Manipur : Notifirin'ny Mpitandro Filaminana Indiana Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Am-pilaminana

Protests in Ukhrul on August 30, 2014 defying govt ban on rallies and sit-ins. Image courtesy Facebook page of

Hetsi-panoherana tany Ukhrul ny 30 Aogositra 2014, mihantsy ny fameran'ny governemanta tsy hahazo mifamory sy mitokona. Sary azo maimaimpoana avy tamin'ny pejy Facebook-n'ny Hetsi-panoherana ny Famoaharana ny lalàna Andianiny faha 144 Crpc tany Ukhrul.

Ny Sabotsy 30 Aogositra 2014, farafahakeliny olona roa no maty voatifitra ary maherin'ny 10 no naratra, taorian'ny nitifiran'ny Hery Fiarovana ireo mpanao fihetsiketsehana tany ‪‎Ukhrul, distrika any amin'ny 85 kilômetatra miala ny renivohitry ny firenena Indiana Manipur.

Efa tamin'ny antsasaky ny volana Jolay no niantomboka io fisavorovoroana ankehitriny any Ukhrul io, raha nisy olona tsy fantatra nitifitra ary namono an'i Ngalangzar Malue, mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny Distrika Mizakatena ao an-toerana. Tsy nisy nilaza ho tomponandraikitry ny famonoana.

Ny 13 Jolay, nandefa Kômandô, mpitandro filaminana niofana manokana momba ny ady avy ao Manipur (MPC) ary andiana miaramila fiandry Indiana  (IRB) an-jatony tany Ukhrul ny governemantan'i Manipur, izay nisamboran'ireo mpitandro filaminana olona ambony miisa valo tao amin'ny vondrona mpisintaka Naga, ny Filankevitra Nasionaly Sosialista ao Naga (NSCN-IM). Nandidy ny hampiharana “ny Andianiny faha 144 amin'ny Fehezan-dalàna momba ny Fepetra amin'ny Heloka bevava (CrPC) ny taona 1973″ ihany koa ny governemanta, izay manome fahafahana ny mpitsara mpamoaka didy handràra fivorianà olona mihoatra ny folo amin'ny toerana iray. Efa napetraka ny taona 1997 ny “fampitsahàrana fifampitifirana” eo amin'ny Governemanta sy ny Filankevitra Nasionaly Sosialista ao Naga (NSCN-IM), hatramin'ity lohataona ity.

Araka ny Hetsiky ny Vahoaka Naga miaro ny Zon'Olombelona (NPMHR), nampihantona ny fahalalahan'ny hetsiky ny vahoaka ao anatiny ary manodidina ny Foiben'ny Distrikan'i Ukhrul, mamotika ny orinasa eo an-toerana ary miditra amin'ny fiainana andavanandro, ny fampiharana io Andianiny faha 144 io. Nanohitra ny fampihàrana ilay Andianiny faha 144 ny mponin'i Ukhrul, izay matetika manao fihetsiketsehana am-pilaminana. Afaka hitanao ato ny fandaharam-potoan'ireo famoriam-bahoaka.

Ao amin'ny pejy Facebook natokana ho an'io, nofakafakain'ireo mpikatroka mafana fo ireo fihetsiketsehana hatrany amin'ny tapaky ny volana Aogositra.

Protests to stop militarisation at Ukhrul. Image courtesy the Facebook page of the protest against Section 144

Hetsi-panoherana mba hitsaharan'ny fitantanan'ny miaramila ao Ukhrul. Sary azo maimaimpoana avy tamin'ny pejy Facebook-n'ny hetsi-panoherana ny Famoahana ny lalàna Andianiny faha 144 Crpc tany Ukhrul.

Ny 11 Aogositra 2014, nanatsahatra fitokonana nokarakaraina tany aminà toerana maherin'ny 20 manerana an'i Ukhrul ny mpitandro filaminana.

Protesters met with resistance by security forces.

Nifanehatra tamin'ny fanoherann'ny mpitandro filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana. Sary azo maimaimpoana avy tamin'ny pejy Facebook-n'ny Hetsi-panoherana ny Famoahana ny lalàna Andianiny faha 144 Crpc tany Ukhrul.

Nanjohy ny hetsi-panoherana tany akaikin'i Manipur Bhavan ao Delhi koa ny mpianatra Naga efa ho maherinn'ny dimanjato isa ao amin'ny renivohitr'i India, ary nanao hiaka faneva tahaka izao “Miverena àny ny IRBs sy ireo Kômandô” ary “Foano ny 144 CrPC”. Nilaza izao tamin'ny mpanao gazety i Phungshok Khonreiwoshi, filohan'ny Fikambanan'ny Mpianatra Tangkhul, Delhi :

Tena tsy azo ekena mihitsy ny hetraketraka mitohytsy mtsahatra ataon'ny Governemanta amin'ireo foko aty an-tendrombohitra, ary ny halemena tsy misy farany amin'ny fepetran'ny lalam-panorenana hiantohana ireo mponin'ny tendrombohitra. Tsy misy dikany afa-tsy ny misoroka ny zon'ireo mponina an-tendrombohitra, ary indrindra ny zon'ny Naga hampiasa  malalaka ny lalàna ara-pomba, ny fananana ireo tany ary ny fahaleovantenan'ny olom-pirenena ny fanandrakandraman'ny governemanta.

Voadaroky ny mpitandro filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana sasany tany Delhi ny 17 Aogositra 2014.

 Mpanao fihetsiketsehana eo ivelan'ny Manipur Bhavan, voadaroky ny pòolisy mpampihatra ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina tao #Ukhrul (Manipur) nandritra ny 34 andro, nampiharana ny CrPC andianiny faha 144 http://t.co/enBPUFJ8iY

Nanao fanambaràna ny Filankevitra Mitambatra ao Naga, fikambanana fampivondronana ireo Naga any Manipur, fa hisy famoriana olona maro be hatao ny 30 Aogositra any amin'ny foiben'ny distrikan'ireo tanàna efatra voatsindry ao Naga, any Tamenglong, Senapati, Ukhrul ary Chandel any Manipur. Ny fangatahana voalohan'ireo mpanao hetsi-panoherana dia ny hanafainganan'ny governemanta nasionaly ny fitadiavana vahaolana hisian'ny fifanarahana azo ekena sy mendrika mikasika ny resaka Indo-Naga, sy ny hanafainganana ny fizorana ho amin'ny filaminana. Toherin'ireo famoriam-bahoaka ihany koa ilay lazaina ho fitantanan'ny miaramila ny distrikan'i Ukhrul, izay hita miharihary fa manosihosy ny fifanarahana fitsaharan'ny fifampitifirana Indo-Naga. Ny harivan'ny 29 Aogositra, nametraka fitaovana fanamafisam-peo tany amin'ny faritra rehetra ny governemantan'ny distrika ao an-toerana, nampilaza fa tsy hisy famoriam-bahoaka homen'ireo mpitandro filaminana alàlana na iray aza satria efa ampiharina ao amin'ny faritra ny lalàna Andianiny faha 144. Niaraka amin'ireo mpanao fihetsiketsehana efa vonona ho amin'ny hetsika ny ampitson'io, indrisy fa tsy azo nialàna ny fifandonana ny 30 Aogositra.

Naga people protesting on August 30, 2014. Image courtesy Facebook page of

Vahoaka Naga nanao hetsi-panoherana ny 30 Aogositra 2014. Sary azo maimaimpoana avy tamin'ny pejy Facebook-n'ny Hetsi-panoherana ny Famoahana ny lalàna Andininy faha 144 Crpc tany Ukhrul.

Ny ampitso, Sabotsy 30 Aogositra , vahoaka Naga an'arivony avy amin'ireo tanàna manodidina no tonga tany amin'ny tanànan'i Ukhrul mba hanohana ilay famoriam-bahoaka nanomboka tamin'ny 11 ora maraina nankahatra ilay fandraràna. Teo amin'ny manodidina ny 2:20 tolakandro, namaky ny fefy nataon'ny mpitandro filaminana ireo mpanao hetsi-panoherana ary nivory teo akaikin'ila toerana mba hamaky ny naoty izay hatolotra ny Praiminisitr'i India. Kelikely teo, vaky ny korontana ary notifitirin'ny  Kômandôm-panjakan'i Manipur sy ny andiana miaramila fiandry Indiana  (IRB) ireo mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana nanoloana ny foiben'ny distrikan'i Ukhrul, nahafatesana olona roa ary naharatràna maro. Voamarina ireo maty fa i Ramkashing Vashi (26 taona) sy i R. Mayopam (31 taona). Nandefa ny sarin'ireo fihetsiketsehana sy ireo tra-doza tety amin'ny Aterineto ireo mpampiasa Facebook. Nizara sary mbola betsaka kokoa mikasika toerana nitrangam-paharavàna tany Ukhrul i  Kahorpam Horam. (Tandremo: rohy misy sary maherisetra.) 

Nanazava ilay fifampitifirana araka ny nisehoany ireo mpampiasa Twitter, Philachui Sareo sy Binalakshmi Nepram :

Maratra tsaboina taorian'ny tifitra nataon'ireo Kômandô-n'ny Polisy sy ny Miaramila Fiandry Indiana  tamin'ireo mpanao Hetsi-panoherana, nahafatesana 3 #Manipur  pic.twitter.com/FR5x3EWvUR 

Maty ireo tsy manan-tsiny #Ukhrul pic.twitter.com/Hxehpa1XAY 

Tsy maintsy atsahatra ny fampiasana ny resaka tafika amin'ny demôkrasian'i #India.Tsy izao no novisavisain'ireo mpamorona ny firenena. #RepealAFSPA  Foano ny CrPC 144 ao #Ukhrul #Manipur 

 RT @khanthing Ankoatra ireo mpitandro filaminan'ny distrika, andiany 2 hafa mpanohitra ny mpikomy no nitifitra mpanao hetsi-panoherana tao #ukhrul, Manipur

Raha feno ireo vaovao momba ilay vono-olona tao Ukhrul ny media sosialy, ny fampahalalam-baovao mahazatra any India kosa tena mangina tanteraka. I Ngathingpei Khayi, ohatra, manamarika ny tsy fahampian'ny firesahan'ny fampahalalam-baovao ho an'ny daholobe ao India.

roa no #maty #voatifitry ny #polisy ary maro ireo #naratra tao #Ukhrul, tanànako, taminà #Famoriambahaka iray am-Pilaminana. Tsy misy na inona na inona any anaty #vaovao#Mahamenatra #Ratsy @ndtv @cnnibn @timesnow 

Naoty: Tantara misy fivoarany ity. Raha manana fanavaozana ianao, mba apetraho ao amin'ny faritra  fametrahana fanehoan-kevitra azafady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.