Fisorohana Ny Toetrandro Ratsy Ao Bangladesh

Screenshot of the Great Bangladesh Weather Expedition Page

Dikasarin'ny tranonkalan'ny Rodobe ho an'ny Toetrandro ao  Bangladesh

Bangladesh dia anisan'ny firenena marefo amin'ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro vokatry ny fifanesen'ireo tranganà toetrandro ratsy miseho any sy ny habetsaky ny mponina. Matetika miteraka fahafatesana sy miteraka fahavoazana lehibe manerana ny firenena ny tondradrano sy ny rivodoza. Ny toetrandro mahery toy ireny sy ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina dia efa trangan-javatra niainana hatramin'izay ary hitohy hihamafy izany.

Ny tanjon'ny vondrona Rodobe ho an'ny Toetrandro ao Bangladesh dia ny handrakitra ireny trangan-javatra ireny. Anisan'ireny ekipa miandraikitra ny fisorohana ny tondradrano ireny ilay mpamantatra toetrandro antsoina hoe Jonathan D. Finch avy any Etazonia; Dr. Ashraf M. Dewan, mpikaroka mikasika ny post-doctorat ao amin'ny Departemantan'ny Siansa miompana amin'ny Tany sy ny Tontolo iainana ary mpampianatra mpanampy ao amin'ny sampana Jeografia ao amin'ny Anjerimanontolon'i Nagoya ao Nagoya, Japana; Scott Olson, mpaka sary ao amin'ny Getty Images; ary Tim Vasquez, mpamorona ny fitaovam-paminavinàna ny toetrandro nomena anarana hoe ” Digital Atmosphère”.

Nandany taona maromaro nandalinana ny toetrandro ao Bangladesh i Finch ary nampirina tsara ireo rakitahiry rehetra tao amin'ny tranonkalany. Ity sarintany manaraka ity dia namboarina tamin'ny alàlan'ny fitambaran'ny angona rehetra avy amin'i Finch sy Dewan:

Raha araka ny voalaza ao amin'io tranonkala io, dia azo ampitahaina amin'ny tranokely mandehandeha io Rodobe ao Bangladesh io – na tambajotra iray ho an'ny foibe famantarana ny toetrandro – manomboka ao Dhaka ka hatrany Fairdpur ary Manikganj izay mandrefy ny hafanàna, mitsapa ny ranon'ando, ary mijery ny hafainganam-pandeha sy ny làlana izoran'ny rivotra ary hatramin'ny maka sary sy horonantsary. Hamokatra horonantsary fanadihadiana ihany koa izy ireo, izay hiompana amin'ny tetikasa sy ny kolontsain'i Bangladesh ary hikaroka ny maha-tokana ny toetrandro ao amin'io firenena io.

Hail storm sweeps through Dhaka city. Image by Mehedi Rahman. Copyright Demotix (24/2/2010)

Havandra miparitaka eran'ny tanànan'i Dhaka. Sary nalain'i Mehedi Rahman. Fizakàmanana Demotix (24/2/2010)

Fandalovan'ny rivomahery nahafatesana olona marobe ary ny havandra faran'izay ngeza i Bangladesh. Araka ny tatitra voaray dia 2.2lbs ny lanjan'izany (mitovy amin'ny lanjanà baseball miisa 7 ). Namoizana ain'olona miisa 92 io oram-baratra io fotsiny ary ny havandra tao amin'ny faritra akaiky indrindra tao India no tena nahafatesana olona marobe manerantany izay nahatratra 246. Ny Rodobe ho an'i Bangladesh dia manana fitaovana arifomba ahafahana mandrefy ny habe sy ny havesatry ny havandra.

 Hoy i Scott Olson ao amin'ny lahatsoratra iray hita ao amin'ny bilaogin'ny ekipany: i Bangladesh dia “firenena iray mahafinaritra fa ambinin-java-maha-ory maro”:

Monina eny amoron-dalana ny olona, ao anatinà lay manify kely, kanefa eo akaikin'izy ireo mety misy mpivarotra fiara BMW. Afo mirehitra tsy voafehy noho ny antony tsy fantatra mazava sady mbola fototra ijoroan'izany rehetra izany, misy rafitra miteraka io korontana lehibe io. Tsara fandray sy tia manampy ny mponina ary mirehareha ery hoe misy vahiny manam-paniriana ny hitsidika ny fireneny. Zavatra iray tsy azo adinoina ny hoe firenena tanora i  Bangladesh, ary izany dia miteraka fihetsehampo sahalahala amin'ny zavatra tsapan'ireo mpanjanatany taloha tany Amerika.Tadidio tsara ny andro nanasànareo ny namanareo hihaino hira tena ankafizinareo, ilay fientanentanana tsapanareo mandritry ny fotoana hihainoan'izy ireo zany. Ny taokanto, ny fiavahana ary ny hatsaram-panahin'ny vahoaka Bengali dia tsy hitanareo raha tsy any amin'ny toerana vitsivitsy monja.

Azonareo arahana ao amin'ny takelaka Facebook io tetikasa io.

Miaraka amin'ny fanampim-baovao avy tao amin'i Rezwan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.