Donetsk : Nalain'ireo Mpiady Anaty Akata Ao Donetsk An-Keriny Ilay Okrainiana Mpanakanto Mpiady Anaty Akata Sahy Naneso Azy Ireo.

This is Sergey Zakharov's latest artwork critical of DNR and its former commander Strelkov. Image from Facebook.

Ity no sangan'asa faran'i Sergey Zakharov, mitsikera ny DNR sy i Strelkov lehibeny taloha. Sary tao amin'ny Facebook.

Nilaozan'ny vintana ilay Okrainiana mpanakanto nametraka miafina ireny sary vongana kely maneso ireo mpiady anaty akata mitaky fizakantena any amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Donetsk ireny, nanerana ny tanàna bodoina any Donetsk ireny – efa ho herinandro mahery izay no nakàn'ireo mpikomy azy an-keriny ary tsy mbola hita hatramin'izao.

Nanomboka nanao ireny sary vongana kely maneso ny Repoblika Entim-bahoakan'i Donetsk izay nanambara tena tamin'ny volana Jolay ireny i Sergey Zakharov, ary  vetivety foana dia hita teny an-dàlam-ben'ny tanàna ny sary voalohan'ireo mpampisara-bazana vita amin'ny vovonkazo naraikitra tamin'ny dinty, manao fanamiana miaramila sy misarinà mpampihomehy. Nanintona avy hatrany ireny sary fanesoana miraikitra amin'ny fefy na ny rindrina ireny ka nanomboka hita tany niparitaka tany amin'ny tambajotra sosialy ny sarin'izy ireny.

Feno ny sarin'ireo mpampihorohoro miendrika maty, mpampihomehy ary Sharikovs any Donetsk voabodo.

Sergii Mazurkevych, ilay mpanoratra sady mpanakanto mpiara-dia izay nasain'i Zakharov hanatevin-daharana ny fikambanan'ireo mpanakanto vao misandratra najorony, nomeny anarana hoe Murzika (nalaina tamin'ilay mpandray anjara noforonina tao amin'ny gazetiboky ho an'ny ankizy) dia niteny fa indraindray ny asan'ireo namany dia hetsika noho ny ady misy any atsinanan'i Okraina. 

Сергей реагировал на сбитый “Боинг”, а потом появился портрет Стрелкова-Гиркина, который приставляет пистолет к виску. Он был прикреплен к стене кинотеатра “Комсомолец” в центре Донецка. Эта инсталляция провисела, наверное, часа два и сразу попала в интернет. Я даже у некоторых людей видел такие аватарки. Последняя работа – 30 июля.

Nisy hetsika nataon'i Sergey momba ilay Boeing voazaran'ny tifitra, ary avy eo dia nanao ity sarin'i Strelkov-Girkin manondro basy ny lohany ity.  Napetrany teo amin'ny rindrin'ny trano fijerena sarimihetsika “Komsomolets” ao afovoan-tanàn'i Donetsk io. Angamba tokony ho ora roa teo ho eo no nihantonan'io sary io teo dia nanomboka niparitaka tamin'ny aterineto ilay izy. Nahita olona maromaro nanova endrika io sary io aza aho. Io no sary farany nataony [ talohan'ny nisamborana azy]- tamin'ny 30 Jolay.  .

Zakharov himself, attaching a new artwork to a fence in Donetsk. Image from Facebook.

Zakharov, izy tenany mihitsy no mametaka ny sary iray vaovao tamin'ny fefy iray tao Donetsk. Sary tao amin'ny Facebook.

Ahitana ireo sarinà mpampihomehy tsy fantatra anarana miaraka aminà basy lava, karandoha mivanitika ao anaty akanjonà miaramila miaraka amin'ny sainan'ny DNR ary olona hafa ireo sanganasa sasan'i Zakharov miresaka lohahevitra fikomiana. Iray amin'ireo asany malaza indrindra ny sarim-pianakavian'ny iray amin'ireo lehibe mpibaiko ny mpikomy, antsoina hoe Motorola ( malaza amin'ny hafohiny, ary nataon'i Zakharov ho toy ny Biby) sy ilay vehivavy vaovao, lavabe lavitra noho izy— nahantona tamin'ny fefy teo ivelan'ny birao fanoratam-panambadiana ity iray aty ary dia nalaza be tamin'ny aterineto ihany koa. 

Mbola manohy miady amin'ny asa fampihorohoroana amin'ny fampiasana ny kantony ireo mpanakanto any Donetsk.

Tsikaritr'ireo mpikomy ihany koa ny asan'ilay mpiady anaty akata ary tsy nahafaly azy ireo. Lazain'i Mazurkevych fa nisy nijirika ny tranonkalan'ny taokato iraisan'izy ireo ary indroa nofafàna tamin'ny fiandohan'ny volana Aogositra, mbola tsy misokatra hatramin'izao na dia miasa aza ny pejy Facebook-n-dry zareo. Avy eo, ny alin'ny 6 Aogositra, tao amin'ny toeram-piasany i Zakharov tamin'ny fotoana nahatongavan'ny lehilahy efatra mitàm-piadiana sy sivily iray. Nentin'ireo tany amin'ny foiben'ny Tranoben'ny Sampan-draharaha misahana ny Fandriampahalemana any Donetsk ( iray amin'ireo toerana tsara aron'ny DNR) niaraka tamin'ny solosainany sy ny modelin-tsariny izy, hoy ilay mpifanolo-bodirindrina aminy. Efa ho herinandro mahery izay no tsy nahitàna azy. Tsy mazava ny antony hanadihadiana sy hanarahan'ny mpikomy maso azy hoy ny namany satria ny hany helony dia ny ” fampisehoana ny asany manerana ny làlamben'i afovoan-tanànan'i Donetsk, izay heverina ho toy ny tsy fanarahana ny lalànan'ny fitantanana. Tsy misy antony hitànana azy am-ponja raha ny marina.” 

Nanao famoriana olona hitakiana ny famotsorana azy ireo mpiara-miasa amin'i Zakharov : nisy vondrona mpanakanto Rosiana nanangana sary nitovy tamin'ilay nataon'i Zakharov tao amin'ny kianja iray ao Saint Petersburg ho fanoherana ny fakàna azy an-keriny. Nilaza io vondrona io fa nahatsapa ho  manan-jo haneho hevitra satria ny governemantan-dry zareo no nanao “politika mihetraketraka sy mitsabatsabaka izay tsy hisy mihitsy olona, na iza na iza, mpandala fandriam-pahalemana, hanohana izany” 

An installation in Zakharov's honour put up by Russian artists in Saint Petersburg. Sign reads:

Sary iray natsangan'ireo mpanakanto Rosiana any Saint Petersbourg ho fanomezam-boninahitra an'i Zakharov.” Fahafahana ho an'ny Murzilkas !” no vakin'ilay soratra. Sary tao amin'ny Facebook.

Adihadian'ireo mpisera amin'ny Facebook ny sarin'ilay sary najoro, toa an'i i Sergey Storchuk izay nilaza fa tena sahy i Zakharov sy ireo mpiara-miasa aminy nampiseho ny asany ampahibemaso :

Мурзилки герои! Это надо иметь стальные яйца и большой талант чтобы в оккупированном городе так творчески тролить рашистских-оккупантов! Ждем освобождения, держу кулаки, пусть вернуться живыми и здоровыми.

Mahery fo ny Murzilkas ! tsy maintsy màzan-doha sy manana fahaiza-manao goavana vao afaka manindry ireo mpibodo Rashist ao anatinà tanàna atao fahirano ireo! Miandry ny fahafahanao amim-pilaminana izahay, tongava soa ary veloma aina soa aman-tsara.

Another of Sergey Zakharov's creations on a wall in Donetsk. Hopefully we'll be seeing more of his art soon. Image from Facebook.

Sangan'asan'i Zakharov iray hafa mihantona amin'ny rindrina any Donetsk. Antenaina fa tsy ho ela dia hahita bebe kokoa amin'ny taokantony isika. Sary tao amin'ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.