Tovovavy Mpikatroka: Mizara Ny Tantaranay Antserasera Manokana Ao Kyrgyzstan

Vaovao momba ny Tetikasa Vatsian'ny Rising Voices ara-bola.

First workshop. Photo courtesy of Girl Activists of Kyrgyzstan and used with permission.

Atrikasa voalohany. Sary avy amin'ireo tovovavy Mpikatroka ao Kyrgyzstan, nahazoan-dalana.

Tovovavy Mpikatroka ao Kyrghyzstan izahay, izay mitolona ho amin'ny fitovian-jo eo amin'ny tovovavy sy ny tovolahy. Mitolona hoan'ny tontolo lavitry ny herisetra, fankahalana, ny tsy rariny ary ny fanavakavahana izahay. 

Firenena kely be tendrombohitra ao Azia Afovoany i Kyrgyzstan izay miatrika fahasarotana marobe. Olona marobe no mihevitra fa tsy te-hihaino ny tanora ny governemanta mba handray fanapahan-kevitra miantraika amin'ny tanora.

Vitsy ireo olona mahafantatra ny fahasarotan'ny fiainan'ireo tovovavy monina any amin'ny tanàna ambanivohitra. Izany indrindra no mahatonga ny tetikasanay “Ny Tantaranay Manokana” miasa miaraka amin'ireo tovovavy avy amin'ireo tanàna ambanivohitra ao Kyrgyztan, mba hanoratan'izy ireo tantara momba azy ireo manokana ary handrakitra ny fiainan'izy ireo ao an-tanàna amin'ny alalan'ny lahatsary, lahatsoratra bilaogy ary sary.

Tamin'ny volana Jolay, nanasa tovovavy izahay mba handray anjara amin'ny tetikasanay avy amin'ireo tanàna ambanivohitra Kyrgyz telo samihafa: Ber-Bulak, Kyzyl-Tuu, sy Vorontsovka. Nanomboka teo dia nandamina ny zavatra ho ataonay manaraka izahay: ahoana ary rahoviana no hotontosaina ny fiofanana avy amin'ireo tovovavy avy ao Bichkek. Mandritra ny fiofanana, hasehonay azy ireo ny fomba fampiasana WordPress mba handefasana ny tantaran'izy ireo ao amin'ny bilaoginay, sy ny fomba fakàna sary, lahatsary, feo ary ny fomba fandraisana naoty amin'ny finday raitra (smartphone), sy ny fizarana izany rehetra izany ao amin'ny Facebook sy Twitter.

Tsy afa-nandray anjara ny zazavavy avy amin'ny tanàna ambanivohitra roa hafa tao Kashka-Suu sy Otogon. Nanana fahasarotana izahay noho ny fomba fijery nentin-drazana sy mandala ny tenin-dray manoloana ny zanany. Tsy namela ny zananivavy ankitsirano tsotra izao ny ray aman-dreny sasany handray anjara amin'ny fiofanana satria tsy hitany loatra izay ilàna izany. Te-hihaona amin'ny ray aman-drenin'izy ireo izahay ary hanazava amin'izy ireo ny mahazavadehibe ny fandraisan'ny zazavavy anjara amin'izy ity.

Marobe ireo tovovavy tsy maintsy miasa isan'andro mba hahazoana vola hamelomana ny fianakaviany ary manao raharaha ao an-trano kosa ny hafa. Misy ireo tsy maintsy manadio trano sy mikarakara ny zandriny na mikarakara ireo ombivavy be ronono na miandry ondry. Saingy te-hanao izany zavatra rehetra izany marina ve izy ireo?

Tsy misy olona nanontany azy ireo.

Manao izay hahazoana hiainana ao an-tanàna ambanivohitra ny tovovavy.

Niresaka momba ny tantara ihany koa izahay. Inona no tian'izy ireo hozaraina amin'ny tantaran'izy ireo? Inona no zava-dehibe ho azy ireo ary inona no mampiahiahy azy ireo? Ahoana no fomba fiainan'izy ireo ary inona ireo olana atrehin'izy ireo?

Nandray anjara ihany koa ny ekipanay avy ao Bishkek. Nahita zavatra maro mbola tsy fantatray momba ny WordPress sy ny fomba fiasan'ny finday raitra (smartphone) marobe izahay. Mahaliana anay tanteraka ihany koa izany, satria nitrandraka momba ny fampitam-baovao an'olo-tsotra miaraka amin'ireo tovovavy avy ao an-tanàna ambanivohitra ihany koa izahay. Mpampianatra avokoa izahay rehetra, ary mpianatra avokoa.

Nahafinaritra tokoa fa navitrika tamin'ny fandraisana anjara ireo tovovavy. Zava-dehibe ho azy ireo izany. Te-hanampy zavatra na hanova zavatra izy ireo.

Mino aho fa ny tena zava-dehibe tamin'ity fihaonana ity dia izahay nahazo namana vaovao. Mifanohana izahay ary tena mahafinaritra izany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.