Ice Bucket Challenge An'i ALS : Inona Avy Ireo Lesona Azo Tsoahana ?

Photomontage of reactions to IceBucket Challenge

Sary natambatra avy amin'ireo fanehoankevitra mikasika Ice Bucket Challenge

Efa amam-bola vitsivitsy izay no nisian'ny Ice Bucket Challenge, izay tena lasa malaza sy miparitaka be eny amin'ny aterineto, ary izao ny vokany: olona misimisy no nanao ilay fanamby (farafahakeliny mpandray anjara miisa1,2 tapitrisa raha ny marimarina kokoa), ary niezaka naka tàhaka azy io ireo olona maneran-tany noho ny lazany, ho an'ny antony hafa.   

Nanomboka ny voalohandohan'ny lohataona ilay fanentanana, niainga niaraka tamin'ny fandaharana mivantana tao amin'ny fandaharany ho an'ny televiziôna NBC, ny 15 Jolay nataon'i Matt Lauer, mpanolotra fandaharana amin'ny TV, teo anatrehanà Amerikana maro mpijery fahitalavitra. Kelikely foana taorian'izay, nandray anjara tamin'ilay fanamby ihany koa ireo olo-malaza, ny Filoha teo aloha George W. Bush ka hatramin'ny olo-malaza mpilalao sarimihetsika Benedict Cumberbath, manamarika ilay hetsika miparitaka be amin'ny aterineto ary ny lalao tsy azo ialàna aorian'izay.

Raha nahazoana fanampiana mitentina teo amin'ny 41,8 tapitrisa dolara teo ilay hetsika, nanomboka ny 29 Jolay ka hatramin'ny 21 Aogositra, avy aminà malala-tànana vaovao miisa maherin'ny 739.000, manamafy ny tsikera fa lasa mirona kokoa any amin'ny fahafinaretana sy ny fanandratan-tena samirery ilay hetsika, fa tsy any amin'ny fanomezana vola ho fanaovan-tsoa hanampiana ny hafa. 

Ny resaka nifanaovan'ireo mpiara miasa ao amin'ny Global Voices, momba ny fahitàny ilay Ice Bucket Challenge moa dia nampiseho fa misy fihetseham-po mifandàka mikasika an'io. Nanome ny heviny i Rezwan avy any Bangladesh, mpanoratra ao amin'ny Global Voices any Azia Atsimo, : 

lasa vorona azon'adala ilay lohahevitra, ary maro ireo sosotra raha mizara ireny zava-bitany ireny ny olona hafa.

Nanamarina i Anna Schetnikova, mpandray anjara Rosiana ao amin'ny Global Voices, fa henjana be ny tsy finoana ny hahitàna vokatra amin'io hetsika io eny anatin'ny vohikala amin'ny fiteny Rosiana: 

maro ny olona mandefa ireo lahatsary ireo mba ho amin'ny fifaliany fotsiny, fa tsy fantany tsara akory hoe inona ny dikan'io fanentanana io.

Any Kenia, nandefa sariitatra i Njambi Magugu , mpampiasa Twitter, manasongadina mazavazava kokoa ny tsy fitovian'ny laharam-pahamehana any amin'ireo faritra samihafa manerana ny tany tontolo:

 An'arivony maro ireo maty noho ny ALS, fa an-tapitrisany kosa ireo maty isan-taona noho ny tsy fahampian-drano. Asio laharam-pahamehana! pic.twitter.com/xDOirT5O7w” @NjeriThorne

Ny sasany nampiseho fanohanana an'ilay hetsika, toa an'i Anushe Noor Faheem, mpiara-miasa ao amin'ny Global Voices avy any Pakistana:

Manantena aho fa hiezaka ny hianatra mombamomba ilay aretina ny olona. Aty Pakistana [..] olo-malaza maro no nanao io fanamby io.

Tsy azo lavina kosa aloha hoe nihamaro ireo olona niha-nahalala bebe kokoa ilay aretina ALS noho ny teo aloha. Vokany tsara nazavain'i Anthony Carbajal mazava tsara tany California izany, izay nandefa lahatsary mampihetsi-po, mampiseho ny fandraisany anjara amin'ilay Ice Bucket Challenge. Ny volana Janoary 2014, nahalala i Carbajal fa voan'ny ALS. Nisy voan'ny ALS ireo fianakaviany tany aloha: maty vokatr'io ny renibeny, ary voan'io ankehitriny ny reniny. Teo am-pikarakaràna ny reniny marary i Carbajal no nahalala fa marary ihany koa izy. Avy eo, nanomboka ilay fanentanana niparitaka be amin'ny aterineto io. 

Ao anatin'izao lahatsary manaraka izao, manazava izy hoe inona no dikan'ilay fanamby ho azy sy ho an'ireo hafa mararin'ny ALS:

Ito ny ampahany amin'ny antso avy amin'i Carbajal ao amin'ny lahatsary: 

Tsy tia miresaka momba an'io aho, tena tsy tia miresaka momba an'io mihitsy aho. Izany angamba no antony tsy iresahan'iza na iza ny momba an'io, satria tena sarotra jerena be io. Tsy misy olona tia ahita olona malahelo, avy eo maty, izay manana roa ka hatramin'ny dimy taona ivelomana. […] Mianiana aminareo aho fa hiova aminà lahatsarinà saka ny zavatra alefanareo eo, ary ‘Let It Go‘, fa amin'izao ankehitriny izao aloha, manana nomem-boninahitra ho ery amin'ny voalohany ny vondrom-piarahamonin'ireo tratry ny ALS […] Tsy fantatrareo mihitsy hoe ahoana ny fihetseham-poko isaky ny fanamby tsirairay – mankahery ny fanahiko, mankahery ny fanahin'ireo mararin'ny ALS tsirairay avy. Tena manova zavatra tokoa ianareo, ary tena mankasitraka tanteraka izahay.

Nampahafantatra ny olona bebe kokoa momba ny ALS ilay hetsika, ary ny ady aterak'io araka ny hita ao anatin'ny tantaran'i Carbajal. Raha amin'io fomba fijery io ihany aloha, sarotra ny hanontany izay mandrisika ireo olona vonona ny handray anjara amin'ilay fanamby, na dia izany aza anefa, mety hipoitra ihany ny fanomezan-daza ny tena samirery. 

Tsy azo lavina ihany koa fa misy ireo aretina hafa mora mahafaty noho ny ALS.  Ho an'ireo mpikatroka mafana fo te-haka tàhaka ny lazan'io fanamby io ho anà antony hafa azy manokana, misy lesona maromaro azo ianarana avy amin'ilay zava-miseho malaza sy miparitaka be amin'ny aterineto.

1) Mitandrina mba tsy haràtra

Ity misy fitambaranà Ice Bucket Challenge tsy nety tamin'ny tokony ho izy:

Tokony tsy mila tenenina intsony izany, fa rehefa manao ilay fanamby re ianao, mba mitandrema tsara ary mivonona tsara mialoha, raha tsy izany mety haràtra ianao. 

2) Aza maka tàhaka be fotsiny  

Manazava i Beth Kanter, manampahaizana amin'ny media sosialy tsy mitady tombony, fa noho ny lazan'ilay hetsika, voasarika ny hanara-drenirano fotsiny ireo fikambanana manao asa soa sasany, amin'ny fanaovana ny lazainy hoe “Familiviliana Fanampiana – Charity Jacking“:    

Mpikambana am-polony aminà fikambanana manangona vola tsy mitady tombony no nilaza fa efa nantsoina hanao mitovy tamin'ilay fanamby. […] Mitovy amin'ny familiviliana marika famantarana sy familiviliana ny vaovao ihany ny familiviliana fanampiana araka ny nanamarihan'i David Meerman Scott azy, ho toy ny fanao hoe mampiditra ny hevitrao na ny ampahany ao amin'ny vaovao farany ianao, amin'ny fotoana isehoany indrindra, mba ho hitahita kokoa amin'ny media, ho anao irery ihany na ny fikambananao. miteraka lalao misy ambaratonga io. Saingy, na iza na iza afaka mamilivily ny  vaovao dia mahatonga ireo mpilalao mitazam-potsiny hihetsika haingana ary hahay niresaka io ambaratonga vaovao io. 

Kanefa, mampitandrina i Kanter ao amin'ny lahatsoratra manaraka hoe mety tsy hety ny maka tàhaka be fahatany ilay fanamby fotsiny:

Misy ireo endrika Ice Bucket Challenge tsy afaka averina atao. Ny tena mety ho hisy izao dia, na ahoana na ahoana ny hataon'ny fikambananao tsy mitady tombony hakàna ireo fanao tsara indrindra, mety tsy hahangona 100 tapitrisa dolara sy hahazo olo-malaza an-jatony mba handray anjara amin'ny sitrapony izany ianao. Fa afaka ampidirinao ireo zavatra fanao tsara, sahala amin'ny fanaporofoana ara-tsosialy, ny antson'ny fahafinaretana ho amin'ny asa, ary ny mifamatotra bebe kokoa amin'ireo mpikambana an-tsitrapo mba hahazona vokatra tsaratsara kokoa.  

3) Zavatra tsotra  

Nifantoka tamin'ny resaka mendrika azy ilay fanamby, fa mora takarina ihany koa ilay foto-kevitra nitondràna azy. Amin'izay indray, ny fijerena ireo olona manao zavatra ivelan'ny faritra mampahazo aina azy dia mandrisika ireo hafa hanao izany ihany koa. Amin'izao, raha toa misy hafa hahatratra maridrefim-pandraisana anjara mitovy amin'io koa, ho an'ny antony hafa, tena mety ho hetsika iray afaka ahazoan'ireo mpikatroka mafana fo rehetra maneran-tany tombony tokoa ny Ice Bucket Challenge. 

Nandray anjara tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i : Thalia Rahme, Rezwan, Anna Schetnikova, Leila Nachawati, Anushe Noor Faheem, Sanjib Chadhury sy i Laura Vidal.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.