Hiafara amin'ny Harena sa Hadisoam-panantenana ny Fikarohan'i Inde “Vola Maloto” Avy Any Ivelany?

Yoga guru Ramdev protests in New Delhi against black money  and corruption. Image by Rohit Gautam. Copyright Demotix (12/8/2012)

Manohitra ny vola maloto sy ny risoriso any New Delhi i Yoga gourou Ramdev. Sary an'i Rohit Gautam. Copyright Demotix (08/12/2012)

1.87 arivo lavitrisa dolara. Io no sandan'ny Harin-karena Faoben'i Inde nandritra ny taona farany nandoavana hetra. Raha oharina amin'izay kosa dia 1.34 arivo lavitrisa dolara no tontalin'ny vola vinaniana ho notehirizin'ireo Indiana tany ivelany, tany amin'ny kaonty fitehirizam-bolan'i Soisa, mba hialàna amin'ny fandoavan-ketra, izay omen'ny fanjakana ny anara-petaka hoe “vola maloto“. 

Mandraka ankehitriny, toa mbola tsy takatra mihitsy io vola 1.34 arivo lavitrisa dolara voatatitra io vokatr'ireo sakana maro araka ny lalàna sy ny tsy fahampian'ny ezaka avy amin'ireo mpanao politika mihazona ny fahefana. Na eo aza anefa izany, noho ny fahalanian'ny praiminisitra Narendra Modi vao haingana izay, toy ny mizotra làlana vaovao ny fikarohana ireo vola miafin'ny Indiana.

Tamin'ny volana lasa teo, tanatin'ny iray tamin'ireo fifidianana demokratika lehibe voarakitra hatrizay, nifidy an'i Modi, ilay lehiben'ny minisitra taloha teo ambany fanjakan'i Gujarat, ho praiminisitr'izy ireo vaovao ary ny antokony Bharatiya Janata (BJP) ho antoko eo amin'ny fitondrana, ny Indiana. Miaraka amin'ny fanjakan'ny BJP tanatin'ireo fifidianana, izay nifangaro tamin'ny vahoaka mangetaheta fanovàna, dia andrandraina hitondra ilay fahazavana nokarohin'i Inde ka mampitolona azy ho lasa firenena mivoatra kokoa i Modi.

Tsy ampy 24 ora akory taorian'ny nahavoafidy azy dia nanomboka ity fampielezan-kevitra ity i Modi, izay nanambarany fa hanangana komisiona manokana hisahana ny fijerena sy ny fikarohana ny toerana misy ny vola maloton'i Inde ny tenany.

Koa satria eo ho eo amin'ny roa ampaha-telon'ny Harin-karena Faoben'i Inde no miankin-doha fotsiny amin'ny vola taratasy, olana tsy dia noraharahina tany Inde matetika ny vola maloto. Saingy nanome toky i Modi fa hikaroka ireo vola miafina ireo ka hampiasa izany mba hampandrosoana ny toekarena. Ny 30 Jona, efa nanao fangatahana vitsivitsy tamin'ireo banky Soisa (izay eritreretana fa nitazona ny vola) sahady izy, mangataka ny antsipirian'ireo banky manokana sy ny anaran'ireo Indiana izay manam-bola voatahiry anatin'ireo fotodrafitrasany.     

Araka ny voalazan'i Arun Kumar, mpanoratra “Ny Toekarena Maloto ao Inde”, “handefa fanairana avo sy mazava ho an'ireo rehetra mpandositra hetra”, ny fanadihadiana.

Maro, tahaka an-dry Sukant Singh avy ao amin'ny OneIndia News, no mino fa raha vantany vao hita ny vola maloto, tonga dia hanampy amin'ny famelomana ny toekaren'i Inde izany. Manindry mafy ny trosa goavan'i Inde amin'ny any ivelany izay mitarika ny fitotonganan'ny toebolam-pirenena i Singh. Araka ny voalazan'i Singh, raha tafaverina ny vola maloto, ho voaloa ao anatin'ny 24 ora ireo trosa rehetran'i Inde any ivelany.

Saingy ho an'ny sasany, tsy ampy ireo hetsik'i Modi. Nitsikera ny fanaovana dokambarotra be manoloana ny tokony hanaovana hetsika mazava ny mpitoraka bilaogy Shrinidhi Hande:

Nahoana no manao dokambarotra betsaka nefa hetsika faran'izay bitika? Tsy azo atao angaha ny mandefa iraka any Soisa, mampamoaka ireo lisitra ao anatin'ny solosainan'ireo mpiasan'ny banky Soisa, ka mampody ireo olona ireo any Inde anatin'izany fotoana izany, sy manakatona ny kaontiny ary mangeja ny fananany mandra-pahavitan'ny fanadihadiana? Tsy izay ve no hetsika tokony hatao? Mazava ho azy, mety tsy hanaiky ny hanaraka izany ireo mpiasan'ny banky Soisa- saingy azo atao izany rehefa miaraka aminà tsindry ara-diplomatika sy iraisam-pirenena.

Soutik Biswas, mpitoraka bilaogy iray mifandray amin'ny BBC News, mahatsapa fa ny anton'ny tsy fahampian'ny hetsika manoloana io olana io dia avy amin'ireo mpanao politika ireo ihany sy ny politikany maloto:

Miresaka mikasika ny rafitra famotsoran-keloka vaovao momba ny “vola maloto” koa ny fanjakana, izay tena felaka mandrivorivo ho an'ireo mpandoa hetra ara-dalàna. Hatramin'ny fahaleovantena, nanome “drafitra ampahibemaso antsitrapo” in'enina ny fanjakana, ny tamin'ny taona 1997 no haingana indrindra. Latsaka ny 1 lavitrisa dolara no nolazaina, izay ninoan'ny maro tamin'ireo manam-pahaizana ho ampahan'ny vola maloto teny amin'ny tsenam-bola tamin'izany fotoana izany. Indray mandeha dia nanamarika ireo mpanamarim-bola federaly mahaleotenan'i Inde fa mampirisika ireo olona ho lasa “zatra tsy manara-dalàna ara-ketra” ireo tetika famakiana bantsilana, izay mahafantatra tsara mihitsy fa afaka manangona vola izy ireo na tsy mandoa hetra aza.  

Na izany aza anefa, misy ireo olona sasany toa an-dr'i Chandrahas Choudhury avy ao amin'ny Bloomberg View no mino fa miditra anatinà fikarohana tsy misy lohany akory i Modi, izay tsy hiafara amin'ny “angano angano” malaza inoan'i Choudhury fa hironan'ny Indiana maro.

Nalàn'i Choudhury ilay fiheverana malaza izay mieritreritra fa ny famerenana ireo vola no fanalahidy hamaranana ireo olana rehetra ao inde noho ny fandraisana azy ireo ho tombontsoam-pirenena ka tonga dia hiditra eo am-pelatànan'ny fanjakana. Notsindriany tanatinà tatitra farany izay nanambara fa tsy mihoatra ny 2 lavitrisa dolara ny volan'ireo Indiana any amin'ny rafitry ny banky Soisa: ampahany amin'ny vinavina tany ampiandohana.

Lasa mbola nihenjana kokoa ilay olana mampiady hevitra ny maro mikasika ireo vola maloto tanatin'ireo herinandro vitsivitsy lasa. Tsy teo anivon'ireo fitaovana  fampahalalam-baovao samihafa irery ihany no nisy io adihevitra io, fa teny anivon'ireo media sosialy ihany koa. Maro amin'ireo Indiana no tsy liana fotsiny hahalala izay hiafaran'ny fikarohana, fa koa, voalohany indrindra, ny hahalala ny toerana tena ihazonana ireo vola ireo.

Nibitsika ny mpanao tsikera ny politikam-bahoaka hoe:

Tsy misy dikany ny famerenana ny vola maloto avy any amin'ireo banky any ivelany. Mifantoha amin'ireo fepetra izay manome antoka ny tsy fisian'ny famoronana vola maloto vaovao; ny fandoavana hajia?

— हम भारत के लोग (@India_Policy) 8 Jolay 2014

Sameer Bhagat, mpikambana iray ao amin'ny Kongresy Nasionaly Indiana, dia mino fa manarona ny zava-misy marina ny vola maloto tadiavin'i Inde:

Fandrebirebena ireo kaonty Soisa. Eto Inde ihany ny ankamaroan'ny vola maloto – TOI – http://t.co/gWytfYSn9L #AccheDin ho an'ny #BlackMoney any Inde

_ Sameer Bhagat (@iSameerBhagat) 7 Jolay 2014

Ireo hafa, toa an'i Amrita Dasgupta, mponina any Varanasi sy Delhi, dia mikaroka valinteny avy amin'ireo mpanao politika izay misahana mivantana ny fanadihadiana:

Ahoana ny fihetsiky ny #BJP, #Ramdev sy #Subramnyam Swami tamin'ny fanambaràn'ny #GOI mikasika ny #Volamaloto?

— Amrita Dasgupta (@amritdasgupta) 7 Jolay 2014

Raha toa ka mbola tsy hita tsara ny fomba hiafaran'ny fikarohana ireo vola maloto, dia nisarika ny sain'ny maro ny hevitra hahitàna ny vola 1,34 lavitrisa dolara amin'ireo vola nafenina. Ho an'ireo Indiana izay mety manam-bola maloto miangona any ivelany, tsy maintsy hiandry izy ireo ary hijery ny fomba hahatonga ireo vola ho hampiasain'ny fanjakana. Mandra-pahatonga an'izany, tsy afaka ny hanao afa-tsy ny haminavina ny ankamaroan'ireo Indiana raha hanatanteraka ny toky nomeny ny Praiminisitra ary hikaroka ireo vola maloto izay nanalokaloka an'i Inde nandritra ny fotoana maro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.