Fandravonana Ny Hantsana Ara-Nomerika? Mitondra Fampihatra Maimaim-Poana Hoan'i Zambia Ny Facebook Sy Ny Orinasam-Piantsoana

Mobile phone shop in Lusaka, Zambia. Photo by Curious Lee via Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Mpivarotra finday ao Lusaka, Zambia. Saripikan'i Curious Lee via Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Nandray anjara tamin'ny fanatontosana ity lahatsoratra ity i Gershom Ndhlovu1.

Tamin'ny fiandohan'ny taona tamin'ity fahavaratra ity, namoaka fampihatra finday [app] ao amin'ny Bharti Airtel izay nametraka tanjona hahafahana miditra Internet fitondra – na farafaharatsiny miditra amin'ny Facebook – amin'ireo tsy afa-niditra tamin'izany ny fiaraha-miasa Facebook-telco Internet.org. Iray amin'ireo orinasam-pinday lehibe telo, miaraka amin'ny MTN sy ny Zamtel, iry orinasa miorina any India voatonona voalohany iry.

Malaza indray manko amin'izao fotoana izao ny ezaka handravonana ny hantsana misy eo amin'ny Afrikana afaka sy tsy afaka miditra Internet, ary efa mandroso drafitra mitovy amin'izany hotontosaina eo amin'ny sehatra manerantany ny google, sady misy orinasam-pifandraisandavitra Afrikana hafa te-hiditra an-tsehatra hanao izany ihany koa. Lasa hevitra ara-politika malaza ao amin'ny renim-paritra ihany koa ny filazana fampitomboana ny tahan'ny fahafahana miditra Internet. Nifampihaona tamin'ity fahavaratra ity ny governemanta sy ny mpitantana ny indostria hiresaka momba ny hampihenana ny hantsana amin'ny fidirana internet, ka misy ny tanandehibe afrikana sasantsasany nanome Wi-Fi maimaim-poana eny amin'ny kianjam-bahoaka.

Nampisy fiaraha-miombon'antoka teo amin'ny orinasam-piantsoana finday hahafahana miserasera ny Internet.org, izay niainga tamin'ny fanoloran-kevitry ny Filoha Tale Jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerburg, tamin'ny 2013, mitondra ny lohateny hoe “Is Connectivity a Human Right?” [zon'olombelona ve ny fahazoa-miserasera]. Tsy ampy herintaona taorian'ny nanambaràna voalohany ny fiaraha-miombon'antoka, dia efa nanomboka tao Zambia tamin'ny Jiona lasa teo ny servisy izay manolotra amin'ny mpiserasera ny Wikipedia, Facebook Messenger, Go Zambia Jobs, ary ny mili-pikarohana Google amin'ny alalan'ny fampihatram-pinday raitra. Raha efa nisy teo aloha ny fiaraha-miombon'antoka nataon'ny Facebook tamin'ireo mpandraharahan'ny fiantsoana am-pinday, dia sambany no nisy tolotra mihoatra noho ny Facebook.com nampidirina tanaty fonosana iray.

Ahitana ny Samsung, ny Ericsson, ny MediaTek, ny Nokia, izay lasan'ny Microsoft, ny Opera Software ary ny Qualcomm ny mpiara-miombon'antoka amin'ny tetikasa. Ny fivoahan'ny fampihatra [app] Internet.org vao haingana tao Zambia moa dia vao taorian'ny nilazan'ny Facebook teo alohaloha teo, nandritra ny fahavaratra fa vao nahatondra olona 3 tapitrisa ho tafiditra amin'ny aterineto tao Philippines, Paraguay ary Tanzania izy.

Vantany vao nanomboka ny fiaraha-miombon'antoka, dia nitaraina ny mpiserasera fa miadana loatra ny fikorianan'ny aterineto amin'ny Airtel — izany dia heverina fa noho ny fitomboan'isan'ny mpivoivoy tampoka [mahatsentsina ny tambajotra]. Ny indostrian'ny teknolojia iray ao an-toerana sady tranonkalam-baovao TechTrends nanatsonga mpiserasera iray nilaza fa naharitra 12 ora ny fandefasana sioka [tweet] iray. Nanoratra ny TechTrends :

We are now worried about the reported airtime deductions from Airtel Zambia client’s mobile accounts. Is the ‘free’ service actually taking up airtime by mistake?

Manahy izahay ankehitriny amin'ny fihenan'ny fahazoan'ny mpanjifan'ny Airtel Zambia miantso amin'ny finday. Nampisy fampihenana tsinahy ny halavan'ny fotoana fahazoana miantso ve ilay servisy ‘maimaim-poana'?

Manahy ny amin'ny lanjan'ilay programa ihany koa ny manampahaizana manokana momba ny politikan'ny aterineto, nanamarika fa natolotra tamin'ny mpiserasera mbola lavitry ny fifehezana ny aterineto ilay izy. Mazava loatra fa ahafahana miditra mora amin'ny tranonkala sy servisy voatondro mazava tsara mihoatra noho ny amin'ny aterineto amin'ny ankapobeny ny fiaraha-miombon'antoka. 

Ilay mpanohitra ny fahalalahan'ny Internet Evgeny Morozov nandalina ny vidy ankolak’ilay servisy, izay mitaky ny mpiserasera hanokatra kaonty Facebook, ary izay no mampiakatra ny isan'ny mpikambana sy mampitombo ny habetsaky ny ango-tahirin'ny mpiserasera Zambiana. Ny fandraharahana maodely dia ny hanomezana fampihatra [apps] sasantsasany maimaim-poana. Mandritra izany fotoana izany, mety handrisika ny mpiserasera izy io hividy fampihatra [apps] sy tolotra hafa, ka ny Facebook no mpanelanelana amin'izany ‘ty sy ‘nday izany. Fa miankina amin'ny kalitaon'ny servisy atolotry ny Airtel amin'ny Zambiana mpamandrika izany, sy amin'izay tiany atao aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.