“Casa Morada” Na “Ilay Trano Volomparasy”, Fikambanana Iray Ao Medellin Any Kolombià ‘ Hamoronana, Hankafizana Ary Handinihan-tena’

entrada_morada

Casa Morada. Sary nalain'ilay fikambanana, nahazoan-dàlana.

Any amin’ny toerana iray milamina, anatin’ny “Comuna 13 San Javier” ao amin’ny Tanànan’i Medellín any Kolombia, misy trano iray maresaka, izay miloko volomparasy isankarazany,  ka antsoina araka izany, amin’ny anarana hoe Morada na koa Casa Morada (Trano Volomparasy). Miorina amin’ny toerana  tena mandry fahalemana ny trano, eo anivon’ny fari-bohitra fantatra amin’ireo olana ara-tsosialy maro misy ao aminy mifamatotra amin'ny herisetra sy ny fahantrana. Trano foiben’ny fikambanana iray ho fanabeazam-boho ny zavakanto sy ny kolontsaina izy ity amin’ny alalàn’ny tetikasa samihafa, isan’izany ny foibe fampielezam-peo iray, ary koa ny momba ny asa fambolena an-tanàn-dehibe.

Ny trano moa, izay tetikasan’ny “Fundación Casa de las Estrategias” koa, ary niarahany tamina fikambanana hafa, dia mampiantrano karazan'asa samihafa isan’andro ao anatin’ny herinandro. Ny andro alatsinainy, araka ny efa fanao, atrikasa mifandraika amin’ny solosaina sy ny fikarohana  ; ny Talata, atrikasa mikasika ny asa-soratra sy ny fampahafantarana ireo mpanoratra vao misandratra ;  ny Alarobia, poezia sy mozika ; fianaran-kira ny Alakamisy ; ny Zoma, fampielezam-peo sy atrikasa momba ny taosary  ; ary ny Sabotsy, “ Agroarte”, izay fandaharan’asa  miompana amin’ny fanabeazana sy ny fambolena, ary koa fampianarana “graffiti”. Ny olon-drehetra manerana ny Tanàna — indrindra ny tanora, fa na ny olon-dehibe koa aza anefa — dia tonga manatrika izany .

Nilaza ny fikambanana hoe “ tsy manam-paniriana ny hanao  fitadiavan-karena , na koa ny hampanara-dalàna ,  na ny  hampidirana ny tenanay amin'izany izahay.“ 

Somos un colectivo con emisora, con un espacio (o morada material), con actividades, con alianzas para crear, para disfrutar, para encontrarnos.

Nos mueve el placer, nos unen unas sensaciones.

Nos movemos en red por el voz a voz, tejiendo uno a uno, no somos un espacio público, ni una sede cultural del gobierno.

Si tiene un proyecto artístico, cultural, periodistico, investigativo y necesita un lugar para crear, para el intercambio, ¡Bienvenido!

Fikambanana iray izahay, manana foibe fampielezam-peo, habaka iray (na toeram-ponenana hita maso), hetsika, fiaraha-miasa, hamoronana, hankafizana sy handinihanay tena.

Ny fahafinaretana no manentana anay, ny hafanam-po no mampiray anay.

Mihetsika toa tambazotra iray izahay amin’ny alalàn’ny teny ifampitàna (tsilian-tsofina), miara-miròna, tsy kianja malalaka ho an'ny daholobe  izahay, na koa trano koltoralin’ny Governemanta.

Raha toa ka manana tetikasa  ara-javakanto ianao, ara-kolontsaina, momba ny asa fanaovan-gazety, na koa mikasika fikarohana, ary mila toerana hamoronana, hizaràna, dia raisina an-tànan-droa !

Resaka natao ho an’ny gazety miseho isan’andro El Colombiano, nentina nanamarihana ny tsingerintaona voalohan’i Morada, izay nisy hatramin'ny 2012, Lucas Jaramillo, mpikambana mpitarika ao amin'ny vondrona, no nilaza hoe:

Aquí venimos a crear. Desde la libertad del hacer queremos sentar una posición crítica hacia una ciudad que despierta amores y odios.

Tonga teto izahay mba hamorona. Niainga tamin’ny fahalalahana “manao”, ka miezaka hametraka fomba fijery sarotsarotra ihany manoloana tanàna iray izay mampifoha fitiavana sy fankahalàna.

Hatramin’ny nisiany,dia nandray tetikasa samihafa ny trano, ny ara-kolontsaina, ara-javakanto an-tanàn-dehibe, toa ilay mpanao “hip-hop” sady mpanohana ara-kolotoraly Jeihhco, sahala amin'ny nanao azy ireo ho vavolombelona tsy tamin'ny nahim-pony amin'ny herisetra izay mbola manjaka mandrak'ankehitriny ao an-tanàna, araka izay voarakitra an-tsoratra tany amin'ny taona 2012 momba ireo famonoana ireo mpanao “rap” tao amin'ny faritra, Duke no nahafantarana ny iray tamin'izy ireny:

En la Casa Morada del barrio San Javier se respiraba silencio, se respiraba miedo. El ambiente que se vivía, a tan sólo 3 días de la muerte de “El Duke” (conocido cantante de hip hop de la zona), asesinado el martes 30 de octubre, era de tensión. Al parecer, los líderes y raperos allí reunidos buscaban la intervención de un sacerdote que buscara una solución al problema de seguridad tras las amenazas recibidas el día anterior. […] El motivo de la visita a la Casa Morada, […] era conocer más de cerca el pasado de Élider Varela, (conocido como) “El Duke”, como rapero y líder comunitario.

Fahanginana sy horohoro no niainana tao amin’ny “Casa Morada”, anatin'ny fari-bohitr'i San Javier. Navesatra tokoa ny rivotra niainana, telo andro monja taorian'ny nahafatesan'i “The Duke” [artista “hip-hop” nalaza teo amin’ny faritra], izay nisy namono tamin'ny faha 30 Oktobra. Raha ny hita taratra ety ivelany, dia niara-nitady ny hidiran'ny pretra iray an-tsehatra na ny mpitarika na ny mpanao “rap” tafavory tao, amin'ny fikaroham-bahaolana momba ny olan'ny fandriampahalemana rehefa naharay fandrahonana andro iray talohan'izay. […] Ny antony nitsidihana ny Casa Morada […] dia mba ahafantarana misimsy kokoa ny momba ny lasan'i Élider Varela, [fantatra amin'ny anarana hoe] “The Duke,” amin'ny maha mpanao “rap” sy mpitari-tolona eo anivon'ny fiarahamonina azy.

Tsy nampihontsona ny tarika mihitsy iny sehon-javatra iny, fa vao maika aza ny famoronana sy ny firaisankina no nasetrin'izy ireo an'ireny tranga nampalahelo ireny. Carlos Mario Cano, manoratra ho an’ny darioadn.co, mitantara:

dos actos simbólicos de ciudad fueron gestados desde Morada: una semana después de las amenazas en contra de 25 raperos en la 13, en noviembre del año pasado (2012), la emisora salió a las calles para dar un ‘Abrazo morado’: encuentro con la gente para recordarles que todos debían acoger a estos jóvenes a quienes les vulneraron sus derechos.

El segundo acto nació luego del asesinato del mimo Julián Taborda en el corregimiento de Altavista. En esa ocasión, a principios de febrero de este año (2013), la Federación Parcharte –también nacida en Morada– decidió hacer un evento con diversas expresiones culturales en este corregimiento azotado por la violencia.

Hetsika roa ho fanehoana ho an'ny tanàna no nipoitra avy tao amin'ny Morada: natao herinandro taorian'ny naharaisana fandrahonana an'ireo mpanao “rap” tao amin'ny (distrika) 13, ny volana Novambra tamin'ny taona lasa (2012), nidina teny an-dalam-be n y fampielezam-peo mba hanome “purple hugs – fihina volomparasy”  : fihaonana natao  tamin'ny mponina mba hampatsiahivana azy ireo fa adidin'ny rehetra ny mandray tsara ireo tanora izay voahosihosy ny zony.

Ny hetsika faharoa dia teraka taorian'ny namonoana ilay “mime” Julian Taborda tao an-tanànan'i Altavista. Tamin'izany, ny fiandohan'ny volana Febroarin'ity taona ity (2013), no nanapahan'ny Federasionan'ny “Parcharte” [“fanarenana”]  hevitra, izay niainga avy tao amin'ny Morada koa, ny hanaovana hetsika iray ahitana fanehoana ara-kolontsaina samihafa tao amin'ity distrika ity izay ianjadian'ny herisetra.

Ny Stereo Morada ilay fampielezampeo voalaza etsy ambony, isan'ireo tetikasa fanta-daza indrindra ao amin'ny Morada. Araka ny teniny hoe :

Con Morada Estéreo estamos apostando a un medio independiente, completamente libre, sin censura. Encontramos la identidad y la línea editorial desde las personas con las que nos juntamos, por sus búsquedas, por lo que crean, por cómo ayudan. […] Sin voces impostadas, sin guiones insulsos, sin brutalidad, sin prisa somos una red de locutores y realizadores que vibramos. Aquí encontrará gente proponiendo, muchos de ellos inconformes, siempre explorando con la generosidad del intercambio.

Intentamos también prestarle la voz a los que no tienen voz, estamos en contra de la discriminación y la segregación, contribuyendo a abrir una Medellín que muchos hacen, sin fronteras, en trueque con el mundo.

Amin'ny alalàn'ny Stereo Morada, miezaka izahay ny hisiana media mahaleotena, tena malalaka, tsy voasivana. Hitanay avy amin’ireo olona nihaona taminay ny maha-izahay anay sy ny fitsipi-panehoan-kevitra tena izy, amin’ny alalàn’ny fikarohan-dry zareo, ny famoronany, ny fanampian’izy ireo […] Tsy misy fanamboaram-peo, tsotra, tsy misy fanomanana ara-tsoratra (scripts), tsy misy herisetra, tsy mirotoroto, tambajotra iray anà mpampiely feo sy mpanao horonan-tsarimihetsika manentana izahay. Hita eto ireo olona manolotra hevitra, maro amin’izy ireo no tsy faly, mikaroka hatrany ny fahalalàhan-tànana amin’ny fifanakalozana.

Miezaka manao izay hanomezana feo an'ireo tsy manana ihany koa izahay, toherinay ny fanavakavahana sy ny fanilikilihina, manao izay hanokàfana an’I Medellin araka ny namoronan’ny maro azy izahay, tsy misy fefy, mifanakalo amin’izao tontolo izao.

Tafaresaka tamin’I Walter Gonzales aho momba ilay tetikasa fampielezam-peo, izay nanambaràny fa ny tanjon’ny foibem-pampielezam-peo dia ny mba hanokafana hàbaka ho an’ny vahoaka eo amin’ny faritra. Tokony miasa mandritra ny roa taona ny foibe, ary toy ny fampielezam-peo virtoaly, dia manana mpihaino saika manerana ny toerana maro izy ireo :

Tetikasa iray hafa sahanin’ny “Morada” koa ny  Agroarte, ”, izay tetikasa manambatra ny fambolena, ny tany, ny fanabeazana ary ny toeram-ponenana ara-tsosialy eo amin’ny tanàna. Ao amin'ny fantsona Youtube an'ny Stereo Morada dia nisy resaka nifanaovana tamin’ny @agroarte, ilay mpanao “rap” mpitarika ity tetikasa ity, izay nanazava fa ny tsirairay dia mandany ny fiainany manontolo amin’ny fianarana dia ny fianarana hatrany ary miara-misalahy amin’ny hafa koa, eny fa na dia amin’ny tontolo manodidina azy ireo koa aza :

Mba hahalalàna misimisy kokoa ny momba ny  “Morada”, dia vangio izy ireo amin’ny alalàn’ny tranonkalapejin'ny Facebook sy Twitter. Ankoatry ny fihainoana ny “Stereo Morada”, azo atao ihany koa ny manaraka azy ireo amin’ny amin'ny Facebook, tsidiho ny fantsona YouTube ary ny Mixcloud.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.