Notapahan'ny ISIS Ny Lohan'ilay Mpanao Gazety Nalainy An-keriny, James Wright Foley Tamin'ny Hafatra An-Dahatsary Hoan'i Etazonia

James Foley, reportedly beheaded by the ISIS today as a message to the US to stop its intervention in Iraq. Photo credit: Nicole Tung

James Foley, voalaza fa voatapa-dohan'ny ISIS androany ho hafatra hoan'i Etazonia mba hampitsahatra ny firotsahany an-tsehatra ao Iraka. Sary: Nicole Tung

Navoaka androany ny lahatsary avy amin'ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria (ISIS) mampiseho ilay mpaka sary mpanoratra gazety Amerikana, James Foley Wright, izay nanjavona tao Syria nandritra ny 636 andro. Ao amin'ny lahatsarin'izy ireo, izay mbola tsy voamarina, nilaza ny vondrona fa “hafatra hoan'i Etazonia mba hampitsahatra ny firotsahany an-tsehatra ao Iraka” ity fanapahan-doha ity.

Araka ny filazan'ny Biraon'ny Fanadihadiana Federaly Amerikana (FBI), nalain'ireo “andian-jiolahy voaomana” an-keriny tao Avaratr'i Syria tamin'ny 22 Novambra 2012 ity mpanao gazety mahaleotena ity.

On November 22, 2012, James Wright Foley, a freelance photo journalist, was taken by an organized gang after departing from an internet café in Binesh, Syria. Foley had employed a translator to help him travel across the Syrian-Turkish border. The translator was also taken, but later released.

Tamin'ny 22 Novambra 2012, nalain'ireo andian-jiolahy voaomana an-keriny i James Wright Foley, mpanao gazety mpaka sary rehefa nivoaka ny cyber iray ao Binesh, Syria. Nanakarama mpandika-teny i Foley mba hanampy azy hivezivezy manerana ny sisintany Syriana-Tiorka. Nalaina an-keriny ihany koa ilay mpandika-teny, saingy navotsotra avy eo.

Nirohotra tao amin'ny pejy Avotsory i James Foely (Free James Foely) ny teny fampiononana, pejy natsangan'ny fianakaviany taorian'ny fakàna an-keriny azy ary miantso ho amin'ny famotsorana azy tsy voaratra.

Zaid Benjamin, mpanoratra gazety monina ao Washington DC, nilaza tamin'ireo mpanjohy azy 43.3K ao amin'ny Twitter, nandefa indray ny sary nalaina tamin'ilay lahatsary:

Notapahan'ny #ISIS ny lohan'ilay mpanao gazty mpaka sary James Wright Foley, ho hafatra hoan'i Etazonia mba hampitsahatra ny firotsahany an-tsehatra ao #Iraq. pic.twitter.com/8O6NOBWGbO

Voalaza fa niato teo amin'ny atsasakadiny teo ny kaonty Twittern'i Benjamin nanomboka teo – noho izy nizara ilay sary avy amin'ny lahatsary momba izao tantara (lahatsoratra) izao. Efa tafaverina ilay kaonty amin'izao fotoana izao.

Niteraka adihevitra antserasera ihany koa ilay sary izay efa noesorina tao amin'ny YouTube, mikasika ny hoe tokony ekena ao amin'ny “www” ny fitaovana tahaka izany satria ahafahan'ny ISIS mizara ny “fampielezan-keviny. Nanome kopian'ny lahatsary eto i Brown Moïse.

Ruwayda Mustafah, bilaogera Kiorda monina ao Angletera manana mpanjohy eo amin'ny 40K eo ao amin'ny Twitter, nanamarika hoe:

Tsy aiko saintsainina ny zavatra lalovan'ny fianakavian'i James Foley. Mino indrindra aho fa tsy mahita izany lahatsary izany izy ireo. Habibiana manoloana ny fahatsorany.

Tahaka ny maro, miantso ny hanivanana ny ISIS ao amin'ny media sosialy i Mustafah :

Mino aho fa tokony hanaisotra ny #ISIS amin'ny fampahalalam-baovao isika. Marobe kokoa noho izy ireo isika ary tsy tokony avelantsika hanjaka amin'ny fitantarana am-baovao ho fanomezana vahana azy ireo.

Ary hoy izy nanampy:

Nesorin'ny Youtube ilay sary misy an'i James Foley notapahan-doha. Misaotra ny rehetra tamin'ny fametrahana fitoriana azy. Azafady araho-maso ihany koa ireo Mpanohana ny ISIS

Mustafah nanampy tamin'ny filazana ny heviny:

Tsy mino ny sivana aho saingy mino aho fa tokony hatsahatra ireo izay mampiroborobo ny habibian'ny #ISIS, fa manome kianja hoan'ny sivana izany

Jousha Foust nilaza tamin'ireo mpanjohy azy 17K hoe:

Ry namana. Azafady aza misioka izany sarin'i James Foley izany. Tsy manampy ianao raha manao izany. Fa manao ny asan'ny ISIS fotsiny amin'ny fanaparitahana azy.

Mavitrika mampiseho ireo asany mampihoro-koditra ao Syria sy Iraka amin'ny aterineto mba hojeren'izao tontolo izao ny ISIS. Nibahan-toerana ny ISIS tamin'ny taon-dasa taorian'ny nanampian'ny jihadista manerantany ireo mpiadiny tao Syria, voalohany mba hiady amin'ny tafik'i Assad, ary avy eo mba hiady amin'ireo tafika mitam-piadiana hafa ao amin'ny firenena efa rotidrotiky ny ady. Tamin'ny volana Jiona, nibodo ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Iraka, Mosul, ny vondrona mpisintaka tamin'ny Al-Qaïda, izay mifehy ny ampahany ao Syria, izay jeren'izao tontolo izao ao anatin'ny horohoro.

Zeynep Tüfekçi, mpanampy mpampianatra ao amin'ny UNC iSchool.  Sakaizan'ny Princeton CITP, Harvard Mpiara-miasa amin'ny fakiolten'i Berkman amin'ny sôsiôlôjia, nanazava tamin'ireo mpanjohy azy 36.4K ao amin'ny Twitter:

Toy izao no fomba hitadiavan'izy ireo olona sy hampiteraka tahotra sy horohoro  RT @BSyria: Tamin'ity herinandro ity, nandefa ny lahatsariny tao anatin'ny folo segondra nanapahany loha Syriana maro ny ISIS

Ary nampahatsiahy ireo mpanjohy azy 103K kosa ny mpamoaka vaovao eo noho eo DJ Andy Carvin mikasika ny zava-tsarotra isan'andro atrehin'ny mpanoratra gazety eny ifotony:

Fotoana tahaka izao no ahatsiarovako fa zava-poana (tsy misy dikany) izay zavatra ataoko – zava-poana (tsy misy dikany) – raha oharina amin'ny loza atrehin'ireo mpiara-miasa amiko isan'andro.

Tamin'ny taona 2011, nosamborina tao Libya ihany koa i Foley. Faisal Irshaid, mpanoratra gazety ao amin'ny BBC nizara ity lahatsary misy an'i Foley miresaka momba izany ity.

Mandria am-piadanana James #Foley. Amin'ity lahatsary ity, miresaka momba azy tamin'izy nosamborina tao Libya tamin'ny 2011 i James – mpanoratra gazety mahery fo tokoa izy: http://t.co/qVdFLb2xx3.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.