Manao Fanamby Momba ny Hanohanana, Ny Ady Ary Ny Pôlitika Ireto Karazany 8 Toy Ny Ice Bucket

The various Icebucket spin offs in Lebanon, Côte d'Ivoire, USA, Gaza and Venezuela

Ireo vokatra samihafa nateraky ny Ice Bucket any Libanôna, Côte d'Ivoire, Etazonia, Gazà ary Venezoelà

Nanaporofo ny finiavan'ny olona maneran-tany ny hisasa amin'ny fomba tsy mahazatra eo anatrehan'ny kamerà ho anà antony tsara, ny #IceBucket Challenge (fanondrahana ranomandry amin'ny loha). 

Ilay hetsi-panentanana miparitaka be ao anaty aterineto natao ho an'ny aretin'ny atidoha antsoina hoe sclérose latérale amyotrophique (ALS), dia natao mba hampahafantarana sy hamporisihana ny olona hanome fanampiana ho an'ny fikarohana. Maka lahatsary ny tenany eo am-panondrahana rano mangatsiaka be amin'ny lohany ireo mpandray anjara, ary avy eo manondro olona hafa mba hanao sahala amin'izany koa ao anatin'ny fe-potoana voafetra, raha tsy izany dia manome fanampiana hoan'ireo fikambanana mpanao asa soa.

Avy any Nepal ka hatrany Venezoelà, namorona lahatsary nalaina tahaka avy amin'io ireo mpikatroka mafana fo, izay mampahafantatra ireo olana hafa manerana ny tany. Topazo maso ny valo amin'izy ireo:

Afghanistan 

Nomarihin'ny olana pôlitika i Afghanistan hatry ny 7 Jolay. Nanao fanamby tamin'ireo mpanao pôlitika tamin'ny alàlan'ny lahatsary mitovitovy amin'ny Ice Bucket Challenge ireo olom-pirenena vitsivitsy, mba ahitan'izy ireo marimaritra iraisana haingana ary hampandrosoana ny firenena. Manazava ilay hevitra ny maribolan'ny lahatsary ao amin'ny Facebook :

Leo ny fanahiana pôlitika misy eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao izahay. Mangataka ireo mpitarika anay izahay mba hanaiky ny vokatry ny fifidianana fihodinana faharoa, ao anatin'ny filaminana. Manome izao fanamby izao izahay ho an'ireo Afghan rehetra, ary mamporisika azy ireo mba hanao fangatahana mitovy amin'izao! 

Côte d'Ivoire

Ilay hetsi-panentanana “Lather Against Ebola” (Roatran-tsavony enti-manohitra ny Ebolà), dia manasa ny olona hanondraka ranon-tsavony ny lohany mba hampianarana ny vahoaka ny momba ny fifindran'ny otrikaretina Ebolà, izay nankarary olona mihoatra ny 3.000 ary namono olona mihoatra ny 1.500 tany Sierra Leone, Ginea, Liberià, Nizerià ary Senegal. Ny tenifototra ahafahana mahita ireo lahatsary ao anaty aterineto dia ny #MoussercontrerEbola. Ito misy lahatsarinà mpandray anjara iray, Edith Brou any Abidjan, Côte d'Ivoire: 

Gazà

Tsy mikasika ny resaka fahasalamana daholo ireo lahatsary rehetra. Any Gazà, karazanà Ice Bucket Challenge hafa ny Rubble Bucket Challenge (fanondrahana poti-bato amin'ny loha), izay natao hanaparitahana ny fanairana amin'ny fitalahoan'ireo ankizy mandritra ny fanafihana nataon'i Israely tany amin'ny tarika ka nahafatesan'olona. Anatin'izao lahatsary manaraka izao dia manazava ny mpandray anjara fa :

Nitady rano izahay, saingy tena zava-dehibe [aty] ny fampiasàna rano ka tsy ‘ndeha holanianay hatondraka eo amin'ny loha fotsiny [..] Tsy mangataka fanampiana ara-materialy izahay, fa mangataka firaisan-kina kosa 

India

Any Hyderabad, India, namadika ilay fanamby aminà fomba mifandray kokoa amin'i India ilay mpanao gazety 38 taona, Manju Latha. Lasa ny ranomandry, miditra ny vary. Saingy mandritra ny “Rice Bucket Challenge”, izay miady amin'ny hanoanana any amin'ny faritra, dia tsy misy fanondrahana vary amin'ny loha. Maka zinga misy vary fotsiny ianao ary manome izany ho an'ireo tsy manana. Angatahana mba handefa ireo sary ao amin'ny Facebook ireo mpandray anjara avy eo, eo ambanin'ny tenifototra #ricebucketchallenge. Ito misy lahatsary iray mikasika ny Rice Bucket, ny fomba fiseon'ilay fanamby:    

Libanôna

Voatosiky ny tsy fahampiana rano any amin'ny faritra ihany koa, dia nisy vondrona Libaney nanao lahatsary maivamaivana kokoa ahitana azy ireo “manondraka” rano izay tsy ananany amin'ny lohany:

Nepal

Indraindray, tsy ny rano ihany no zavatra tsy ampy any amin'ireo firenena sasany. Mba hamahana ny olana amin'ny filàna sakafo fototra any Nepal, nitatitra i Sanjib Chaudhary, mpanoratra ao amin'ny Global Voices, fa mahazo vahana ny fandraisana anjara amin'ny #FillTheBucket (fenoy ny gamela). Manazava izy fa:

Ilay olona manao ny fanamby dia mila mividy gamela iray misarona sy kaopy ary mameno io gamela amin'ireo sakafo fototra, manomboka amin'ny vary, ka hatramin'ny fanafody sy ireo fitaovana fampiasan'ny vehivavy mandritra ny fadim-bolana. Mankany amin'ireo niaram-boina tamin'ny fihotsahan'ny tany sy ny tondra-drano vao haingana tany Nepal izany gamela izany.

Manazava ny fandehan'ny fanamby ito lahatsary avy amin'i Aakar Anil ito :

Etazonia

Ny volana Aogositra dia nokorontanin'ireo hetsi-panoherana noho ny famonoana an'i Michael Brown, 18 taona, tany Ferguson, Missouri, ary ireo fisehonà fihetsika mahery avy amin'ny mpitandro filaminana manoloana ireo lehilahy mainty hoditra ny volana Aogositra teo. Mba hanazavàna ny filàna ny fanenana ny herisetra mitam-basy, nanondraka gamela feno bala ny lohany ilay mpilalao sarimihetsika Orlando Jones. Manazava ny anton'io fihetsiny io izy:

Fikambanana mendrika ary mahavariana ny fikambanana ALS. Nahangona vola an-tapitrisany dolara maro izy ireo, izay zava-mahagaga tokoa […] Mba tia hanao sahala amin'ny nataon'ny ALS aho, mandray anjara anatinà zavatra miparitaka manerana ny aterineto ary manao izany ho ahy, mba hiresahana ny zava-doza mitranga any Ferguson sy manerana ny tany. Tahaka izao ny fiheveran'ny ray aman-dreniko, “taona '60 indray izany”. Mampiseho ireo olona izay nandoa ny sandany lafo indrindra ho an'ny fahafahantsika amin'izao fotoana izao ireo fonom-bala rehetra  ao anatin'ny lahatsariko ireo. Tsy nahita ny fatram-bala tena ampy tsara hatondraka ny tenako aho mba entina hampisehoana ny isan'ireo olona namoy ny ainy ho anà tarigetra goavana.

Nanao ilay fanamby ihany koa ny mpilalao sarimihetsika Matt Damon, izay mampiasa rano avy ao amin'ny lavapiringa mba entina hisintonana ny saina amin'ny olana maneran-tany: ny fahazoana rano fisotro madio sy ny fitandroana ny fahasalamana:

Venezoelà

Ny fandaniana rano no tsikera lehibe indrindra nahazo ny Ice Bucket Challenge. Any Venezoelà, manamarika ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices Venezoelana, Laura Vidal, fa “nanao lahatsary entina hanambarana ny tsy fahampian-drano any amin'ny faritra, ny olona iray avy any amin'ny tanànan'i Maracaibo (tanàna iray tena mafana tokoa any Andrefan'i Venezoelà). Nisy nitsidika mihoatra ny in-38k io lahatsary io. Ito ilay lahatsary:

Inoana tokoa fa misy ireo lahatsary karazany maro hafa avy aminà firenena hafa, ary noho ny antony maro, izay mendrika ny ho lazaina. Ampahafantaro anay ao amin'ny sehatra fametrahana fanehoan-kevitra raha mahafantatra lahatsary tsy tandritandrinay ianareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.