Fa Maninona No Toa Adihevitra Be Ny Ora Fidirana An-tsekoly Amin'ny 9 Ora Maraina Ao Korea Atsimo?

Young Korean children studying at a "hagwon." Image by Flickr user knittymarie (CC BY-SA 2.0)

Ankizy Koreana mianatra ao amin'ny “hagwon (fanampim-pianarana).” Sary avy amin'ilay mpisera Flickr knittymarie. CC BY-SA 2.0.

Fantatra amin'ny rafi-pampianarana tia mifaninana tokoa sy henjana i Korea Atsimo, izay manery ny ankizy hianatra manomboka vao maraimbe ary mirava tara amin'ny alina. Manomboka amin'ny 8 ora hatramin'ny 4 ora hariva ny tontolo andro fianarana ofisialy, saingy mandao ny sekoly hamonjy ny “hagwons“, na manao “cours“, izay hanohizan'izy ireo ny fianarany hatramin'ny alimbe (ary indraindray aza hatramin'ny maraina mihitsy).

Tamin'ny tapaky ny volana Aogositra, nanapa-kevitra hanemotra adiny iray ny ora fidiran'ny mpianatra ny Faritanin'i Gyeonggi ao Korea Atsimo, mba hahafahan'ireo ankizy hahazo torimaso bebe kokoa. Niteraka adihevitra tao amin'ny firenena ity “rafitra vaovao fidirana tara amin'ny 9 ora” ity, ary faritany maro hafa ankehitriny no mikasa hampihatra politika tahaka izany ihany koa.

Nizarazara ny fanehoan-kevitra antserasera. Nilaza ny Koreana sasany fa manavao fotsiny ny ora fianarana mahazatra ny “rafitra”. Ny hafa kosa naneho ny ahiahiny fa hahita fomba hanitsakitsahana ity rafitra vaovao ity ireo ray aman-dreny diso mazoto loatra, amin'ny fitadiavana cours vaovao manomboka maraimbe .

Ireo olona mitsikera ny rafitra fidirana tara amin'ny 9 ora – dia tahaka ny mijery saofera mandeha mihoatra ny 100 km isan'ora amin'ny arabe ary mitsikera ireo salama saina mandeha ambanin'ny fetra 100 km isan'ora, ka miantso azy ireo ho adala.

Nisy nampita mihoatra ny in-1300 (retweet) ireto lahatsoratra roa eto ambany ireto.

Ny mampihoro-koditra dia ireo renim-pianakaviana mpilalao baolina kitra mitakoritsika momba ny rafitra fidirana tara amin'ny 9 ora maraina. Nahare azy ireo niresaka, sy nivanitika aho fa mety hanohintohina ny fianarana mahomby ny fahataran'ny fidirana. Hamoha ankizy alohan'ny amin'ny 7 ora maraina izy ireo ankehitriny mba hianaran'izy amin'ny boky fanomanana na zavatra hafa. Tsy salama saina.

Maro tokoa ireo ankizy tanora manohitra ny rafitra miditra amin'ny 9 ora maraina, satria toa tahaka ny manemotra ny ora fianarana mahazatra izany, manapaka ny fotoana malalaka efa voafetra ananan'ireo mpianatra. Raha nosoloina 6 andro ao anatin'ny herinandro ny fianarana 5 andro ao anatin'ny herinandro, mihena ny fotoan'ny fialan-tsasatra, satria mbola ambony dia ambony ny fitambaran'ny andro tsy maintsy hianarana. Ny fitambaran'ny andro tsy maintsy hianarana no tokony nahena.

Mazava loatra, tsy mikasika ny mahasoa ny mpianatra ihany ny adihevitra momba ny fanombohan'ora tara. Maro ny ahiahy misy ifandraisany bebe kokoa amin'ny ora fiasan'ny ray aman-dreny noho ny fianaran'ny ankizy. Raha ny marina, araka ny fitsapan-kevitra natao, mpianatra maherin'ny 73 isan-jato no mankasitraka ilay fanovana vaovao, raha 56 isan-jato ihany ny ray aman-dreny mankasitraka izany.

Mazava amiko tanteraka fa sarotra hoan'ireo ray aman-dreny samy mampidi-bola ny hizatra amin'ny rafitra fidirana amin'ny 9 ora. Saingy somary sanganehana kely ihany aho, nijery renim-pianakaviana iray tamin'ny vaovao maraina izay nilaza tamin'ny mpanoratra gazety fa manohitra ny rafitra vaovao izy “noho izy miasa”.” Tokony hangataka izy mba hahita zavatra ho ataon'ny ankizy alohan'ny fidiran'ny sekoly, mampihomehy ny manohitra satria manelingelina ilay izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.