“Nandravarava” An'i Obama Ny Vaovao Fanakatonana Ny McDonald Farany Teo Tao Rosia

Images edited by Kevin Rothrock.

Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Manankarena fomba amam-panao ny aterineto Rosiana amin'ny fananganana ny kaontin'ireo politisiana fantadaza hamoronan-tantara. Tsy isalasalana fa anisan'ny mpamokatra malaza indrindra sy be traikefa amin'izany i Maksim Kononenko, ilay nanangana ny Vladimir.Vladimirovich.ru, bilaogy voafahana ara-potoana izay mampiseho ireo andian-tantara noforonina sy mampihomehy mikasika ny fiainanan'i Vladimir Poutine amin'ny maha-filohan'i Rosia azy. (Niantsafa tamin'i Kononenko ny RuNet Echo tamin'ny taona 2012) Ao anatin'ny vanim-potoanan'ny bilaogy madinika, niteraka kaonty maka tahaka tsy hita isa tao amin'ny Twitter ny fitiavan'ny Rosiana tantara fohy manesoeso, ka ao ireo tena manan-talenta tahaka an'i @Fake_MIDRF, @heil_girkin, @LevSharansky sy ny sisa hafa.

Tsy nanafoana ireo tantara fohy manesoeso anefa ny Twitter. Mbola afaka mahita azy ireo eto sy ao amin'ny aterineto ianao, satria manome aingam-panahy ny sasany ny zavamisy ankehitriny. Nanaitra ireo Rosiana mpanesoeso ny fanafihan'i Rosia ny sehatry ny sakafo maivana McDonald amin'izao fotoana izao, iray amin'ireo sehatra ahafantarana an'i Etazonia indrindra, raha maharikoriko azy kosa ny fanondranana ny vokatra. Raha nakaton'ny governemanta ireo toerana malaza misy ny McDonald ao Moskoa tamin'ny volana lasa teo, mailaka avy hatrany ireo mpisera RuNet nanesoeso, nizara ny sarin'ireo hopitaly maloto, tsy maharototra mpanara-maso ny sehatra ara-pahasalamana ny fijerena azy ireo.

Nanoratra tao amin'ny Facebook namaly ny vaovao nilatsaka androany mikasika ny fanakatonan'ny fitsarana ao Ekaterinbourg ny toeram-pisakafoanana faharoa an'ny McDonald i Ilya Klishin, lehiben'ny famoahan-dahatsoratra ao amin'ny TvRain.ru ao amin'ny kaonty toa tsy tena izy amin'izay mety ho fandraisan'i Washington ny vaovao.

Ilya Klishin, lehiben'ny famoahan-dahatsoratra ao amin'ny TvRain.ru.

В кабинет к Бараку Обаме зашел, осторожно постучав, референт; молодой еще парень, дорогой шерстяной костюм ему чуть велик в плечах. В руках синяя папка с тисненным орланом. Президент продолжал читать бумаги, сидя за столом, на Логана (а так звали вошедшего) он не обратил никакого внимания. Пришлось осторожно кашлянуть.
— Мистер президент.
— А, Логан, ты. Что ты мнешься. Рассказывай, что там у тебя, — поседевший в последний год Обама не совсем удачно попытался улыбнуться.
— Я даже не знаю, как это сказать… — референт открыл папку и стал смотреть в распечатанную бумагу.
— Говори.
— В общем, кхм, ну… Суд Екатеринбурга закрыл еще один МакДоналдс, — выпалил Логан.
— Твою мать, — президент выругался так, как никогда себе раньше не позволял. Пунцовый референт молча смотрел в пол, переминаясь с ноги на ногу. — Еще один?
— Д-да, сэр.
В стену полетела тяжелая чернильница, подарок королевы, между прочим. По обоям поползла клякса. Обама сидел, обхватив лицо обеими руками, и, кажется, плакал.
— Это провал, Логан, ты понимаешь? Мы теперь обречены. Мы. Обречены. Точка. Еще одного я не выдержу. Выйди отсюда. Я буду звонить Владу. Мы сдаемся.

Rehefa avy nandondona tamim-pitandremana, niditra tao amin'ny biraon'ny filoha Obama ilay mpanampy. Mbola tovolahy tokoa izy – somary malalaka ny eo amin'ny soroky ny palitaony lafovidy. Nitondra fampirimana taratasy miloko manga misy sary voromahery avoavo eo amin'ny hidiny izy. Nanohy namaky antonta-taratasy ny filoha, izay mipetraka eo amin'ny biraony. Tsy nitodika tany amin'i Logan (izany no iantsoan'ny olona ny mpanampy) mihitsy izy.

Ninia nikohaka i Logan mba hisarika ny filoha.

“Andriamatoa Filoha.”

“Hay Logan ihany io. Omeo ahy iny. Lazao ahy izay noentinao ao anatiny, hoy i Obama, mamomamo taorian'ny fito taona niasa tao amin'ny Lapa-fotsy, manao izay hitsikiana.

 “Tsy fantatro akory na dia ny fomba fametrahana ity aza,” hoy ilay mpanampy, sady manokatra ilay fampirimana taratasy ary nijery ny antonta-taratasy tao anatiny.

 “Atombohy ny resaka.”

“Eny, izany hoe … Andriamatoa, nanakatona McDonald’ hafa ny fitsarana tao Ekaterinbourg,” hoy i Logan niboredika.

 “(Ompa reny) …”sambany nanompa tao amin'ity Birao Boribory Lavalava ity ny filoha. Nanjary nangina ilay mpanampy, mivembembena tsy mahazo aina ary miondrika amin'ny gorodona.

 “Mbola misy hafa?” hoy i Obama nanontany.

 “A…Eny, tompoko.”

Nisy tavoahangin-dranomainty nisidina tsinahy nankeny amin'ny rindrina. (Fanomezana avy amin'ny mpanjaka vavy izany.) Niraraka tamin'ny taratasin'ny rindrina ny ranomainty. Naka seza i Obama ary nanakona ny tavany tamin'ny tanany. Nihevitra i Logan fa naheno azy nitomany.

“Vita isika, Logan, azonao ve izany? Voasazy isika ankehitriny. Voasazy. Isika. Izany no dikany. Tsy afa-mihaino zavatra hafa aho. Mivoaha teo. Hiantso an'i Vlad aho. Hitolo-batana isika. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.