Noraràn'ny Governemanta Shinoa Any Anatin'ny Fitateram-bahoaka Ny Hijabs, Volom-bava Lavabe Sy Ireo “Fitafy Tsy Araka Ny Tokony Ho Izy”

"Five abnormal" appearances are banned from public transport in Karamay city in Xinjiang during the 13th Xinjiang Sport Games

“Fitafy dimy tsy araka ny tokony ho izy” voaràra eny amin'ny fitateram-bahoaka ao an-tanànan'i Karamay ao Xinjiang nandritra ny Lalao Fanatanjahatena Xinjiang faha-13. Sary avy amin'ny mpisera Twitter @uponsnow

Nanambara ny fandraràna ny fitafy sy endriky ny volo “tsy araka ny tokony izy (mivaona)” misy ifandraisana amin'ny Miozolomana any anatin'ny fitateram-bahoaka ny governemantan'ny tanànan'i Karamay ao Shina, mba hisorohana izay mety ho hetsiky ny mpampihorohoro mandritra ny Lalao Fanatanjahantena Xinjyang faha-13 nanomboka tamin'ny 8 hatramin'ny 20 Aogositra 2014.

Nivoaka tamin'ny 4 Aogositra ny fanambarana miaraka amin'ny afisy mampiseho izay lazaina fa “fitafy dimy tsy araka ny tokony ho izy”. Mpisera Twitter @uponsnow nanasongadina izany vaovao izany tamin'ny fandefasana ny kopian'ilay afisy :

Voaly manarona tava, hijab, burqas, fitafy ahitana volatsinana sy kintana ary ny lehilahy manao volombava lavabe – voaràra any anatin'ny fitateram-bahoaka ireo karazana fitafy dimy voalaza eo ambony ireo. Voaràra ny fitafy ahitana volatsinana sy kintana.

Mihenjana dia mihenjana ny fifandraisana eo amin'ny vahoaka Oyghur ao amin'ny faritra Xinjiang andrefan'i Shina sy ny governemantan'i Shina. Matetika niafara tamin'ny fifandonana nahafatesana olona ny fifandonana eo amin'ireo mpikatroka Oyghur sy ny manampahefana. Nilatsaka ireo fepetra famaizana ankehitriny taorian'ny fipoahan'ny fitroarana ara-poko nihoso-drà tao an-tanànan'i Kachgar tamin'ny 28 jolay. Sivily 37 no namoy ny ainy, ary nitifitra nahafaty olona 59 ahiahiana ho mpampihorohoro ihany koa ny polisy.

Nanamarika i Charles Liu avy ao amin'ny Nanfang.com fa mety ho lasa fepetra haharitra fotoana ela ity “fepetra vonjimaika” ity. Nanomboka tamin'ny 4 Jiona tamin'ity taona ity, nanomboka nanery ny mponina tsy hanao fitafiana mampiavaka ny Miozolomana ny manampahefana ao Xingiang satria “tsy araka ny tokony ho izy” izany. Tamin'ny volana lasa teo, noraràn'ny manampahefana ao Xinjiang mihitsy ireo mpiasam-panjakana mba tsy hanaja ny fifadian-tsakafo amin'ny Ramadany.

Nisongadina tamin'ireo vavahadim-baovao lehibe sy ny media sosialy ny vaovao momba ny fandraràna ireo “fitafy dimy tsy araka ny tokony ho izy”. Somary nizarazara ny fanehoan-kevitry ny vahoaka. Etsy andaniny, naneho ny fanohanan'izy ireo izany fepetra izany ny maro, ary nanoro-hevitra mihitsy aza fa tokony hihitatra manerana ny firenena ny fandraràna. Ireto manaraka ireto ireo fanehoan-kevitra matetika hita avy amin'ireo mpanohana ny governemanta (tao amin'ny takelaka fanehoan-kevitra ao amin'ny Weibo, Chongqing Morning Post):

- 不止克拉玛依,全国都该禁止
– 很多国家早就禁止公开场合穿着极端宗教主义服饰了
– 毫无疑问支持,要求铁腕落实
– 穆斯林必须世俗化,不然他们根本没出路!
– 就该这样,宗教回家回寺庙去,到公共场所就遵守世俗的规矩

- Tsy tokony ho ferana ao an-tanànan'i Karamay ihany ny fandraràna, tokony handràra izany [fitafiana] izany ny firenena manontolo.
– Maro ireo firenena no mandràra ny fitafiana misy marika fivavahana tahaka izany eny imasom-bahoaka
– Manohana tsy am-pisalasalana, mila fanohanana matanjaka
– Tokony hijanona ho laika ireo Miozolomana raha tsy izany tsy ho tafavoaka
– Izany no lalana marina. Tokony ho ferana ao am-piangonana ihany ny fanao ara-pivavahana. Tokony hijanona ho laika ny toeram-bahoaka.

Etsy an-kilany, manontany kosa ny maro mikasika ny fahombiazan'ity fandraràna ity. Ity manaraka ity ireo fanehoan-kevitra notsongain'ilay mpisera Weibo Dapeng777:

- 人为制造矛盾,换谁都不爽
– 我並不喜歡暴恐分子,也反感那些穿星月服的人,有時候在街上碰到穿著黑壓壓的衣服的新疆人,自己也會被嚇一跳。但是我覺得大鬍子並不能代表什麼,不能和恐怖分子聯繫起來,如果因為留了大鬍子就不然人坐公交車的話,一些傳統的新疆人自然會心生不滿。
– 非我族类,其心必异。多少年了,就没点长进。民族主义的歧视,只会让矛盾越积越深。
– 马克思觉得冤枉啊,他也是年轻时就蓄大胡子的
– 让人想起南非种族隔离

- Loharanon'ady ny politika tahaka izany, mahatezitra olona
– Tsy tiako ireo mpampihorohoro ary mahatsiaro tsy mahazo aina aho mahita ireo mitafy marika volana sy kintana. Indraindray aho matahotra ireo Xinjiang mitafy akanjo mainty. Saingy tsy midika na inona na inona ny volombava lava, ary tsy tokony ampifandraisana amin'ny mpampihorohoro. Raha voaràra any anatin'ny fitateram-bahoaka izy ireo, dia hahatsiaro ho sorena ireo mponina mpandala ny nentim-pahazarazana indrindra ao Xinjiang
– Fifikirana ho mahatoky amin'ny resaka ara-poko. Taona maro taty aoriana, mbola manjaka ny fihetsika tahaka izany. Tsy hanao afa-tsy ny hampisy fifandirana bebe kokoa ny fanavakavahana mifototra amin'ny nasionalisma
– Manana volombava lavabe i Karl Marx hatramin'ny fahatanoràny…
– Mampatsiahy ahy ny fizarazarana ara-poko ao Afrika Atsimo ny [fandraràna]

Raha jerena ny fanenjehana ilay mpampianatra eny amin'ny oniversite Oyghur, Ibrahim Tohti, izay misolo-vava miaro ny fampihavanana ara-poko, sy ity politika famaizana tafahoatra vao haingana momba ny fitafiana Miozolamana ity, dia mbola hitohy ny ranomodin'ny fihetsiketsehana maherisetra sy ny famaizana. Araka ny nolazain'i Henryk Szadziewski, mpikaroka matihanina hoan'ny Tetikasa momba ny Zon'Olombelona Oyghur tamin'ny Foreign Policy, “Toa manome fitsipika ny manampahefana Shinoa fa ‘na miaraka aminay, na manohitra anay ianao’, ary manasazy izay tsy mifanaraka amin'izany”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.