Navotsotra Tany Am-ponja Ilay Bahrainita Mpikatroka Zon'olombelona Fa Mbola Miandry Fotoam-pitsarana

Maryam Al Khawaja with her lawyer Mohammed Al Jishi after her release from prison in Bahrain last night. Source: @Mohamed_Aljishi

Maryam Al Khawaja miaraka amin'ny mpisolo-vavany Mohammed Al Jishi taorian'ny famotsorana azy tany am-ponja.. Sary: @Mohamed_AlJishi

Taorian'ny fanerena iraisam-pirenena, navotsotr'i Bahrain ilay mpikatroka zon'Olombelona Maryam Al Khawaja omaly alina. Tsy navela hiditra tao amin'ny fireneny ary nosamborina tao amin'ny seranam-piaramanidina ity Tale mpiara-mitantana ny Ivotoeran'ny Zon'Olombelona Eto Amin'ny Helodrano ity tamin'ny 30 Aogositra 2014  .

Araka ny filazan'ny fikambanana, nikasa hitsidika ny rainy, mpikatroka zon'Olombelona malaza Abdulhadi Al-Khawaja, izay any am-ponja sy miditra amin'ny andro faha-27 amin'ny fitokonany tsy hihinan-kanina i Maryam. Nogadraina ny rainy nandritra ny famoretana mahery vaika nataon'ny governemanta taorian'ireo fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia izay nanozongozona an'i Bahrain hatramin'ny 14 Febroary 2011. Voasazy higadra mandra-pahafatiny izy. Fitokonana tsy hihinan-kanina faharoa ataony izao. Naharitra 110 andro ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataony voalohany ary nitsahatra rehefa nofahanan'ny manampahefana an-katerena.

Nosamborina tao amin'ny seranam-piaramanidina i Maryam Al Khawaja ary nampaingana ho niherisetra tamin'ny polisy. Ampangain'ny mpikatroka anefa ny manampahefana ho manao izay hiampangana azy ireo, ho fampitahorana sy hanampenam-bava azy ireo. Na dia eo aza ny famotsorana azy, mbola tazomin'ireo manampahefana ny fiampangana azy ary hiatrika fitsarana  i Maryam amin'ny 1 Oktobra, izay niharan'ny fandraràna tsy hivezivezy..

Nanazava ny zava-manjòa azy tamin'ireo mpanjohy azy 101K izy:

Na dia eo aza ny famotsorana ahy, voaràra tsy mahazo mivezivezy aho ary mbola tsy nofafàna ireo fiampangana. Amin'ny 1 Oktobra ny fihainoana ahy voalohany eny amin'ny fitsarana #Bahrain

Taorian'ny famotsorana azy, niditra tao amin'ny Twitter avy hatrany i Al Khawaja mba hisaotra ireo nandray anjara tamin'ny famotsorana azy, ary nampanantena hanohy ny asany amin'ny fiarovana ny zon'olombelona izy:

Alohan'ny nialàna tao am-ponja, nampilaza azy ireo aho fa mbola hanohy ny asako amin'ny fiarovana ny zon'olombelona  #Bahrain

Tahaka an'i Maryam sy ny rainy, olona an'arivony no nosamborina hatramin'ny niandohan'ny fihetsiketseham-panoherana ny fitondrana tao Bahrain tamin'ny 14 Febroary 2011, nisarika ny saina mikasika ny zava-manjò azy ireo i Al Khawaja:

Raha afaka niantoka ny famotsorana ahy ny fikambanana iraisam-pirenena dia manome fanantenana ho ahy fa afaka manao toy izany ho an'ireo gadra politika an'arivony ihany koa isika #Bahrain

Nampatsiahy ireo mpanjohy azy mikasika ireo mpikatroka hafa an'arivony manerana ny tontolo Arabo izay nogadraina noho ny fijoroan'izy ireo amin'ny fanoherana ny fampijaliana ao amin'ny firenen'izy ireo hatramin'ny niandohan'ilay antsoina hoe Lohataona Arabo ihany koa izy:

Faly nandre fa navotsotra i @Alaa, miandry vaovao mikasika an'i Yara Sallam, Sanaa Seif, Mahienour ary Razan Zeitounah #Egypt #Syria

Vao avy navotsotra tany am-ponja noho ny fandòavana onitra ilay mpikatroka sady bilaogera Alaa Abd El Fattah; samy nogadraina ao Ejypta kosa ireo mpikatroka tahaka an'i Yara Sallam, ny anabavin'i Abd El Fattah antsoina hoe Sanaa Seif, Mahienour Al Masry; ary migadra ao Syria ilay mpiaro ny zon'olombelona Razan Zeitounah.

Nizara vaovao momba ny famotsorana an'i Al Khawaja ireo mpikatroka manerantany.

Nisioka mikasika izay hafatra toa ho an'ny governemantan'i Bahrain i Jonathan Moremi:

Ny fisamborana, ny herisetra sy ny fandrahonana ary ny famotsorana an'i @MARYAMALKHAWAJA no mapiesho ny hadalany. Mahamenatra

Faly ilay Maraokanina Samia Errazzouki:

Ny feon'ny fandrenesana ny feon'ireo namana izay nampanginina tsy ara-drariny tany am-ponja <3 Faly aho fa tafavoaka ianao @MARYAMALKHAWAJA

Manahy izay mety hiandry an'i Al Khawaja i Mohammed Jamjoom avy ao amin'ny CNN:

Vaovao lehibe fa noafahana tao am-ponja ilay mpikatroka mahery fo @MARYAMALKHAWAJA, saingy mampatahotra fa voaràra tsy hivezivezy sy mbola hiatrika fitsarana izy #FreeMaryam #Bahrain

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.