Jamaika: Tian'ny ‘Nuh Guh Deh’ Ho Lasa Toerana Iray Tsy Anekena Ny Fanararaotana Ara-Pananahana Atao Amin'ny Vehivavy

Children at an outdoor class run by the local community for the children of squatters in Kingston, Jamaica; photo by the United Nations, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license.

Ankizy ao aminà kilasy iray mitafo lanitra, izay tantanan'ny fikambanana ao an-toerana ao Kingston, Jamaika ho an'ny zanak'ireo mpibodo tanin'olona (squatters); sary avy any amin'ny Firenena Mikambana, nampiasaina miaraka amin'ny lisansa CC BY-NC-ND 2.0.

Miezaka ny manova ny zava-misy mampijaly iainan'ny zatovo vavy maro ao amin'ny firenena amin'ny alalan'ny fanentanana nomena anarana hoe: “Nuh Guh Deh” (Aza Mandeha Any) ny Ankatoky ny Fiainana, fikambanana iray tsy miankina amin'ny governemanta ao Jamaika. Ny “deh” izay tondroin'izy ireo eto dia ny fanararaotana ara-pananahana ireo vehivavy, sy ny fisainan-dratsin'ireo Jamaikàna sasany, indrindra fa ny lehilahy, fa ekena ny fampiharana ny fampianarana ara-pananahana amin'ny vehivavy dieny izy mbola kely taona.

Ireo zatovo vavy miaina ambanin'ny fetran'ny fahantrana no mora lasa tratran'izy io. Voasariky ny fivarotantena izy ireny matetika, na ihany koa amporisihana, indraindray ireo ray aman-dreniny na mpiantoka, ho any amin'ny “sugar daddies” ho takalon'ny fampanantenana tohana ara-bola.

Manantena ny fahatongavan'ny vahoaka saina amin'ilay olana sy hiaro ny ho avin'ny Jamaikàna taranaka fara-mandimby ny ONG raha niditra tao anatin'izao fanentanana izao. Nijery manokana ny ezak'izy ireo ny bilaogera iray, Emma Lewis, ary te-hanao ny Andro iraisam-pirenena isaky ny Oktobra ho an'ny ankizy vavy kely mba ho fitaovam-pitsambikinana hanomezan-danja bebe kokoa ireo zatovo vavy iharan'ny herisetra, izay ny ankabeazany no tsy nomena vintana hahazo fanabeazana, izay mety hanome azy ireo làlan-kivoahana amin'izany.

Mahatsapa i Lewis fa tsy ho an'ireo vehivavy Jamaikàna ihany izao toe-javatra izao:

Any amin'ny firenena maro maneran-tany, iharan'ny fanavakavahana ireo vehivavy. Any amin'ny firenena sasany, terena hanambady aloha be izy ireo […] izay tsy niomànany ara-batana sy ara-tsaina akory. Any amin'ny firenena maro, iharan'ny fanararaotana ara-batana sy ara-pananahana ireo vehivavy. An-tapitrisa ny vehivavy hatreo amin'ny dimy ambin'ny folo taona no mijaly noho ny fandidina fitaovam-pananahana (didim-poitram-behivavy). Maro ny tsy mahazo fanabeazana sahaza. Maro no voatery miditra amin'ny asan-jaza, mankany amin'ny fivarotantena sy fivarotana olona. Mifantoka amin'ny filàna miatrika ireo olana ireo ny Andro iraisam-pirenena Ho an'ny Ankizy vavy, mba hahafahana manome ny fahaleovantenan'ny vehivavy sy ny fanajàna ny zo maha-olona azy ireo.

Nipao-tsatroka ny asa izay ataon'ny “Ankatoky ny Fiainana” izy, fanohanana ireo zatovo vavy tena voahilika — tanora, mpitovo, reny voan'ny VIH sy ireo zanany — amin'ny alalan'ny fanomezana toro-hevitra momba ny SIDA, fanampiana ara-tsosialy ary fampiofanana sy amin'ny alalan'ny fiarovana ny tombotsoan'izy ireo. Manazava i Lewis:

Zatovo vavy no manome maherin'ny enimpolo isan-jaton'ny olona voan'ny VIH eto an-tany. Any Jamaika, avo roa henin'ny isan'ny lehilahy ny isan'ny vehivavy voan'ny VIH ao anatin'ny sokajin-taona 15-24 taona […]

Matetika, manampy trotraka ny mahazo azy ireo ny fahantrana sy ny fiakaran'ny vidim-piainana; tsy fisian'asa; ny hevitra raiki-tampisaka sy ny fanavakavahana; tsy fahampian'ny fanohanan'ny fianakaviana; herisetra ao an-tokatrano sy ara-pananahana (tsy mitsaha-mitombo); ny tranga sasany aza dia ireo tsy manan-kialofana.

Satria navoakan'ny “Ankatoky ny Fiainana” ho fanta-bahoaka io fomba fisainana io sady nandray andraikitra izy mba hanova ny tsingeringerin'ny herisetra mitranga ka hanafoana ny “fampiharana ny ‘fandambolamboana’ ny zatovo vavy, ny fampidirana resa-betaveta amin'izy ireo dieny tena mbola kely taona  loatra izy ireo”:

Fomba fanaon'ny lehilahy efa mahazoazo taona ny manatona ireo zatovo vavy kely noho ny filàna, izay anerena azy ireo matetika. Mbola zazakely izy ireo.Tsy ara-dalàna izany. Fanararaotana ara-pananahana izany. Mahatonga fijaliana ara-tsaina, ara-batana sy ara-panahy izany, vohoka  tsy niriana, aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo, ary ny VIH indraindray. Ry lehilahy, aoka izay!

Hifanojo amin'ny Sabotsy 11 Oktobra 2014, Andro Iraisam-Pirenena Ho an'ny Ankizy Vavy ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ilay faanentanana “Nuh Guh Deh”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.