Atsaharo Ny Fitarainana Amin'ny Governemanta! Mila Ny Olony Hamonjy Azy i India

The homepage of the MyGov website.

Pejy Fandraisana ao amin'ny habaky ny governemanta (MyGov).

Misy tranokalam-baovao antsoina hoe “MyGov” ao India izay manasa ny olom-pirenena mba handray anjara mavitrika amin'ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny firenena. Ny MyGov dia sangan'asan'ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi; izay malaza tamin'ny kabarim-pifidianana  sary mivaingana 3-D (hologramme) sy ny fahiratan-tsainy ara-teknolojia amin'ny ankapobeny.

«Tianay ho fantatra ny soso-kevitra, ny eritreritra sy ny hevitra mafonja avy aminareo momba ireo lohahevitra isan-karazany mikasika an'i India. Tongava mandray anjara amin'ny adihevitra mba hizara, hiadi-hevitra sy hampakatra ny sanda », hoy ny voalazan'ny pejy fandraisana. “Misy ny asa tokony atao ary atsangana ny firenena. Jereo izay andraikitra madinika mahaliana anao ary ataovy ny adidinao hoan'i India. “Eny tokoa, manetsika ny ezaky ny governemanta hitrandraka ireo talenta miafina sy hiroso ho amin'ny asa ifarimbonana (crowd-sourcing) ny fitomboan'isan'ny mpiserasera aterineto ao India – izay tombanana ho eo amin'ny 243 tapitrisa eo ankehitriny- ary i Shina sy Etazonia ihany no eo alohany.

Natao ho sehatra ahafahan'ny olom-pirenena mampahafantatra amin'ny governemanta ny fisantaran'andraikitra sy vahaolana avy amin'izy ireo manoloana ny olam-panjakana, izay tafiditra ao anatin'ny ezaka vaovao avy amin'ny Governemantan'i Modi hiorina amin'ny fandraisan'ny olom-pirenena anjara, ilay habaka. Misy ny lahatsary fitarihan-dalana amin'ny teny hindi sy anglisy mampahafantatra ny tanjon'ny habaka amin'ireo sambany vao mitsidika.

Manana tetikasam-panjakana fito ankehtriny ny MyGov: Diovy i Ganga, India Nomerika, Fampianarana ny Ankizy Vavy, India Maintso, Famoronan'asa, Fanamafisam-Pahaizana, ary ny Swachh Bharat (Diovy i India). Manatontosa adihevitra ny vondrona tsirairay avy, ary afaka mandray anjara avokoa ireo rehetra misoratra anarana ao amin'ny habaka (amin'ny fametrahana ny nomerao finday sy ny adiresin'ny trano). Ohatra, manasa ireo mpitsidika mba handray anjara amin'ny adihevitra misokatra momba ny fanatsarana ny fahafahana mampiditra tovovavy an-tsekoly ny vondrona Fampianarana ny Ankizy Vavy (Girl Child Education group) :

With an aim to study the discussions and ideas to improve girl child education in the country, whether it be facilities or economic assistance, the ‘Girl Child Education’ group on MyGov provides the platform for the necessary debate.

The objective of this Group is to prepare a policy framework and gather suggestions that can help increase education among girl students and give them livelihood opportunities.

Ao anatin'ny tanjona hanadihadiana ny adihevitra sy ny hevitra ho fanatsarana ny fampianarana ny ankizivavy ao amin'ny firenena, na izany fanampiana ara-pitaovana na atao ara-toekarena, dia manokatra sehatra fiadian-kevitra mahasoa ny vondrona «Fampianarana ny Ankizy Vavy” ao amin'ny MyGov.

Ny tanjon'ity vondrona ity dia ny hikarakara tanjaka ara-politika sy hanangona sosokevitra mety hanampy amin'ny fampakaran-danja ny fampianarana eo amin'ireo tovovavy mpianatra sy hanome azy ireo fomba ahafahana mivelona

 

Miezaka manao izay hampazoto ny vahoaka ihany koa ireo vondrona amin'ny alalan'ny fananganana andraikitra manokana. Ny vondrona “ Diovy i Ganga” ohatra, manasa ireo mpiserasera mba “hanolotra fepetra ara-politika 10 azo tanterahina amin'ny fanadiovana ny Ganga”. Samy manana ny fe-potoanany sy ny fotoana tombanana ilaina amin'ny fahavitany ny asa rehetra. Ho fanampin'izany, mety hanome tombony hoan'ireo mpiserasera mavitrika indrindra mba hihaona amin'ny Praiminisitra mivantana ny governemanta.

Miharihary tokoa fa nahatratra ny ankamaroan'ny Indiana ilay habaka. Nitatitra ny Digital Journal fa maherin'ny 100.000 ny olona nisoratra anarana teo anelanelan'ny fisokafan'ny habaka tamin'ny 21 Jolay sy ny herinandro voalohan'ny volana Aogositra. Tafakatra teo amin'ny 1,4 tapitrisa teo ny mpitsidika tamin'ny volana Jolay. Angamba tokoa ny lahatsoratry ny praiminisitra tao amin'ny Twitter, izay nandrisihany ireo Indiana mba hirotsaka an-tsehatra no nanampy tamin'ny fitaomana ireo olona marobe ireo.

Natsangana tao amin'ny MyGov ny Forum Misokatra Manokana hoan'ireo sosokevitra mikasika ny Andrim-panjakana vaovao. Avelao hiparitaka ny hevitra! http://t.co/zojklP70KT

Nahazo mpanjohy maherin'ny 3000 ny kaonty Twitter MyGovIndia tamin'ny volana lasa teo monja. Manaraka ny fitarihan'i Modi ilay kaonty, amin'ny fampiasana fampitam-baovaon'ny fiarahamonina ho fandrisihana ny fandraisan'ny ny olom-pirenena ao India anjara.

Tongava manatevin-daharana ireo vondrona, ekeo ny andraikitra mahaliana anao ary ampiasao ny fahaizanao mba hanampy amin'ny Fitantanana Mahomby. Midira ao amin'ny http://t.co/Subru43pey

Mpikatroky ny open-source iray nisioka hoe:

Amin'ny habaka MyGov ao India, mangataka aho mba ho azo ekena amin'ny kinovan'endrika GIMP; inkscape ihany koa ireo rakitsoratra famoronana fango (logo). Mba ho amin'ny OpenOffice ny lahatsoratra . #FOSS http://t.co/uxCzeKTe5C

Ny hafa kosa nidera ny ezaky ny governemanta:

Hevitra tena tsara avy amin'ny Governemantan'i India (GOI) ny fanomezana fankasitrahana  50.000 ropia amin'ireo soso-kevitra mahasoa alefa ao amin'ny http://t.co/FQVAFp35yK. Handrisika ny fandraisan'ny olona anjara izany

Raha ny marina, maro ireo Indiana mientanentana mikasika ny fahafahana mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena. G Siva, bilaogera iray nisoratra anarana tao amin'ny MyGov, nanoratra hoe:

I have personally signed up for the Clean Ganga campaign. Frankly speaking, I have always complained about it and whined about how no one is doing anything to save our environment and cultural heritage. I think it is time to stop whining and start doing. I think many others are going through similar thought processes. It's a smart move for the government to tap into all this and offer a platform for concerned citizens.

Nisoratra anarana tao amin'ny hetsika “Clean Ganga” aho. Raha tsorina dia efa nitaraina foana momba an'io aho ary nimenomenona manoloana ny tsy fisian'olona hiaro ny tontolo iainanay sy ny vakoka ara-kolontsainay. Mino aho fa fotoana izao hampitsaharana ny fimenomenomana ary hanombohana hanaovan-javatra. Mino aho fa maro ireo hizotra amin'ny fomba fihevitra mitovy amin'izany. Fisantaran'andraikitra mety tsara ataon'ny governemanta izany mba hitrandrahana ireo rehetra ireo sy hanolorana sehatra hoan'ireo olom-pirenena mahatsiaro manana adidy amin'izany.

Vao 100 andro eo amin'ny fitantanana vaovao i Modi, toa hita vonona handray ny maodelim-pitantanana andraisan'ny olom-pirenena anjara manerana ny firenena ireo manampahefana sy olom-pirenena ao India.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.