Mpanao Fihetsiketsehana Any Pakistana: Miala Ny Praiminisitra Vao Miala Izy Ireo

Women and Children are seen at large numbers as protestors made the Liberty Roundabout an 'independence square' in Lahore and rallied late into the night. Image by Saad Safraz Sheikh. Copyright Demotix (28/8/2014)

Hita marobe ireo zaza amam-behivavy raha navadik'ireo mpanao fihetsiketsehana ho “Kianjan'ny Fahaloevantena” ny Toeram-pihodinana (rond-point) Liberty tao Lahore, ka nifamory teo hatramin'ny alimbe. Sary avy tamin'i Saad Safraz Sheikh. Fizakàmanana Demotix (28/8/2014)

Niteraka farafahakeliny olona maty telo ary naratra an-jatony ireo telo andro nifandonan'ny PML-N an'ny governemanta ao Pakistana, sy ireo mpanao hetsi-panoherana manohitra ny governemanta teo ivelan'ny trano fonenan'ny praiminisitra Nawaz Sharif.

Ny 01 Septambra, niriotra tampoka ary naka ny foiben-toeran'ny televiziôna nasiônaly “Pakistan Television (PTV)” (Televiziôna Pakistana) tao an-tanànan'i Islamabad renivohitra ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta. Niato nandritra ny 35 minitra ny fampitàna ny PTV, mandra-pahazon'ireo andianà mpiambina ivelan'ny tafi-panjakana ny fifehezana ilay fantsom-panjakana. Fotoana fohy taloha kelin'ny nahatapahan'ny fampitàna, nilaza izao ilay mpanolotra, “Niriotra tampoka izy ireo naka ny biraon'ny PTV. Voadaroka izao ireo mpiasan'ny PTV manao ny asany.”

Antoko politika roa no mitarika ny hetsi-panoherana – ny Pakistan Tehrik-e-Insaaf (PTI) an'ilay mpilalao cricket lasa mpanao politika Imran Khan, ary ny Pakistan Awami Tehreek (PAT) an'i Tahir-ul-Qadri, Sofi mpitondra fivavahana manohitra ny Talibàna . Samy milaza izy roa ireo fa nisy hosoka ilay fifidianana solombavambahoaka natao ny volana May 2013, izay nitondra ny PML-N teo amin'ny fitondrana tamin'ny fandresena miezinezina; mila ny Praiminisitra mametra-pialana izy ireo.

Nanomboka ny ora voalohandohan'ny 30 Aogositra ireo fifandonana, taorian'ny nampiasàn'ireo mpitandro filaminana mpandrava korontana ny entona mandatsa-dranomaso sy bala fingotra mba hiadiana amin'ireo vahoaka marobe mpanao fihetsiketsehana – lehilahy, vehivavy ary ankizy – miezaka ny haka an-keriny ny sekretariàn'ny Praiminisitra.

 Mbola mifandona hatrany ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpanao fihetsiketsehana, eo amin'ny Làlamben'ny Lalam-panorenana http://t.co/jnG3SYSWb7 pic.twitter.com/IcRwD41huk

Lasa niova ho tontolon'ny tanin'ady ny sary mivoaka avy any Islamabad, izay nisy mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana an'aliny, nitokona tamim-pilaminana nanomboka ny 14 Aogositra, nitaky ny fametraham-pialan'i Nawaz Sharif, Praminisitra.

Ny 18 Aogositra, niditra tao amin’ny faritra mena ireo mpanohana ny PTI an'i Khan sy ny PAT an'i Tahirul Qadri – faritra izay lazaina ho arovana mafy – izay misy ireo tranobe manan-danja eo amin'ny governemanta, anatin'izany ny sekretariàn'ny Praiminisitra sy ireo masoivoho vahiny. Raha ny mahazatra, ireo olona manana fahafahana avy amin'ny fiarovana ihany no afaka miditra amin'ny faritra mena ao Islamabad. Miisa roa alina ireo mpitandro filaminana  sy hery ivelan'ny tafika no nantsoina hiaro ilay faritra mena. Nakatona daholo ny ankamaroan'ireo iraka vahiny rehetra hatry ny nanombohan'ny herisetra.

Nanamafy ny Pakistan Tehrik-e-Insaaf fa nisy fampiasàna bala tena izy ary mihoatra ny telo ny isan'ny olona maty.

 Porofo maro mampiseho fa nampiasa bala tena izy ny governemanta hamelezana ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana. #AzadiSquare pic.twitter.com/CaFiLk8Sl2

Nizara sarinà lehilahy nihoson-drà ny Twitter an'ny filohan'ny PTI, Hamza Salman.

 #PunjabPoliceMurdabad Tratry ny hery famoretana mahery setra ireo mpanao hetsi-panoherana manohitra ny governemanta any #Pakistana | http://t.co/0SbcAkwoMA … pic.twitter.com/fs0BNw7NYe

Nilaza i Dr. Arif Alvi, Sekretera Jeneraly fahinin'ny PTI, fa nilamina tsara ireo mpanao fihetsiketsehana ary tsy kibay fikapohana na hazo izy ireo.

Nanandrana namotika fihetsiketsehana am-pilaminana ny PMLN, fa nijanona nilamina ihany izahay. Nanipy biriky ho fanoherana ireo bala, ary hitohy foana ny fandefasana entona mandatsa-dranomaso

Nizara sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana miaraka amin'ny hazo i Raza Rumi, mpandalina ny resaka politika:

Ha ha ha @AslamChandio_: @Razarumi Mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana pic.twitter.com/jD9xPoIogk

Mitovy amin'ny fandrobàna am-pilaminana ny tranon'ny hafa ihany ny fanafihana am-pilaminana ny tranon'ny praiminisitra: Asma Jahangir

Nandefa hafatra fohy i Natalia Tariq, olom-pirenena tsotra any Islamabad:

Tany amin'ny toeram-pivarotana Aabpara, notafihan'ireo vahoaka maro mpanao fihetsketsehana, izay mitazona hazo sy vato ary nanao fahirano ireo mpivarotra sy mpitandro filaminana, ny mpamiliko #PAT #PTI 

Nitatitra ny vaovaon'ny ARY, iray amin'ireo fantsom-pahitalavitra lehibe indrindra ao amin'ny firenena, fa nanao bemidina ary nisava tany amin'ny hôpitaly mba hisambotra ireo mpanao fihetsiketsehana naratra ireo mpitandro ny filaminana, fa tsy nisy loharanom-baovao afaka nanamarinana izany filazàny izany moa:

Nanao bemidina tao amin'ny PIMS ireo polisin'i Punjab ary nisambotra olona naratra ~ ARY. Pakistana ho an'ny Demôkrasia Marina. #IslamabadMassacre pic.twitter.com/AY6Fwc1D2V

Mivezivezy any amin'ny media sosialy rehetra any ny siosion-dresaka sy ny mety hisian'ny tsikombakomba amin'ny isan'ireo olona maty. Misy hafatra maro nalefa tamin'ny alalan'ny WhatsApp sy Facebook, avy tamin'ny kaonty sandoka tsy fantatra, mizara tatitra avy amin'ny media mamporisika hanao herisetra ary milaza fa manafina fatin'olona ny Ivon-toerana Pakistane Siansan'ny Fitsaboana (Pakistan Institute of Medical Sciences) (PIMS), ary maro be ireo olona maty:

Tehirizina any amin'ny tsy hitan'ny maso ay amin'ireo hôpitaly ny fatin'olona. Tsy misy velively ny hoe bala fingotra no ampiasain-dry zareo dia handratra olona 400.

Nibitsika toy izao ny mpanao gazety, Moeed Pirzada:

#Vao avy tany amin'ny PIMS mihitsy aho; maherin'ny 300 ny isan'ireo naratra; tratran'ny tsindry aloka ireo hôpitaly mba hanafina ny isan'ny maty sy ny naratra; eny an-dàlantsaran'ny hôpitaly ireo Mpitandro filaminana mpandrava korontana# 

Misy ihany koa ireo sary hosoka nozarain'ny mpandrindra ofisialin'ny PTI, ary ankehitriny hita any amin'ireo media sosialy rehetra. Nibitsika i Emrys Schoemaker, Britanika manam-pahaizana amin'ny tetikady amin'ny serasera sy ny teknolojia, mipetraka ao Islamabad hoe:

Sarinà ankizy novonoina, nalain'ny PTI avy tamin'ny fandrakofana ny tolom-piavotan'i Ejipta, sary avy tamin'ny famonoana tany Lahore no niaingàny : pic.twitter.com/uqi7B8t5Nj

Fanafihana ny media:

Nitora-bato ny biraon'ny TV Geo any Islamabad ireo mpanao fihetsiketsehana feno hatezerana. Vondrona mpanao gazety lehibe indrindra any Pakistana ny Tambajotra Geo, ary raisina ho mpomba ny governemanta sady mpiaro ny demôkrasia. Vao haingana no niatrika fanakatonana ary fandoavana sazy ny Geo, taorian'ny fifandirana tamin'ny sampam-pitsikilovana ISI.

Manafka ny Biraon'ny Geo News Islamabad ireo mpiasan'ny PTIavy tamin'ny GeoNews

Nandefa ny sarin'ny tranoben'ny Geo i Maria Memon, mpilaza vaovao ao amin'ny televiziôna any Islamabad:

Arahaba ry asa ! samy Gullu Butts (mpamaky fiara avy any Pakistana no niandohan'ny fomba fiteny) daholo izy ireo androany #PAT #PTI pic.twitter.com/rfB8sELH9p 

[Naotin'ny mpanoratra: fomba fiteny malaza any Pakistana ny Gullu Butt, entina ilazàna olona nokaramaina hanao hetsika fanapotehana sy/na herisetra, indrindra eo amin'ny lafiny pôlitika.]

Journalists of Larkana & Naundero took out separate protest rallies & held demonstrations against beating of Media Persons in Islamabad by Punjab police during crackdown on PTI and PAT political workers. Image by Jamal Dawoodpoto. Copyright Demotix (31/8/2014)

Nanao fifamoriana ho hetsi-panoherana mitokana, ary nikarakara fihetsiketsehana ireo mpanao gazetin'ny Larkana & Naundero, manohitra ny fidarohan'ireo mpitandro filaminan'i Punjab ireo mpanangom-baovao any Islamabad, nandritra ny fampiasana hery famoretana tamin'ireo mpiasa pôlitikan'ny PTI sy PAT. Sary avy tamin'i Jamal Dawoodpoto. Fizakàmanana Demotix (31/8/2014)

Tanaty tranga hafa, notafihin'ireo mpitandro filaminana ireo mpanao gazety izay nandeha hanao tatitra mikasika ilay hetsi-panoherana.

Nibitsika izao i Talat Hussain, mpanao gazety ary lehiben'ny fandaharana ao amin'ny AAJ :

Nivaona tanteraka ny governemanta. Helohin'ny lalàna ny fampiasan-kery amin'ny mpanao gazety. Amin'ny lafiny pôlitika, efa famonoan-tena izany 

Araka ireo tatitra, notafihan'ireo mpanao fihetsiketsehana niaraka tamin'ny hazo ihany koa ireo mpitandro ny filaminana.

Nidaroka mpitandro flaminana mpandrava korontana tao Islamabad ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta Pakistane,  http://t.co/nl7tUvi03u Sary avy tamin'i Aamir Qureshi pic.twitter.com/V49ifWAw03

Resaka famakafakana io. Jereo ito sehatra ito mba hahazoanao andinindininy bebe kokoa ary ireo tatitra fanavaozana.
 Nandray anjara tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i Anushe Noor Fahim.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.