Haka Rivotra? Ataovy Ampitiavan-Tanindrazana izany, Miaraka amin'ny Dika Mitovy amin'ny Booking.com Ao Rosia

A Russian summer resort in Sochi, 25 July 2013, by Maria Plotnikova. Demotix.

Toeram-pialantsasatra Rosiana mandritra ny fahavaratra any Sochi, 25 Jolay 2013, avy amin'i Maria Plotnikova. Demotix.

Mety hahita fomba vaovao hamandrihana hôtely fatoriana amin'ny alalan'ny aterineto ireo Rosiana. Tanatinà fanambarana farany vao haingana izay dia nilaza ny Masoivoho Federaly Rosiana misahana ny Fizahantany fa mikatsaka ny hamoaka tolotra nasionaly izy amin'ny taona manaraka, izay tafiditra anatin'ny tetikasany mikasika ny fampivoarana mandritra ny 16 taona manaraka. Lazaina fa hitovy amin'ilay vohikala malaza, Booking.com ilay tolotra. Araka ny voalazan'ireo tompon'andraikitra, entina hampiroboroboana ireo toeram-pialantsasatra sy fitaizana fahasalamana ao an-toerana — ireo antsoaina hoe “sanitariums” ao Rosia — no tena tanjona goavana amin'io tetikasa vaovao io.

Afaka hanome angon-drakitra ho an'ity tolotra vaovao ity ireo loharanom-baovaon'ny aterineto rejionaly (vohikala madinika ahitana loharanom-baovao momba ireo hôtely sy “spa” ao an-toerana), ary mifaninana mba hahazo ny fifanarahana hanamboatra ny endrik'ilay vohikala mbola tsy manana anarana ireo orinasam-panjakana sahala amin'ny Rostelekom sy Rostech.

Mba hampahomby io tetikasa io dia vola manodidina ny 50 tapitrisa dolara Amerikana eo no ilaina ao anatin'ny efa-taona manaraka, araka ny vinavinan'i Evgeny Shpilman izay talen'ny tetikasa ao amin'ny Ostrovok.ru, tolotra iray hafa fanaovana famandrihana ao Rosia. Miankina amin'ny traikefany manokana dia manao vinavina i Shpilman fa mety hahazo 10-25 isanjaton'ny sandam-bola isaky ny famandrihana fitsidihana ny governemanta, raha tafapetraka soa aman-tsara io vohikala vaovao io.

Anisan'ireo vohikala fanaovana famandrihana mahomby indrindra ny ny Ostrovok.ru ao Rosia, izay ahitana tolotra maro hafa malaza, sahala amin'ny Oktogo.ru, Hotels.ru, Agoda.ru, Hrs.com, ary mazava ho azy, Booking.com.

Tsara petrapetraka ny famandrihana hôtely amin'ny alalan'ny aterineto any Rosia, hany ka tsy misy mpandraharaha tsy miankina ho tafiditra moramora anatin'io sehatra io. Mety ho vitsy ihany, anefa, ireo olana hatrehan'ny governemanta satria hifantoka amin'ny seraseram-barotra ao an-toerana izy, izay manome alàlana azy hifantoka aminà vondron-tolotra voafantina kokoa.

Mety ho dingana voalohany fotsiny amin'ny fampitokanana ny resaka fizahantany any Rosia ny tolotra omen'ny governemanta momba ny famandrihana efitra anatinà hôtely. Tamin'ny Janoary, nitatitra ny media fa mieritreritra ny hamoaka ny rafitra famandrihana sy fivarotana tapakilanà zotra an'habakabaka azy manokana i Rosia ho an'ireo orinasa maro misahana ny sidina an'habakabaka ao aminy (tambajotra fantatra amin'ny anarana hoe Global Distribution System, na GDS). Niahotra ny hamaly ny antso mba hivadihana ho amin'ny GDS Rosiana ireo mpandraharaha, izay mety hanakorontana ireo môdely eo amin'ny tsenan'ny fisidinana hafa efa tsara petraka ao Rosia. 

Mitaratra fampanarahan-dalàna maromaro momba ny Aterineto ny ambadik'io firotsahan'ny governemanta amin'ny raharahan'ny fizahantany ao anaty aterineto io, izay mampitondra vesatra lehibe ihany koa ho an'ny indostria noho ny fandaniam-bola be mba hanarahany ny lalàna.

Manampy ireo ezaka misandrahaka ataon'i Rosia mba hiatrehana ny fisintahana lavidavitra kokoa amin'ny Tandrefana ny famoronana tolotra vaovao ho an'ny famandrihana hôtely sy tapakila amin'ny zotra an'habakabaka. Nanamarika ny Kremlin vao haingana izay fa mety hamorona rafitra fandoavam-bola vaovao ao amin'ny firenena izy, izay hanolo ny Visa sy ny MasterCard. Eo am-pitadiavana fomba hafa hanoloana ny rafitra SWIFT ihany koa ny Banky Foibe, izay manome alàlana ireo banky handefa sy handray loharanom-baovao momba ireo fifanakalozana. Ny volana Mey, namorona fitaovam-pitadiavana angon-drakitra nasionaly vaovao antsoina hoe Sputnik ny orinasam-panjakana Rostelecom, izay haingana dia nivadika ho hanihany tao amin'ny RuNet. 

Lasa antso mafy any Môskoa ny hoe “Tsy Eorôpa i Rosia”, koa satria nampangatsiaka ny fifandraisan'i Rosia tamin'ny firenena Tandrefana ny fifandirana ao Okraina. Raha toa ka mitodika amin'ny tenany irery sy amin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy any Antsinanana sy any Amerika Latina i Rosia, dia nitady hevitra nasionaly hafa ny firenena hanoloana ireo entana sy tolotra izay mazàna tantanan'ireo Tandrefana. Anatin'ny zotrany, miatrika ireo loza ateraky ny fanapahana haingana loatra io fiankinana io i Rosia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.