Mponin'ny Nosy Pasifika Handefa Lakana Hanakanana Ny Fananganana Seranan-Tsambon'ny Fitrandrahana Arintany Lehibe Indrindra Manerantany

Pacific Climate Warriors Vanuatu canoe launch. Photo credit: 350.org

Fanombohan'ny lakana ataon'ireo Mpiadin'ny Toetr'andron'i Vanuatu ao Pasifika. Sary: 350.org

Nosoratan'i Aaron Packard hoan'ny 350.org, fikambanana manangana hetsika momba ny toetr'andro manerantany ity lahatsoratra ity, ary navoaka indray ato amin'ny Global Voices izay tafiditra ao anatin'ny fifanekena hifampizara vaovao.

Amin'ny volana Oktobra amin'ity taona ity, Mpiadin'ny Toetr'andro 30 ao Pasifika avy amin'ny nosy 12 samihafa no hoavy ao amin'ny morontsiraka Aostraliana hijoro mhanohitra ny indostrian'ny saribao sy ny etona. Hampiasa lakana namboariny izy ireo mba hovoizina hankao amin'ny seranan-tsambo misy ny tobin-tsaribao midadasika indrindra manerantany  – Newcastle – mba hanakanana ny fanondranana saribao mandritra ny tontolo andro iray.

Manondrana fahasimbana mbola tsy nisy toy izany ao amin'ireo nosy Pasifika ny seranan'i Newcastle, ary eo an-dalana ny fikasana hanitatra izany. Raha firenena ilay seranana, dia mety ho voasokajy laharana faha-9 manerantany amin'ny resaka fandotoana tontolo iainana.
Raha tsy misy ny fepetra raisina hanakanana ny indostrian'ny arintany, ho very zavatra maro ny ankamaroan'ireo Nosy Pasifika.

Nandany 20 taona mahery nanaovana fifampiraharahana sy niangavy ireo firenena tahaka an'i Aostralia ireo mponin'ny Nosy Pasifika mba hampitsaharana ny fandotoan'izy ireo ny tontolo iainana sy hampitsaharana ny fandavahana arintany – ho fiarovana ny tanin'izy ireo sy ny kolontsain'izy ireo amin'ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetr'andro, tahaka ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina. Saingy mbola ny mifanohitra amin'izany ihany no ataon'ireo indostrian'ny saribao sy ny etona fanrehitra. Mampivelatra ny fitrandrahan'izy ireo mbola tsy nisy tahaka izany ry zareo, sady manohy mamely ny indostrian'ny angovo azo avaozina. Fanafihana ifotony amin'ny nosinay sy ny kolontsainay izany.

Ho fitsinjovana ny hoavin'ny kolontsaina sy ny nosin'izy ireo, tsy afaka hipetraka sy hitazana izany hitranga ireo Mpiadin'ny Toetrandron'i Pasifika. Izany indrindra no mahatonga ireo Mponin'ny nosy manerana ny Pasifika mikarakara ity dia hoany Aostralia ity sy nanamboatra lakana nentim-paharazana maro. Ho an'ny ankamaroany dia vao ho sambany izao – maro ireo mpiady no miverina indray amin'ny kolontsainy mba hampojoro azy ireo amin'ny ady atrehiny hanavotany ny tenan'izy ireo.

Amin'ny volana ambony, hihazo an'i Aostralia ireo lakana nentim-paharazana ireo mba hampitsahatra ny fanimbana ny nosin'izy ireo avy eny ifotony.

Ho hetsika manatantara sy tsy mampino izany, ary handefa hafatra mahery vaika hoe: tsy hipetra-potsiny izahay raha mbola mandetika ny hoavin'ireo Nosy Pasifika ny indostrian'ny saribao. Hetsika lafo-vidy ity ary manao fanangom-bola ao an-toerana ireo ekipanay ao amin'ny Nosy Pasifika hanamboarana lakana sy hanatontosana ny dia. Ankasitrahana tanteraka izay fandraisana anjara rehetra amin'izany fanangonam-bola izany.

Raha ao Aostralia ianao na akaikiny, tongava manatevin-daharana anay. Arakaraky ny maha-betsaka ny olona azontsika manatevin-daharana no maha-tsara kokoa ny hafatra. Eto no misoratra anarana amin'ny hetsika. Hoan'ireo ivelan'i Aostralia, tsidiho ny habaka raha hijery mikasika ny fomba azonao atao ho firaisankina amin'ireo Mpiadin'ny Toetr'andro ao Pasifika.

Farany, zarao amin'izao tontolo izao ny tantaran'ireo Mpiady Amin'ny Fiovaovan'ny Toetr'andro!

Tokelau school-kids with canoe and banner which reads: "We Are Not Drowning We Are Fighting." Photo credit: 350.org

Ankizy mpianatra ao Tokelau miaraka amin'ny lakana sy sora-baventy, mivaky hoe: “Tsy Ho Rendrika Izahay, Mitolona Izahay.” Sary: 350.org

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.