Cloghers-to-Be: Manomboka Manangana Ny Bilaoginy Ny Vehivavy Tanora Kambodjiana

Vaovao momba ny Tetikasa vatsian'ny Rising Voices vola.

Clogher participants write welcome messages for their blogs.

Clogher mpandray anjara manoratra hafatra fiarahabana ao amin'ny bilaogin'izy ireo.

Nanomboka tamin'ny Alahady 17 Aogositra lasa teo ny fiofanana voalohany karakarain'ny Tetikasa Empowering Cloghers, miaraka amin'ny vondrona mpiofana liana tanteraka sy mientanentana aoka izany. Fiofanana nahitam-bokany na dia sambany nihaona voalohany aza ireo mpiofana rehetra.

Alohan'ny nanombohana, nampiseho lahatsary novokariny niaraka tamin'ireo bilaogera namany nandritra ny Dian'ny Bilaogera (Blogger Tour) tao Berlin, Alemaina tamin'ireo mpiofana i Ramatoakely Chak Sopheap, Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Foibe Kambodziana momba ny Zon'Olombelona (CCHR), izay Clogher ihany koa. Asongadin'ilay lahatsary ireo bilaogera enina samihafa avy ao Indonezia, Filipina sy Alemaina mamaritra ny traikefa sy ny aingam-panahin'izy ireo.

Nanontaniana momba ny zavatra andrasany ireo mpandray anjara. Saiky nanaiky avokoa ny rehetra fa te hanao bilaogy mba ahafahan'izy ireo manampy amin'ny fanentanana momba ny zon'ny vehivavy, mizara ity fampiofanana mahasoa ity sy mizara traikefa hoan'ny hafa, ary ho lasa bilaogera mahafatra-po. Nahafinaritra ny nandre azy ireo satria tsy nampoizinay fa manana tanjona mazava sahady amin'ny tetikasa ireo mpiofana.

Hoy ny nozarain'i Sopheap tao amin'ny pejy Facebook-ny,

A productive Sunday, and I am impressed with these young women who have a clear mission to start their blogs with a clear social purpose!

Alahady namokatra, ary talanjona aho tamin'ireto vehivavy tanora manana iraka manokana hanomboka ny bilaogin'izy ireo ao anaty tanjona ara-tsosialy mazava!

 

 
Nifantoka tamin'ny fanomezana fahaizana fototra ara-teknika hoan'ny Cloghers-to-be ity fiofanana voalohany ity. Nangatahana izy ireo mba hieritreritra anarana manintona, sy lohahevitra na zoro tian'izy ireo hoan'ny bilaogin'izy ireo. Ny zavatra nataon'izy ireo farany dia manoratra hafatra fiarahabana avy amin'izy ireo manokana, ka rehefa manangana bilaogy izy ireo, dia manana ny lahatsoratr'izy ireo voalohany mivoaka avy hatrany.

Participants brainstorm their blog name and issues of focus

Mpandray anjara mandinika ny anaran'ny bilaogin'izy ireo sy ny lohahevitra ifantohana.

Rehefa samy nahavita ny hafatra fiarahabana avy amin'izy ireo ny tsirairay, niditra tamin'ny fizarana manaraka izahay: ahoana ny fomba hamoronana sy handrafetana bilaogy.
Somary menamenatra kely ny sasany tamin'ireo mpiofana nandritra ny fiofanana voalohany ary mbola miahotrahotra miresaka amin'ny hafa rehetra. Saingy ny vokatra tsara sy mahabe fanantenana tamin'ity fiofanana voalohany ity dia efa nisy mpandray anjara iray nanangana vondrona Facebook ahafahan'ireo mpiofana rehetra mifandray amin'ny alalan'ny media sosialy eo anelanelan'ny fotoanan'ny fiofanana, ary tsy mila nobaikoan'ny mpampiofana vao nanao izany. 

Amin'ny faran'ny volana Aogositra ny fiofanana manaraka, ary miandry fatratra hihaona sy hiasa miaraka amin'ireo mpiofana mahafinaritra indray izahay!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.