Tratra Ny Fampitsaharana Poa-basy, 50 Andro Taorian'ny Ady Sy Faharavana Goavana Tao Gaza

A view of Gaza at the same of the ceasefire, taken by Dan Cohen

Ny fahitana an'i Gaza tamin'ny fotoana nitsaharan'ny ady, sary nalain'i Dan Cohen

Tamin'ny 26 Aogositra, nifanaraka ny hampitsahatra ny ady mandritra ny fotoana tsy voafetra, mamarana ireo fito herinandro nahitana faharavana goavana sy namoizana aina tany Gaza i Israely sy ireo vondrona Palestiniana.

Fara-fahakeliny 2.137 ny Palestiniana maty ka ankizy ny 577 amin'izany ary 10.870 no naratra hatramin'ny nanombohan'i Israely ilay fanafihana mafonja antsoina hoe Fiarovana ny sisintany namelezany ilay faritra amoron-dranomasina mirefy 40 km  tamin'ny 8 Jolay.. 

Fanafihan'ny tafika Israeliana an'i Gaza fanintelony tao anatin'ny enin-taona io. Mampanano-sarotra ny toe-draharaha any amin'ny faritra ny fangejana tafahoatra ataon'ny Israely amin'ny ampahan-tanin'ny Palestiniana any Gaza sy ny Morondrano Andrefana (Cisjordanie) izay heverin'ny ankamaroan'izao tontolo izao sy ny Firenena Mikambana fa bodoin'i Israely.

Araka ny tatitry ny Firenena Mikambana  dia sivily avokoa ny roa ambifitopolo isan-jaton'ny Palestiniana maty tamin'iny fanafihana iny. Eo ho eo amin'ny ampahatelon'ny ankizy naratra no voatery hitondra takaitra mandrakizay. Ny ampahatelon'ny mponina any Gaza, maherin'ny 520.000, no nafindra toerana  ary ny 279.389 amin'ireo no nialokaloka any amin'ny sekoly 83 tantanan'ny Firenena Mikambana. 

Ny fifanarahana

 Ny Hamas sy ny Jihad Islamika – ilay vondrona Palestiniana mahery fihetsika tafiditra amin'io olana io sy Israely no nifanaraka tamin'ny fanelanelanana fifanaraham-pilaminana nataon'ny Ejipta, izay mitovitovy tamin'ilay natao tamin'ny 2012 taorian'ny “Operation Returning Echo” (Valy Bontana) nataon'i Israely.  Nandray anjara tamin'ilay fifanarahana ihany koa i Mahmoud Abbas, izay ny  Fahefana Palestinianany (PA) avy aminy no manjaka tokana any amin'ny Morondrano Andrefana hatramin'ny nandresen'ny Hamas tamin'ny fifidianana tamin'ny 2007. 

Ireto no fitakiana ho tanterahana avy hatrany ao anatin'ilay fifanaraham-pilaminana : ny fifaranan'ny fifandranitana avy amin'ny andaniny sy ny ankilany ; ny fanokafana ny sisintanin'i Rafah manelanelana an'i Ejipta sy Gaza ; ny famerenan'i Hamas ny fitantanana ny sisintanin'i Gaza amin'ny PA ; ny fanarenana indray an'i Gaza iarahana amin'ny PA sy  ireo malala-tànana iraisam-pirenena, isan'izany ny firaisambe Eoropeana ; ny fampihenana ny sakam-piarovana 300m ao anatin'i Gaza ho 100m , fanalefahana ny fepetran'ny fanjonoana ao amin'ny faritr'i Gaza ho maily 6 (9,6 km) raha toa ka maily 3 (4,8km) izany teo aloha. Maily 12 (19,3km) izany amin'ny rafitra iraisam-pirenena.   

 Ireo fitakiana mila fotoana maharitra izay mbola hifanarahana dia : ny famotsorana ireo gadra Palestiniana an-jatony nosamborin'i Israely tamin'ny volana Jona taorian'ilay famonoana ireo tanora jiosy telo lahy tany amin'ny Morondrano Andrefana ; ny famoahana ireo Palestiniana gadra efa elabe araka ny fangatahana nataon'ny Fahefana Palestiniana (PA) ; takian'i Israely ny ampahany rehetra amin'ny vatan'ireo miaramila Israeliana maty tany Gaza sy ny fitaovan'izy ireo ; irian'ny Hamas ny hanorenana seranan-tsambo any Gaza mba hahazoan'ny entana sy ny olona mivezezivezy malalaka ; takian'i Hamas ny tsy fangiazana ny vola mba hahafahana mandoa ny karaman'ireo mpitandro filaminana 40.000, ny mpiasan'ny governemanta ary ireo mpiasa birao izay tsy mbola nandray ny karamany hatramin'ny taona lasa ; takian'ny Palestiniana ny fanamboarana ny seranam-piaramanidin'i Gaza izay naorina tamin'ny 1998 ary noravàn'i Israely tamin'ny 2000.

Tany Gaza, nizarazara be ihany ny hevitra momba ilay fampitsaharana ny ady. Raha toa ka nifaly tamin'ny fifaranan'ilay ady ny maro, ireo mpitoraka bilaogy, ireo mpikatroka mafana fo sy ireo mpanao gazety, tahaka ireo Gazaiana sasany kosa nisafidy ny hisaona ireo maty ary manontany tena ny amin'izay ho avy.

Nibitsika i Lara Abu Ramadan, Gazaiana mpanao gazety :

Tsy mahatsapa na inona na inona aho, te- hitomany sy te-hikiakiaka fotsiny aho. Vita ihany !      

Niatrika fahafatesana nandritra ny 51 andro izahay, an'arivony no maty sy naratra. Tsy nanisa andro izahay, mbola te-ho velona fotsiny izahay. 🙁

Nizara ny alahelony ireo Gazaiana mafana fo, Haneen El Qadi, Omar Ghreib, ary  ‘WhateverInGaza‘ :

Ankalazaiko amin'ny fombako manokana ny fandresena.. Ranomaso be!.. Elhamdulilah amin'ny zavatra rehetra. #gaza

ataovy hoe mpandrava lalonana, mpanjaka vavin'ny haratsiana aho, tsy sambatra aho, zendana sy mitebiteby aho ! Mifaly kely fotsiny aho satria tsy hisy intsony ireo olona ho faty.#Gaza

Tena valaka izahay.#gaza

Nanontany tena kosa ny sasany raha toa ka mety amin'ny mponina any Gaza ilay fifanarahana natao.

Faly aho fa mbola velona isika, tsy misy intsony ny fanafihana an'i #gaza ! Fa tena lalina ny alaheloko satria mampivarahontsana ilay fifanarahana, asehony fa zinona moa isika izay tsinontsinona !

Ny faharavana lehibe tany Gaza 

In-59.973 voazera baomba i Gaza hatramin'ny 8 Jolay – 7.690 an'habakabaka, 15.673 avy any an-dranomasina ary 36.610 avy aty an-tanety. Trano mihoatra ny 15.671 no rava na simba tao anatin'ny 51 andro ka rava tanteraka ny 2.276 amin'ireo araka ny tatitry ny Mpanara-mason'ny Euro-Mid Momba ny Zon'olombelona . Tombanan-dry zareo hatramin'ny 3,4 lavitrisa dolara ny fahavoazana ara-toe-karena any Gaza hatramin'ny nanafihan'i Israely azy.    

Manampy hahatakatra halehiben'ny faharavana tamin'iny tsy fifandonana iny ity kisary nataon'ny Mpanara-mason'ny Euro-Mid Momba ny Zon'olombelona ity : 

Infographic done by the Euro-Mid Observer for Human Rights

Kisary nataon'ny Mpanara-mason'ny Euro-Mid Momba ny Zon'Olombelona 

Ny tsy manan-kialofana any Gaza 

Raha ny momba ireo tra-boina an'aliny any Gaza no resahana dia fantatra fa naparitak'i Chris Gunness, mpitondra tenin'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana Momba ny Asa Ho an'ireo Palestiniana Mpialokaloka any Afovoany atsinanana (UNRWA), ny lahatsary iray momba ny faharavana ary narahany bitsika : 

Manome fanampiana ho an'ireo 314.000 nafindra monina any amin'ireo sekolin'ny UNRWA any #Gaza sy any amin'ny tobim-pialokalofana 7 an'ny governemanta any Avaratra ny UNRWA RT 

Tsy mbola nisy tahaka azy ny isan'ireo nafindra monina any #Gaza mitady fialokalofana any amin'ireo sekolin'ny UNRWA : olona  279.389 nafindra ho any aminà sekoly 83 an'ny UNRWA RT

Sekoly 219 no simba ary 22 no rava any #Gaza. Efa tao anatin'ny olana ny sehatry ny fanabeazana tany #Gaza talohan'iny zava-niseho iny.

Tafakatra 68 ny isan'ireo maty ho an'i Israely ka zaza ny iray amin'izany. 4 isan-jato ny isan-jaton'ny sivily maty, ka miaramila IDF ny 96% amin'ireo. Miaramila dimampolo sy efajato sy sivily 80 koa no naratra. Eo anelanelan'ny 5.000 sy ny 8.000 ireo Israeliana monina any atsimo no nandositra ny ady.

Jereo ihany koa ny fitantarana lalindalina kokoa ataonay momba ny Gaza rotiky ny ady 2014

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.