Nohamafisin'i Rosia Indroa Avo Heny Ny Programam-Pitsikilovany

Russians protest against Internet censorship. 17 November 2012, by Mike Kireev, Demotix.

Hetsi-panoheran'ny Rosiana miady amin'ny sivana amin'ny aterineto. 17 Novambra 2012, avy amin’ Mike Kireev, Demotix.

Ao anatin'ny programa fitsikilovana aterineto ataon'i Kremlin fantatra amin'ny hoe “SORM-2,” dia terena ny orinasa rosiana mpanome tolotra iseraserana hividy sy hametraka fitaovana manokana manome lalana ny Federal Security Service (FSB) hitsongo dia (hanaraka) teny manokana (tahaka ny hoe “baomba” na “governemanta”) ao amin'ny soratra na resaka an-tserasera. Raha mitaky fampahafantarana fanampiny momba ny mpiserasera iray manokana ny manampahefana, dia tsy maintsy manatontosa izany ny orinasa mpanome tolotra aterineto. 

Hatramin'ny vao haingana teo dia tamin'ny orinasa mpanome tolotra iseraserana ihany no nampiharana ny SORM-2. Tamin'ny herinandro ny praiminisitra rosiana Dmitry Medvedev no nanasonia didy hitsivolana iray manitatra ny SORM-2 hahatratra ny tambajotra sosialy sy ny tranonkala rehetra ahafahan'ny olona mandefa hafatra amin'ny hafa ihany koa. Efa manana andraikitra ankehitriny ny habaka tahaka ny Facebook sy ny Google hametraka karazana kojakoja ahafahana mitsikilo, izay indraindray lazaina hoe “backdoors” (ambadiky ny varavarana) ahafahan'ny FSB (sampam-pitsikilovana rosiana) manaramaso manokana ny aterineto. Tsy misy na inona na inona ahafahana milaza izay ho fomba fiasany noho ny fandraràn'i Medvedev ireo tranonkala tsy hamoaka ny antsipirihany ara-teknika amin'ny fomba fitsikilovan'ny governemanta.

Ny didy hitsivolana N743 dia natao hanitsiana ilay “Lalàna ho an'ny Blaogera” mampiady hevitra izay nahatonga ny fananganan'ny governemanta ny rejisitry ny bilaogera manana mpamaky mihoatra ny 3000 isan'andro. Izay bilaogera tafiditra anaty lisitra dia mihatra aminy ny lalàna hoan'ny fampitam-baovao ka mety mamparefo azy ho mora ampandoavana onitra sy enjehina araka ny lalàna raha oharina amin'ireo bilaogera hafa tsy malaza noho izy ireo. Voarara tsy mahazo manoratra fiteny tsy maotona ihany koa ny bilaogera tafiditra anaty lisitra ary takiana amin'izy ireo ny hanamarina ny vaovao avoakan'izy ireo. Milaza ny mpitsikera fa mampisy akony mampanahy be ihany amin'ny fahalalahan'ny aterineto ilay lalàna.

Nahagaga ny orinasam-piseraserana ao Rosia ny fanapahan-kevitr'i Medvedev hanitatra (hanòvana) ny fanarahamaso ny aterineto amin'ny tambajotra sosialy. Tompon'andraikitra iray misahana ny fifandraisana amin'ny mpanjifa sy ny mpamatsy ao amin'ny Yandex, manana ny mili-pitadiavana lehibe indrindra ao amin'ny firenena, no niteny fa tsy mbola naharay taratasy fampilazana mialoha amin'ny hanaovana fanovana amin'izay ny orinasan-dry zareo.

“Averina indray, tsy mazava hoe inona no tokony ataontsika, inona no takiana, ary ohatrinona ny ho fandaniana,” hoy i Anton Malginov, lehiben'ny mpisolovavan'ny Mail.ru, izay manana ny Odnoklassniki.ru, iray amin'ny tambajotra sosialy malaza ao Rosia. Mbola miandry fanazavana avy amin'ny Minisiteran'ny Serasera ao Rosia hatrany ny fandraharahana amin'izao fotoana izao.

Raha misafidy ny hampihatra izay hitsivolana rehetra avoakan'i Medvedev ny governemanta, dia hiaraka amin'ny orinasa mpanome tolotra aterineto amin'ny fividianana sy fametrahana ahafahan'ny FSB mitsikilo ny mpiserasera ny tambajotra sosialy rosiana. Amin'izay fotoana izay dia manana ny “2.0” ho azy ihany koa ny SORM-2.

Raha topazamaso voalohany, dia tarafina ho tahaka ny lalàna miverina fanindroany tsy tokony ilaina intsony ny “SORM 2.0″, rehefa fantatra fa mipetraka eo amin'ny sehatry ny orinasa mpanome tolotra aterineto hanaraha-maso ny tambajotra sosialy ankehitriny ny fihainoana resaka an-telefonina. Raha te-hahazo fampafahafantarana momba ny mpiserasera iray manokana anefa ny FSB dia tsy maintsy mameno fangatahana amin'ny fomba ara-dalàna, izay mety mandalo dingana mavesatra. Ny fametrahana ny fitaova-panaraha-maso eo am-baravaran'ny ango-tahiry, anefa, dia ahafahan'ny manampahefana mametraka fanaraha-maso olona iray manokana eo noho eo. Ho haingana sy ho tsotra kokoa ilay lalana miohatra amin'ny fifanarahana amin'ny orinasa mpanome tolotra aterineto.

Talohan'ny voalohany volana aogositra, tsy noterena handrakitra sy hitahiry ny ango-tahirin'ny mpiserasera ny tranonkala. Nanova izany toe-javatra izany ny lalàna momba ny bilaogera. Nanomboka ny voalohany aogositra, na dia talohan'ny fomba nandikan'i Medvedev ny lalànan'ny bilaogera ho tovan'ny SORM-2 aza, ny tambajotra sosialy dia notakiana hitahiry ny angona ao anatin'ny enim-bolana. Tsy isalasalana fa mahafatiantoka ny fandraharahana ny masonkarenan'izany fitehirizana izany, ary amin'ny mpanjifa ihany koa. Ny tranonkala tsy mahazo dokambarotra fanampiny dia mety voatery hanangana ‘paywalls’ (mandoa vola vao afa-mamaky votoaty) na mety ho voatery hanidy ny trano tanteraka. Mety ho marefo azon'ny vondron'olona sasany ratsy toetra sovohana izany ango-tahiry miavosa tehirizina izany.

Ary ny halalin'ny fanovanana ny SORM-2 hanaraha-maso ny tambajotra sosialy no hanampy ny manampahefana hisambotra ireo jiolahy tsy fantatra amin'ny ankapobeny.

Ahoana no tokony hamalian'ny bilaogera izany fivoaran-draharaha izany? Tsy mila manahy amin'ny zava-drehetra ny ankamaroan'ny Rosiana mpiserasera aterineto. Araka ny napetrak'i Anton Nossik, iray amin'ny “ray mpanorina” ny RuNet, efa ho herintaona lasa izay, dia antony ara-politika no anaovan'ny governemanta hetsika hamelezana ny bilaogera. Amin'ny ankapobeny, tsy misy tokony atahoran'ireo mpiserasera aterineto mihataka amin'ny resaka politika ny lalàna vaovaon'i Rosia. Raha ho an'ireo miresaka sosialy sy politika kosa dia mety itodihan'ny FSB [sampam-pitsikilovana rosiana] tampoka, na dia manana  mpanara-maso ampy hitsongo dia ireo mpanohitra mahatarika olona eo amin'ny firenena ny polisy federaly.

Mazava loatra, fa mety ho fampaherezana bitika ao anatin'ny tontolon'ny Big Brother tsy matory mandrakizay izany toe-javatra izany.

Tonia teo aloha ao amin'ny zoro toe-karena ao amin'ny Lenta.ru i Sergey Kozlovsky.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.