Tsy Mbola Tonga Ao Gambia Ny Ebola, Ary Manao Hetsika Tsy Ho Tratran'Izany Ny Vahoaka

The logo of #EbolaFreeGambia campaign. Image source: #EbolaFreeGambia Facebook page.

Sary famantarana ny hetika #EbolaFreeGambia. Sary: pejy Facebook #EbolaFreeGambia.

Nohamafisina ireo ezaka ataon'ny Firenena bitika Afrikanina Andrefana ao Gambia, izay mbola tsy tratry ny aretina mandravarava Ebola, ho fiarovana ny firenena tsy ho tratran'ity valan'aretina mahafaty ity.

Tamin'ny 31 Aogositra, olona teo amin'ny 1900 tao Ginea, Liberia, Nizeria sy Sierra Leone no namoy ny ainy, araka ny tatitra avy amin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana. Taorian'ny fanamarinana ny fisian'ny Ebola voalohany tao Senegaly, dia nandray an-tanana avy hatrany amin'ny fiomananana sy ny fampafantarana ny vahoaka momba ny aretina avy hatrany i Gambia, firenena mifanolo-bodirindrina aminy indrindra. Niteraka sahotaka teo amin'ireo Gambiana ny vaovao noho ny fifanakaikezan'i Senegaly amin'i Gambia sy sisintany gaboraraka mora ifampitsofotsofohana eo amin'ny firenena roa tonta.

Nanangana ny Ebola Free Gambia (Gambia Tsy Misy Ebola) ny firaisan-kinan'ny firaisamonim-pirenena ao Gambia mba hiezaka sy hiaro ny firenena tsy ho tratry ny Ebola. Nahazo “tiako” maherin'ny 2900 ny pejy Facebook natsangana tamin'ny 30 Aogositra.

Toy izao manaraka izao ny famariparitana avy amin'ny firaisan-kina ao amin'ny haba-tranonkalany:

In light of the proximity of Gambia to the Ebola infected areas, there is a pressing need for immediate action to arrest the possible spread of Ebola into The Gambia by sensitizing the population about the nature of the disease, how it is spread and how to avoid being infected. The Government of the Gambia from the onset of the outbreak in West Africa has taken some steps to protect our country from Ebola. The impact of the Ebola outbreak in West Africa already having dire economic consequences to the Gambia not to mention the potential health implications if the disease were to spread into the Gambia.

Noho ny fifanakaikezan'i Gambia amin'ireo faritra tratran'ny Ebola, misy ny vaindohan-draharaha handraisana fepetra avy hatrany mba hanajanonana izay mety ho fihanaky ny Ebola ao Gambia amin'ny alalan'ny fanentanana ny vahoaka amin'ny fomba fisehon'ny aretina, ny fifindrany ary ny fomba fisorahana azy tsy hifindrany. Nandray fepetra ny governemantan'i Gambia hatramin'ny nisian'ny valan'aretina tao Afrika Andrefana mba hiarovana ny firenena amin'ny Ebola. Efa niteraka voka-dratsy tamin'ny tokerarena ao Gambia ny fisian'ny valan'aretina ao Afrika Andrefana, tsy lazaina intsony ny mety ho fiantraikany amin'ny fahasalamana raha miparitaka tao Gambia ny aretina.

Mameno ny ezaky ny governemanta ny hetsika amin'ny alalan'ny fanentanana momba ny fiomanana, ny fisorohana sy ny fanehoan-kevitra amin'ny fampiasana ny habaka, lahatsary Youtube, sy ny Facebook-n'izy ireo ary ny fitarihana fanentanana manerana ny firenena.

Jereo ny fanentanana iray tamin'ity lahatsary YouTube ity:

Nandritra izany, namorona hira natokana amin'ny ady amin'ny Ebola ny ambasady Amerikana ao Banjul izay miara-miasa amin'ireo mpanakanto Gambiana tamin'ny 11 Septambra. Ahitana mpanakanto tahaka an'i  Tra, Badibunka, Cess Ngum, Killa ACE, & Sandeng, sy Amadou Sussocebook ny “Hiran'ny Ebola”. Henoy eto ambany eto izany:

Efa nametraka laharana an-tariby azo antsoina 24 ora amin'ny alalan'izay tambajotra ao amin'ny firenena ny minisiteran'ny Fahasalamana sy ny Raharaha Ara-tsosialy ao Banjul. Samy hafa amin'ny ezaky ny minisiteran'ny Fahasalamana amin'ny fanentanana ny Gambiana ny hetsika #EbolaFreeGambia.

Ny vaovao momba ny tranga Ebola voalohany tao Senegaly dia nahatonga an'i Arfang Jobe, Gambiana mpisera Facebook avy hatrany hanoro hevitra fa tokony hiara-hiasa amin'ny minisiteran'ny fahalasamana ireo orinasan'ny finday amin'ny fandefasana hafatra an-tsoratra ho fanentananana momba ny aretina.

Namaly izany tolo-kevitra izany, Hassan Njie nampitandrina hoe:

The last thing we want is to send fear into the minds of Gambians. The messages must be tailor made for easy understanding. People interpret and react to information differently. Let us be on our guard!

Ny zavatra farany tadiavintsika dia mandefa tahotra ao an-tsain'ireo Gambiana. Tokony hafatra sahaza no atao mba ho mora azo. Samy manana ny fomba fandraisana ny hafatra sy ny famaliana izany ny olona. Mila mitandrina isika!

Kb Bojang naneho hevitra hoe:

I think it will be great too, if they can send voice mails in the different languages we have, to their respective customers with regards to Ebola preventive measures, because I doubt everyone will be able to read the text messages

Mino aho fa tena tsara ihany koa raha afaka mandefa hafatra am-bava amin'ny teny isan-karazany ananantsika hoan'ireo mpanjifany mikasika ny fepetra fisorohana ny Ebola izy ireo, satria misalasala aho fa tsy ny rehetra no afaka hamaky ny hafatra an-tsoratra

Nanomboka nandefa hafatra mikasika ny Ebola hoan'ireo mpanjifany ireo orinasan'ny finday. Na dia izany aza, tsy mazava raha avy amin'ny fanentanana tao amin'ny media sosialy izany fisantaran'andraikitra fandefasan-kafatra izany.

Nanambara ireo mpikaroka tao amin'ny Oniversiten'i Oxford tamin'ny volana Aogositra fa hanao fanandramana vaksiny mety hanasitrana amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo salama ao Royaume-Uni izy ireo raha vao azo avy hatrany ny fankatoavana ara-etika, izay mety hihitatra ao Gambia sy Mali ihany koa. Tamin'ny fihetseham-po isan-karazany no nandraisana izany fanambarana izany tao Gambia raha niahiahy momba izany kosa ny sasany.

Tamin'ny fanehoana hevitra mikasika ny fanambarana, Mass Bajinka nanoratra tao amin'ny Facebook:

Why not Liberia, Nigeria and the countries that's already have the virus….why Gambia????? We don't have single virus their so why Gambia ? I hope the government say nope.

Fa maninona raha i Liberia, Nizeria ary ireo firenena izay efa tratran'ny valan'aretina …. fa tsy i Gambia ????? Tsy ahitana na dia valan'aretina iray aza isika koa maninona no Gambia? Mino aho fa handà ny governemanta.

Eddie Baldeh nanoro hevitra hoe:

The government should say no to this…why The Gambia? a Country that an Ebola has never been reported or diagnose…Do your trials somewhere n leave Gambia alone…in Peace!!

Tokony holavin'ny governemanta izany … fa nahoana no Gambia? firenena mbola tsy nahitana Ebola  … Ataovy any an-kafa ny fanandramanareo, avelao i Gambia, …..Hilamina !!

Be fanantenana kokoa kosa ny sasany ary maniry mba handroso ao Gambia ny fanandramana :

One reason why everyone is worried about this outbreak is because there is no cure. And now that a prospective vaccine is about to go through trials, here we go again with our conspiracy theories. Every single drug in the market has a side effect and before they are progressed to clinical trial phase they have to pass safety tests in animals first and the vaccine is deactivated before administering, so it cannot cause disease. And why Gambia? because vaccines have to be tested on healthy individuals to assess their effectiveness and MRC has years of experience in conducting such studies. Let's just stop the pessimism people and just be thankful that there is active research being geared towards fighting the deadly disease.

Anisan'ny antony mahatonga ny rehetra miahiahy mikasika ity valan'aretina ity ny tsy fisian'ny fitsaboana. Ary satria ankehitriny, toa efa eo am-panandramana ny vaksiny mety hanasitrana, indreto indray isika miaraka amin'ny teorian'ny teti-dratsy. Ahitana fiantraikany ratsy ny fanafody rehetra eny an-tsena ary alohan'ny androsoan'izy ireo [fanafody] amin'ny dingana fanandramana ara-klinika, tokony handalo fanandramana ara-piarovana amin'ny biby aloha izy ireo ary esorina ny herin'ny vaksiny alohan'ny ampidirana azy, mba tsy hiteraka aretina. Koa nahoana no Gambia? satria tsy maintsy handramana amin'ny olona salama ny vakisiny mba hahitana ny fahombiazany ary manana traikefa an-taonany maro amin'ny fanatontosana fikarohana tahaka izany ny MRC. Atsaharo ry zareo ny mamisavisa ny ratsy foana ary mahaiza mankasitraka fotsiny fa misy ny fikarohana mavitrika mifantoka amin'ny ady amin'ity aretina mahafaty ity.

Na inona na inona zava-mitranga, ny zava-misy dia maro ireo olona ao amin'ny firenena no miahiahy ny amin'ny mety hidiran'ity valan'aretina mahafaty ity ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.