Hoan'ny Miaramila Rosiana Ao Okraina, Mety Hitovy Hery Amin'ny Sabatra Ny Finday

The other weapons at work. Images edited by Kevin Rothrock.

Ny fitaovam-piadiana hafa eo am-pampiasana azy. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Mifanandrina amin'ny andia-tafika “miady amin'ny fampihorohoroana” ao atsinanan'i Okraina ny miaramila rosiana. Ny manampahefana any Kyiv milaza amin'ny ankapobeny fa fanafihan'ny Rosiana an'i Okraina izao. Any Moskoa, milaza ny ao Kremlin fa “mpanolotena” ireo mpanao raharaha miaramila manodidina an'i Donetsk sy Luhansk ireo, miara-miady amin'ny mpisintaka raha mandao kosa ny adidiny amin'ny fomba ofisialy. Eny fa na dia ny vaovao amin'ny alina ao Rosia aza dia manaiky ny fahafatesan'ireo maherifon'ny firenena, izay heverina ho mihazakazaka ho any am-bava ady “tsy mikarama”, tsy milaza akory na amin'ny vadiny na amin'ny reniny aza.

Nanao izay azony natao tokoa ny governemanta rosiana hifehezana ny fahalalan'ny vahoaka amin'ny fisian'ny hetsika ataon'ny vondro-tafika rosiana any Okraina. Tsy misy na iza na iza, anefa, nifanandrina tamin'ny ampihimamban'i Kremlin amin'ny resaka fitsikilovana ara-tafika mihoatra noho ny miaramilany, izay mirangorango fatratra resaka media sosialy tahaka ny tanora mitovy aminy any Rosia ihany. Na izany tamin'ny fandarohana mangingina lasibatra ao Okraina na fizorana miafina mankao amin'ilay firenena, tsy mahay mangina matetika ny vata-miaramilan'i Rosia, fa na mamoaka ny porofon'ny fidirana an-tsehatra tsy ara-dalàna na tsy mamoaka na inona na inona tampoka, mahatonga ny eritreritra hoe mety ho babo na maty an'ady izay.

Na dia misy aza ny fitsipika mandrara ny fitondrana fitaovana afaka idirana amin'ny aterineto, dia mbola maro ihany ny miaramila rosiana no mitondra izany, izay amoahany vaovao ao amin'ny kaonty Vkontakte, tambajotra sosialy an-tserasera malaza indrindra any Rosia. Tamin'ny faraparan'ny volana Jolay, taorian'ny fahatafintohinana voalohany nivoaka tao amin'ny Vkontakte, dia efa nisy mihitsy depiote ao amin'ny Duma iray nandrafitra ny fandrarana ny “selfies” [fakan'ny tena ny sarin'ny tena ihany] ao amin'ny tafika.

Tamin'ny faran'ny herinandro teo, nahita antony vaovao hihomehezana momba ireo miaramila mampiasa ny Harato (web) indray ny RuNet: saripikan'ny finday am-polony mifantsika (eo amin'ny efijeriny) eo amin'ny tabilao (fafana) hazo iray. Ny lohatenin'ny sary dia “Indray Andro tao Amin'ny Tafika,” nivoaka tao amin'ny kaonty Vkontatke an'i Aleksandr Kupin, miaramila 19 taona avy ao St. Petersburg. Zara raha nahazo “tiako” 19 ny sarin'i Kupin tamin'ny namoahany azy tao amin'ny Vkontakte, saingy i Ruslan Leviev, Rosiana blaogera liberaly manohitra ny fidiran'i Moskoa [amin'ny ady] ao Okraina, no nitondra azy ho hita bebe kokoa tao amin'ny Twitter:

Toa hita nanapa-kevitra handray fepetra vitsivitsy ny Minisiteran'ny Fiarovana Rosiana. 🙂

Nilaza tamin'ny RuNet Echo kosa i Kupin fa tsy izy no naka ny sary. “Hanihany iny, mazava ho azy, fa tsy misy na iza na iza [ao amin'ny Tafika] manan-jò hamaky na hanimba ny fananan'ny zandry.” Nilaza ihany koa i Kupin fa tsy azy ny sary—nisy namany nandefa ny sary taminy, ary dia nampita azy fotsiny izy ho fihomehezana. “Aza dia manahy,” hoy ny fiangavian'i Kupin. “Lazao fa afa-po ny rehetra ao amin'ny tafika,” hoy izy tamin'ny farany, nanao fihetsika nampakatra ny ankihibeny.

Azo heverina fa milaza ny marina momba ny sary ihany i Kupin. Ao amin'ny sary manko dia efa azo lazaina fa efa lany andro daholo ireo finday mifantsika amin'ny tabilao, ary farafahakeliny ny sary dia efa nivoaka dimy andro mialoha tao amin'ny pinterest.com miaraka amin'ny soratra hoe “Na iza na iza manompo ao amin'ny tafika dia tratran'izao!” Ary kisendrasendra fa ny namoaka ity fampihomehezana ity dia vehivavy iray monina ao Kyiv antsoina hoe Tamara Gurzuff, blaogera iray mankahala Rosiana ao amin'ny Facebook sy Twitter.

Ny filazan'i Kupin indray fa tsy misy ao amin'ny miaramila rosiana mamefifefy ny firesahan'ny miaramila amin'ny tontolo ivelany dia tsy mifanaraka loatra amin'ireo hita hita kaonty hafa. Indrindra moara fa vao tapa-bolana lasa izay, dia nisy tatitra tao amin'ny Novaya Gazeta namoaka amin'ny antsipirihany ny fampidiran'ny vadiny sy ny reniny mangingina finday ao amin'ny entan'ny lehilahy, mba ahafahan'izy ireo mifampiresaka. “Mitondra ny findainy ry zareo—baiko izany—satria mety ahafahan'ny [Okrainiana] mamantatra ny vondro-tafiny amin'ny alalan'ny telefonina izany,” hoy ny filazan'ny vadin'ny vondrona miara-dia amin'ny tafika iray milaza ho naharavy vaovao tamin'ny vadiny tamin'ny tapaky ny volana aogositra.

Raha lazaina amin'ny fomba hafa izany dia mety ho tapitra hatreo ny andro [volamena] malazan'ny fahitan-javatra tampoka momba ny milina mpiady Rosiana ao amin'ny media sosialy. Mazava loatra fa mbola hisy ihany ny miaramila sasantsasany hiezaka ny hamoaka telefonina rehefa lasa ny fisavana tampoka. Mbola ankamantatra hoan'ny rehetra indray moa izay ho ataon'ireo vitsivitsy tsy fetsy amin'ny fakantsariny sy ny kitendriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.