Noraran'ny Fitondra-Miaramila ao Thailandy ny ‘Tropico’, Lalao amin'ny Solosaina Miresaka Didijadona Miaramila

tropico

Sary avy ao amin'ny pejy Facebook Tropico 5

Noraràn'ny manampahefana Thailandey ny lalaom-panazaratena amin'ny solosaina Tropico 5 rehefa noheverina hampididoza amin'ny filaminana sy ny fandriampahaleman'ny firenena.

Ny lalaom-panazarantena Tropico dia mamela ny mpilalao ireo ho mpanao didijadona antsoina hoe El Presidente hiantsoroka paradisa tropikaly iray ao Karaiba. Maka tahaka am-panesoana ny ‘Repoblikan'akondro’ tao Amerika Latina nandritra ny vanim-potoanan'ny Ady Mangatsiaka izany. Ho fitandroana ny fahefany, dia afa-manao fanonganam-panjakana ny mpitarika rehefa hamaly ny filànan'ny olom-pirenena ao aminy. Avoitran'ny Tropico andiany faha-5 i El Presidente mitondra nosy tropikaly iray hatramin'ny fanombohan'ny vanim-potoan'ny fanjanahantany ka hatramin'ny vanim-potoana maoderina.

Rehefa nijery ny lalao ny Vaomiera Nasionaly Misahana ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana (NCPO) dia nanome baiko ny Departemanta Fampiroboroboana ny Kolontsaina eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny Kolontsaina hampitsahatra ny famarotana ilay lalao eo amin'ny tsena anatiny. Ny NCPO no anarana ofisialin'ny governemanta natsangan'ny tafika Thailandey, izay nanogam-panjakana tamin'ny 22 mey 2014.

Rehefa nandroba-pahefana ny tafika thailandey dia nametraka endrika fanivanana maro isan-karazany tao amin'ny firenena. Narahiny maso ny efitra famoaham-baovaon'ny fampitam-baovao lehibe tao amin'ny firenena ary fandikan-dalàna ny fivorivorian'olona dimy na mihoatra. Nolazain'ny tafika moa fa hatolony ny governemanta sivily ny fahefana rehefa avy mametraka fanitsiana ara-politika sy ara-pifidianana isan-karazany ry zareo.

Notsipahin'ny manampahefana Thailandey ihany koa ilay lalao satria lazaina fa manivaiva ny fitondram-panjakatokana. Araka ny lazain'ny sobakomitin'ny (komity kely) Biraon'ny Sarimihetsika sy ny Lahatsary, dia nandrara ny lalao ry zareo satria “mamela malalaka ny mpilalao hametraka ny anaran'ny firenena sy ny mpitondra na mpanjaka araka izay tiany” ilay lalao. nampian'izy ireo fa:

Playing a game is different from watching a movie, as this game allows all players to express their beliefs without fear of law, so it is inappropriate to distribute such a game, especially during the current situation.

Samy hafa amin'ny fijerena sarimihetsika iray ny mitendry Lalao iray, satria ity lalao ity dia mamela ny mpilalao rehetra haneho ny finoany tsy misy tahotra ny lalàna, ka noho izany dia tsy mety ny mampiely karazan-dalao tahaka izany, indrindra fa amin'izao vanim-potoana ankehitriny izao.

Nisy famoaham-baovao iray tohanan'ny fanjakana nanasongadina fa misy safidy ao amin'ilay lalao izay manome vahana ilay mpanao didijadona hanaisotra ny mpanjaka. Efa misy moa ny fitoriana ireo mpandrafitra (developera) ny lalao sy ireo mampiely azy ho manompa ny Mpanjaka (Lese Majeste). Efa nametraka lalàna henjana momba ny Lese Majeste (fanompana ny fitondram-panjaka) i Thailandy ho fanomezam-boninahitra ny MpanjakaBhumibol Adulyadej, olona fanta-bahoaka tian'ny ao amin'ny firenena indrindra.

Nonglak Sahawattanapong avy ao amin'ny New Era Interactive Media, mpampiely amin'ny fomba ofisialy ilay lalao ao Thailandy, nilaza fa tsy nanondro manokana ny toko azo tsiniana ao amin'ny lalao ny manampahefana:

The officials said some parts of the game are not appropriate for the current situation. They didn't pinpoint clearly which parts are problematic, but we believe it is related to government issues in Tropico 5.

Milaza ny manampahefana fa misy tsy mety amin'ny vanim-potoana amin'izao fotoana izao ny fizarana sasantsasany ao amin'ny lalao. Tsy tondroin-dry zareo mazava tsara hoe aiza ho aiza tsara daholo ireo miteraka olana ireo, saingy mino izahay fa misy ifandraisany amin'ny mampanahy ny governemanta ao anatin'ny Tropico 5   .

Mpandrafitra lalao (developera) Boligara Haemimont no nanangana ny Tropico 5. Namoaka fanambarana naneho ny fahadisoam-panantenany tamin'ny fandrarany ny lalao tao Thailandy ny Kalypso Media, izay mizakamanana (tompon’) ny lalao:

We are disappointed to hear that Tropico 5 will not be released in Thailand. ‘Tropico 3 and 4 both enjoyed successful releases in the country and although the Tropico brand does have a realistic political element to it, the scenarios and content are all delivered with a certain trademark tongue in cheek humour.

Diso fanantenana izahay mahare fa tsy hivoaka ao Thailandy ny Tropico 5. Samy nahafaly sy nahombiazana tao amin'ny firenena avokoa ny Tropico 3 sy Tropico 4 ary na dia ahitana singa ara-politika mety hifandraika amin'ny zavamisy aza ao amin'ny Tropico, ny fizotran'ny lalao sy ny votoatiny dia natao ho voamariky ny lafiny mampihomehy manokana daholo.

Eny fa na dia ilay olo-malaza noforonina El Presidente aza dia nisioka momba ny fandrarana:

Indraindray ny tena fiainana dia heverina ho tsara kokoa noho ny fakan-tahaka!  Noraran'ny fitondra-miaramila mitondra ao Thailandy ny Tropico 5

Mahatsapa ho mangana ihany aho amin'ny toe-draharaha ao Thailand, hany ka nanome karazana lakile ‘Fitondra-miaramila’ DLC amin'ny Tropico 4 ny namako @KalypsoMediaUK

Mpanadihady ara-politika Saksith Saiyasombut nanoratra fa “diso fitsara tanteraka ny zavamisy avy amin'ny zava-noforonina” ny manampahefana thailandey. Nampiany:

By invoking the ever-sensitive issue of the monarchy the censors are using a theme under which they can easily ban things – but on the other hand neither the developers nor the players probably had originally that in mind and are probably hearing it for the first time!

Tamin'ny fampieritreretana ny resaka saropady indrindra ao amin'ny fitondram-panjaka ny mpanao ny sivana no nampiasa lohahevitra ahafahan-dry zareo mandrara mora foana ny zavatra maro – saingy eo amin'ny lafiny ilany na ireo mpandrafitra na ireo mpilalao angamba tsy nanana saina izany mihitsy tamin'ny voalohany ary sambany vao nahare izany!

Ity endrika fanivanana farany ao Thailandy ity avy eo no nampiseho ny fiharatsian'ny fahalalaham-pitenenana sy fanehoan-kevitra ao amin'ilay firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.