo amin'ny efijerin'i IBN TV8 Telethon for Gaza tamin'ny 27 Jolay, 2014. Sary nalain'i Jason Nathu ary nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Tao amin'ny Facebook, betsaka ireo takelaka noforonin'ny olona tao an-toerana tao anatinny herinandro vitsivitsy lasa mba hanasongadinana io olana io. Namoaka ny sarin'ireo niharan-doza tamin'ny ady ny “Trinidad Muslims – Free GAZA“, raha nanome ny vaovao farany hatrany kosa ho an'ireo mpisera ety anaty aterineto ny United Voices For Humanity momba ny ezaka firaisankina ataon'ny olona ao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.