Sopapa Omen'ny Palestiniana Amin'ny Mponin'i Ferguson Ho Fanoherana Ny Baomba Mandatsa-dranomaso

Photos tweeted by Missouri based journalist @CassFM "Police fire tear gas near Al Jazeera crew, then disassemble the gear after they flee. #Ferguson"

Sary nalefan'ilay mpanoratra gazety monina ao Missouri, @CassFM tamin'ny sioka “Mitifitra baomba mandatsa-dranomaso eo akaikin'ny ekipan'ny Al Jazeera ny polisy, ary nanatsoaka ireo fitaovana taorian'ny fitsoahan'izy ireo. #Ferguson”

Niteraka fitroarana andro maromaro tao amin'ny tanàna kely manodidina an'i Saint-Louis ahitana ireo polisim-paritra manao fitafiana miaramila misahana ny rotaka mba “hampandry fahalemana” ireo mpanao fihetsiketsehana ny fitifiran'ilay manampahefana iray tsy nolazaina anarana an'i Michael Brown, tanora Afrikana-Amerikana 18 taona tao Ferguson (Missouri).

Niraraka tao anatin'izay andro vitsivitsy izay ny tatitra fihoara-pefy ataon'ny polisy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpanao gazety ao fanjakana iray Missouri ao Afovoan'i Etazonia ity. Saiky mainty avokoa ny 70 %-n'ny  mponin'i Ferguson, ary fotsy avokoa ny mpitandro ny filaminana ao amin'ny faritra. Nilaza ireo mpikatroka zon'olombelona fa lasibatra sy ampangain'ireo mpitandro ny filaminana ho jiolahimboto ireo Amerikana hafa loko, indrindra ny tovolahy mainty hoditra. 

Raha nitatitra ny tao amin'ny media sosialy fa nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy bala fingotra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny polisin'i Ferguson, namaly avy hatrany ny Palestiniana tamin'ny fanomezana sosokevitra amin'ny tokony atao manoloana izany, nilaza ny zava-niainany amin'ny fibodoan'i Israely.

Nampatsiahy ireo mpanao fihetsiketsehana ao Ferguson i Mariam Barghouti Palestiniana mpikatroka sy mpianatra ao amin'ny oniversiten'i BirZeit fa mandalo ihany ny fangirifiriana. Nisioka mikasika ny fanalefahana ny fanaintainana rehefa tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso ihany koa izy :

Firaisankina miaraka amin'i #Ferguson. Tsarovy fa tsy tokony hikasika na hanisy rano amin'ny tarehinao ianao rehefa tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso. Fa ronono na coca ampiasaina!

Ataovy hatrany izay hihazakazahana manohi-drivotra / mba hilamina rehefa tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso, mandalo ihany ny fanaintainana, aza mikoso-maso. Firaisankina miaraka amin'i #Ferguson.

Tadidiko fa rehefa tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso aho, zatra mampatsiahy ny tenako aho fa mandalo ihany ity fanaintainana ity mba tsy handavo ahy. Manampy izany! #Palestine #Ferguson

Rajai Abu Khalil, Palestiniana dokotera sy mpiara-manorina ny “Mpitsabo hoan'i Palestina” nisioka hoe :

Ry namana #Ferguson. Efa nandraman'i Israely taminay voalohany ny baomba mandatsa-dranomaso ampiasaina aminareo. Aza manahy, Mahereza. Am-pitiavana, #Palestine

Aza mifanalavitra be loatra amin'ny polisy, raha eo akaikin'izy ireo ianao, tsy afaka mitifitra baomba mandatsa-dranomaso izy ireo. Hoan'i  #Ferguson avy amin'i #Palestine

Matetika ireo nampahoriana ihany no manampy ny ampahoriana. Na aiza na aiza manerantany. #Palestine miaraka amin'i #Ferguson

Mpanolotra fandaharana ao amin'ny Al-Jazeera iray antsoina hoe Wajahat Ali mahita ny firaisankinan'i Palestiniana ho porofo fa ratsy ny toe-raharaha ao Ferguson.

Fantatrao, ratsy ny toe-draharaha raha miombona alahelo miaraka aminareo sy mahita fitoviana amin'izany ny mponin'i #Gaza

Mahasanganehana tokoa ny fifandraisana amin'i Palestina. Trita Parsi, Iraniana-Amerikana mpikatroka sy mpanoratra, sady filohan'ny Filankevi-pirenena Iraniana-Amerikana nizara ny fanambarana navoakan'ny Lehiben'ny polisin'i Ferguson hoe efa niofana momba ny “fisorohana ny fanafihana mampihorohoro” tao Israely izy [lehiben'ny polisy].

Manontany ny anton'ny herisetra tafahoatra ataon'ny polisy ianao? Ity antony iray : efa nanaraka fiofanana tao Israely ny lehiben'ny polisy ao  #Ferguson

Tsy nandalo fotsiny ny firaisankinan'ny Palestiniana amin'ny vahoakan'i Ferguson. Nisioka sary roa mampiseho ny fitoviana eo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Gaza sy Ferguson ilay Amerikana mpikatroka Twitter ‘Faithful Black Man’. Naneho hafaliana izy avy eo raha nahare ny vahoakan'i Ferguson miventso hoe “Afaho i Gaza”.

Ferguson sy Gaza pic.twitter.com/VyoOMH6jtH

Mahatalanjona ny mahita an'i Gaza misioka hoan'ny mponin'i Ferguson mikasika ny fomba hanakanana ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny vahoakan'i Ferguson miventso hoe “Afaho i Gaza”

Mpanoratra gazety monina ao Palestina Dalia Hatuqa, nisioka lahatsary misy ireo mpanohana an'i Ferguson mihiaka hoe “Andeha hitifitra anay ve ianareo? Gaza angaha aty?” :

Mitabataba amin'ireo polisy ny mpanao fihetsiketsehana ao #Ferguson, “Hitifitra anay ianareo? Any Gaza angaha izahay?  http://http://t.co/xeSxege6rU (tao amin'ny @mattdpearce)

Tsara marihintsika fa maro amin'ireo sary voalaza fa mampiseho ny mponin'i Gaza mamerina manipy baomba mandatsa-dranomaso any amin'ny polisy sy ny tafiky ny fibodoana no nalaina avy tao Morondrano-Andrefana. Araka ny fanamarihan'ny mpampita-vaovaon'ny Al Jazeera Mohammad Alsaafin, fa ny baomba mandatsa-dranomaso olana bitika indrindra hoan'ny mponin'i Gaza  :

Misalasala aho hoe ny olona ao Gaza no misioka hoan'i Ferguson hanoherana ny baomba mandatsa-dranomaso. Angamba kosa ao Morondrano-Andrefana kokoa no izy. Toro-hevitra amin'ny F16 sy ny basy aman-tafondro no azon'ny mponin'i Gaza omena anao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.