14 Farafahakeliny ny Olona Naratra tamin'ny Fanapoahana Baomba Tao Amin'ny Garan'ny Metro Santiago

Metro de Santiago, Chile. Foo en Flickr del usuario  Ricardo Cabrera Letelier (CC BY-NC-ND 2.0).

Tata-dalana (metro) ao Santiago, Chile. Saripikan'ny mpisera Flickr Ricardo Cabrera Letelier (CC BY-NC-ND 2.0).

Olona efatra ambin'ny folo no naratra taorian'ny fipoahana baomba tao amin'ny Metro Escuela Militar [sekoly miaramila] tao an-drenivohitra Santiago tokotokony ho tamin'ny roa ora tolakandro. 

Vehivavy iray miasa amin'ny raharaham-panadiovan'ny Metro S.A., izay very rantsa-tanana havanana, sy olona iray 35 taona maratra lamosina no naratra mafy indrindra tamin'izany.

Nanamafy ny Sekretera Lefitry ny Atitany Mahmud Aleuy fa nandositra tao anaty Chevrolet fotsifotsy ny olona roa ahiahiana ho nanao izao fanafihana izao, saingy misy ihany koa ny famotopotorana ny fiara iray faharoa, Opel Corsa miloko mena nahitana olona roa tao anatiny.

Ny Metro Santiago alohan'ny mahamaro olona indrindra amin'ny dimy hariva taorian'ny fanafihana ny garan'ny  Sekoly Miaramila.

Fipoahana mafy tao amin'ny garan'ny Santiago voafariparitry ny governemanta Shiliana ho “asam-pampihorohoroana”. Loharanom-baovao: http://t.co/n1kjwxNEQ7

FANANKOTRIHANA: Olona valo no naratra tamin'ny fipoahana tao amin'ny “metro”-n'i Santiago de Chile.

Miharihary fa fanafihana fampihorohoroana no natao tao amin'ny “metro”-n'i Santiago de Chile.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.