Mpikatroka Ejipsiana Ankavia Mahinour El-Masry Noafahana Rehefa Nigadra 125 Tany Am-Ponja

A Free Mahinour poster. Shared on Twitter by @HaniShukrulla

Afisy avoahy Mahinour. Nozarain'i @HaniShukrallah tao amin'ny Twitter

Rehefa nandany 125 andro tany am-ponja, dia nahazoana didy ny havoaka ny fonja Ejipsiana ilay mpikatroka amin'ny elatra ankavia eo amin'ny tontolo politika antsoina hoe Mahinour El-Masry androany.

Nampihantona ny didy enim-bolana hamonjana an'i El-Masry ny fitsarana iray any Alexandria, hoy ny tatitry ny Mada Masr. Tamin'ny volana Mey ilay mpikatroka no nogadraina rehefa nakarina tany amin'ny fitsarana ambony ny didy mampigadra azy, miaraka amin'ny mpikatroka valo hafa, roa taona, raha nanitsakitsaka ilay lalàna momba ny fihetsiketsehana an-dalambe izay efa nampiady hevitra, izay mandrara ny fanaovana fihetsiketsehana rehetra ao amin'ny firenena. Nosamborina i Mahinour noho ny fihetsiketseha-panoherana nataony teo an-tokotanin'ny fitsarana tamin'ny volana desambra izay nitsarana polisy roa voampanga ho namono an'i Khaled Saeed. Saeed no ilay heverina ho Mohamed Bouazizi [Tonizia] -n'ny Revolisiona ejipsiana.

Tamin'ny Jolay, nihena ho enimbolana ny didy mihatra amin'ny Mahinour, ary nisy vaovao tsara hafa ihany koa nanaraka androany rehetra nanipy ny raharaha ny tao amin'ny fampanoavana.

Nanomboka nanao fitokonana tsy hihinan-kanina niaraka tamin'ilay Ejipsiana mpikatroka sady blaogera Alaa Abd ElFattah i Mahinour tamin'ny 25 Aogositra. Navotsotra tamin'ny 15 Septambra i Alaa Abd ElFattah, sy ireo gadra politika hafa.

Niarahaba izao vaovao namoahana an'i Mahinour izao ny mpiserasera.

Ao amin'ny tontolo izay sarotra ny mitady vaovao tsara, dia nanambara ny famotsorana azy ho “ny vaovao tsaran'ny andro” ilay Ejipsiana blaogera mazoto manoratra antsoina hoe Zeinobia:

Noafahana tamin'ny famonjana azy i Mahinour El-Masry. Vaovao tsaran'ny androany

Mizara fihetseham-po mitovy amin'izany i Yasmine Khalifa:

Ao anatin'ny vaovao manalika maro mipoaka manerana an'i Ejipta dia indro misy tsirim-baovao mahafaly milaza fa hoafahana i Mahinour.

Saingy fantatr'i Mona Seif ny mety handiso fanantenana an'i . Hoy ny siokany:

Havoaka i Mahinour saingy ho diso fanantenana izy fa mbola voatazona ireo mitovy raharaha aminy, indrindra fa i Islam, izay tsy nandray anjara akory tamin'ny fihetsiketsehana. Avoahy i Islam, Omar, Luay ary i Nasser.

Raha mbola tany am-ponja i Mahinour no nahazo ny Lokan'ny Zon'olombelona Iraisampirenena Ludovic Trarieux 2014, loka fanome isan-taona omen'ny mpisolovava amin'ny mpisolovava miaro ny zon'olombelona. Kisendrasendra, ny anjara voalohany nivoaka tamin'ny 1985 dia nomena ilay mpitarika Afrikana Tatsimo Nelson Mandela raha mbola tany am-ponja izy.

Milaza ny mpisolovava Gamal Eid fa ny famoahana azy dia ao anatin'ny teti-panoron'ny governemanta hanatsarana ny endriny. Hoy ny siokany:

Aorian'ny fiarahabana an'i Mahinour, Mino aho fa ny famoahana azy tany am-ponja dia ao anatin'ny tetika politika ataon'ilay fitondrana mpangeja. Handray ny loka i Mahinour amin'ny volana ambony. Ary natao izany hanatsarana endrika ny firenena mialoha ny ivoahan'ny Filoha any ivelany

Am-pandehanana any Etazonia hanatrika ny Zaikaben'ny Firenena Mikambana any New York amin'izao fotoana izao ny filoha Ejipsiana Abdel Fattah El Sisi.

Fa mbola tsy mifarana hatreo ekory ny dian'i Mahinour miaraka amin'ny rafi-pitsarana ejipsiana. Mbola misy raharaha miandry azy ao amin'ny komisariàn'ny polisy ao Raml, izay iampangana azy sy ireo 12 hafa ho nanimba ny komisarià sy nandratra polisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.