Manakatona Ireo Tranokalam-baovao Tsy Voasoratra Anarana Ny Governemanta Iraniana

dana.ir

Ry mpiserasera, Noho ny andinin-dalàna nankatoavin'ny Parlemanta tamin'ny volana Novambra 2009 (anisan'izany ny lalàna mifehy ny gazety, ny haino aman-jery ary ny tranokalam-baovao) sy ny andinin-dalàna faha-7, andalana (a) mikasika ny lalànan'ny gazety, tsy azo atao intsony ny miditra ao amin'ity habaka ity noho ny tsy fananany fahazoan-dalàna avy amin'ny Komity Mpanara-maso ny Gazety. Raha hijery ny media nahazo alalana (amin'ny printy na nomerika) tsidiho ny press.Farhang.gov.ir. Raha hangataka fahazoan-dalàna hampiantrano ny habakareo, tsidiho ny e-rasaneh.ir.

Tamin'ilay fanovana vao haingana [mg] mikasika ny fitsipika efa henjana mifehy ny fampahalalam-baovao nataon'ny governemanta Iraniana, takiana ankehitriny ireo gazety antserasera mba hisoratra anarana ao amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Fitarihana Islamika ao amin'ilay habaka antsoina hoe “e-rasaneh” [Farsi] (“e-gazety”), izay sahanin'ny Komity Mpanara-maso ny Gazety ao amin'ny firenena.

Hahazo fanampiana ara-bola enimbolana avy amin'ny Minisitera, sy karatra maha-mpanao gazety ahafahana miditra amin'ny tranga sy lanonana misy ao amin'ny firenena izay tahala manaraka ny fitsipika vaovao.

Nitatitra izany vaovao izany ny sampam-pahalalam-baovaom-panjakana IRNA taorian'ny valandresaka hoan'ny mpanoratra gazety notontosain'ny Minisitra lefitra Hossein Entezami tamin'ny faran'ny volana Aogositra. Nangataka tamin'ireo lehiben'ny indostrian'ny media ao Iran i Entezami mba hanaraka ilay fitsipika vaovao, “mba hifanaraka amin'ny gazety ao amin'ny firenena ny tontolo ara-pitsarana.”

“Nampahafantarina avokoa ireo tranokalam-baovao sy ireo tranonkala vaovao rehetra fa araka ny Andinin-dalàna faha-18 mifehy ny fampitam-baovao, izay mifototra amin'ny resaka lalàna, dia ho tompon'andraikitra amin'izay izy ireo amin'ny fanomezana [amin'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fitarihana Islamika] ny anarana sy ny adiresin'ny tompony, sy ny talen'ny biraon'ny media”, hoy ny filazany.

Anatin'ny Lalànan'ny Heloka Antserasera ny Andinin-dalàna faha-18 ao Iran, izay manameloka ny fampiasana fitaovana momba ny fifandraisan-davitra hoentina “hanapariahana lainga” ao amin'ny firenena. Mandràra ny fanakorontanana ny vahoaka, ny “fomba fisainam-panjakana”, ary ny “fomba fisainan'ny” manampahefan'ny governemanta ny lalàna, izay tsy mazava mihitsy ny famaritana izany rehetra izany ao anatin'ny fehezan-dalàna.

Nanamarika i Entezami fa manana tranokalam-baovao tsy nahazo alalana marobe ny aterineton'i Iran, ary hanomboka hanakatona azy ireo tsy misy anavahana ny Komity Mpanara-maso ny Gazety. Tsy mbola namaritra mazava tsara izay mandrafitra ny atao hoe tranokalam-baovao ny minisitera. Na dia izany aza, nanamarika i Entezami nandritra ny valan-dresaka hoan'ny mpanao gazety fa ho afaka hitory izay tranokalam-baovao rehetra tsy manana fahazoan-dalana ny Iraniana amin'ny alalan'ny sehatra antserasera tantanin'ny Komity Mpanara-maso. Nanipika ihany koa i Entezami fa izay habaka miara-miasa amin'izany dia afaka manantena fa hahazo vola avy amin'ny governemanta amin'ny fiafaran'ny volana Shahrivar amin'ny alimanaka Persiana.

Tamin'ny herinandro lasa teo, iray amin'ireo habaka voalohany indrindra hoan'ny mpisera Iraniana hita fa nakatona noho ny fampiharana ny fitsipika vaovao ny dana.ir.(sary eo amin'ny voalohany)

Nifanontona tamin'ny fanambarana toetsaina liberaly nataon'ny filoha Hassan Rouhani matetika izay manohitra ny sivana sy ny fitsipika ankaterena ireny fitsipika vaovao ireny. Milaza ny kabary tamin'ny fahitalavitra nataon'ny filoha tamin'ny Alahady lasa teo ity sioka eto ambany ity, izay nalaina tamin'ny kaonty ofisialian'ny filoha:

Raha hametraka #filter [sivana] ianao, hisy koa ny olona hametraka fanoherana-sivana. Tsy hisy zavatra hilamina amin'izany – raha izany tokoa, tokony hovahana dieny izao ny olana.

Hoan'ireo Mpiserasera aterineto Iraniana marobe, ny fampiarahana izany fitsipika izany miaraka amin'ny fitomboan'ny fisamborana vao haingana ireo mpikatroka antserasera sy bilaogera dia hanasaro-toerana amin'ny fitokisana ny tenin'i Rouhani.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.