‘Avy Ao Ambadiky Ny Kodiarana': Topimaso An’ Ireo Vehivavy Tavela Irery Ao Tajikistan, Nilaozan'ny Vadiny Nifindra Monina Any Rosia

Behind the Wheel won Best Student Film at the Women's Voices Now festival in July (Image by Elise Laker)

Ny Horonantsary : Beyond the Wheel (Ao ambadiky ny kodiarana) no lohalaharana ary voalaza fa tsara indrindra tamin'ny horonantsary nokarakarain'ny mpianatra nandritry ny lanonana “Women's Voices Now” (Ireo Feon'ny Vehivavy Ankehitriny) natao tamin'ny volana jolay. Sary an'i Elise Laker.

“Beyond the Wheel”, horonantsary fohy iray noforoninà teratany Anglisy iray mpamokatra horonantsary, antsoina hoe Elise Laker, dia manasongadina mazava tsara ny hasarotry ny fiainan'ny vehivavy sy ny fianakaviany izay navela hiatrika ny vokatry ny fifindrà-monina tsy misy fitsaharan'ireo lehilahy mpila ravinahitra avy any Tajikistan lasa monina any Rosia. Ankehitriny, nahazo fankasitrahana maro tany amin'ireo fetibe nanerana an'i Eoropa io horonantsary io, ary nahazo mari-pankasitrahana sy voalaza fa ho ny tsara indrindra tamin'ny horonantsary nokarakarain'ny mpianatra nandritra ny Lanonam-be fifaninanana horonantsary “Women's Voices Now”.

Ity manaraka ity ny famaritana fohy an'ilay horonantsary, nivoaka tamin'ny taona 2013 :

Isan-taona, mpiasa mpitsoa-ponenana miisa an'hetsiny no mandao an'i Tajikistan nohon'ny fitadiavana asa. Ny vola alefan'izy ireo dia misy lanjany be mihitsy eo amin'ny sehatry ny toekarena; raha ny tena marina, i Tajikistan no firenena eto amin'izao tontolo izao miankina be indrindra amin'ny vola alefan'ny avy any ivelany. Lehilahy avokoa ny ankamaroan'ireo mpifindra-monina ireo, midika izany fa miha-betsaka vehivavy ny vahoaka Tajik. Inona noho izany no manjo ireo vehivavy tavela irery any? “Behind the Wheel” dia mampiseho ny lesona azo tsoahana sy ny tebiteby ary ny fikorontanan-tsain'i Nigora, vehivavy [avy amin'ny foko] Uzbek, tsy nety nijanona ho vehivavy mikarakara tokantrano fotsiny ihany taorian'ny tsy nandraisany vola avy amin'ny vadiny izay nandeha nifindra monina ary taorian'ny nahafantarany fa mampirafy azy ny vadiny. Tsy afaka hiantehitra amin'ny vadiny intsony izy, ary nanomboka teo dia tsy nanaraka ny fomba amam-panaon'ny fiarahamonina intsony i Nigora ka lasa niasa nanamboatra ny simba amin'ny kodiarana fiara.

Na dia naharitra  20 minitra fotsiny aza ny halavan'io horonantsary io, dia nanohina sy nampieritreritra avy hatrany ny mpijery ny fiainan'i Nigora sy ny fianakaviany. Afaka jerena etsy ambany io, naparitaka tamin'ny  citizen.tv:

 Ny sary nangonin'i Ksenia Diodorova, natolotr'i RFE/RL, dia varavarankely ahitàna mazava tsara ny zavatra iainan'ny fianakavian'ireo Tajik mpila ravinahitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.