Mandà Ny Tsy Hiara-Misakafo Amin'i Obama Amin'ny Iftar-n'Ny Trano Fotsy Ireo Mpitari-Tolona Silamo-Amerikana

Photo uploaded by Twitter user ‏@whphotos2013

Sary nakarin'ny mpampiasa Twitter ‏@whphotos2013 tamin'ny 12 Jolay 2014

Anio alina ny filoha Obama, ho fanohizana ny fombandrazan'ny Trano Fotsy natombok'i Bill Clinton, dia handray ny ‘iftar‘-ny fahenina, izay sakafo hariva mamarana ny andro fifadian-kanina mandritra ny volan'ny Ramadanin'ny Silamo. 

Nefa tamin'ity taona ity, satria mbola manohy midaroka baomba an'i Gaza ihany Israely, ary noporofoin'ireo ampamoaka vao haingana fa mitsikilo ireo mpitarika ny vondrom-piarahamonin'ireo Silamo-Amerikana amin'ny hoe ” fomba miafina hitsikilovana ireo mpampihorohoro sy ireo mpitsikilo vahiny ” ny governemanta Amerikana, vondrona iray Arabo-amerikana mpiaro zo sy Silamo Amerikana mpikatroka maromaro fantatry ny rehetra no nibodo tsy nanatrika ilay iftar ofisialy. 

Izao no voalazan'ny fanambarana navoakan'ny Komitin'ny Arabo-Amerikana Manohitra ny Fanavakavahana  (ADC) androany : “zava-dehibe ny fatotra ara-politika, mavesa-danja lavitra ny fipetrahana eo amin'io latabatra io — fa fotsiny rehefa seza natao hanamafisana ny feonay amin'ny maha-vondrom-piarahamonina anay,  fa tsy  fihetsiketsehana ivelany na famolahana ” 

Nibitsika i Amani Al-Khatahtbeh, Arabo-Amerikana mpitoraka bilaogy, mpamorona ny MuslimGirl.net sy ny haino aman-jery mpisolo tena ny ADC :

Raha mieritreritra ny momba anay ny @WhiteHouse, voalohany indrindra ajanony ny famonoana olona tsy misy antra ataon'i @Israel any Gaza ary atsaharo ny fitsikilovana tsy ara-dalàna anay.

Ao anatin'ny lisitry ny vahinin'i Washington DC matetika ireo diplomaty avy amin'ny firenena Silamo, ireo mpanao politika misolo tena ny fari-piadidian'ny Silamo-Amerikana ary ireo mpitarika fototra avy amin'ny 3,5 tapitrisan'ny vondrona matanjaka Silamo Amerikana. Tamin'ity taona ity, voaasa ihany koa ny masoivohon'i Israely any Etazonia , i Ron Dermer

Wajahat Ali, a prominent Muslim-American activist and lawyer, award-winning playwright and co-host of AlJazeera America's The Stream wasn't invited to this year's iftar, but posted this on his public Facebook page:

Tsy voaasa tamin'ny iftar tamin'ity taona ity i Wajahat Ali, Silamo-Amerikana mpikambana mafana fo sady  mpisolovava,  mpanoratra tantara mampihorohoro nahazo loka sady mpiara-manentana ao amin'ny The Stream ao amin'ny AlJazeera America, fa  namoaka ity tao amin'ny pejiny Facebook izay azon'ny rehetra jerena izy :

Faly aho fa ho any amin'ny ny iftarn'ny Trano fotsy ny SilamoFaly aho fa mibodo ny iftarn'ny trano fotsy ny Silamo

Arahabaiko ny tsy fifanarahana.

Tsy afaka hisy ary tsy tokony ho asiana fampiraisan-doko ny fomba fijery ao anatin'ireo vondrom-piarahamonina ahitàna antokom-pinoana marolafy ao anatinà fiarahamonina marolafy amin'izao fotoana moderina izao, tontolo 2014 misy vahoaka miaina anatin'ny fanontoloana miaraka amin'ny maha-izy azy tsirairay tsy azo fehezina.Lazao ny Rahalahy Obama ny fiarahabàna Assalam Alikum avy aty amiko. Ary ilazao izy mba hijery aty ivelany aty amin'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ireo sora-baventy mba hampitsaharan'ny governemanta ny fitsikilovana ahy…. raha tsy hoe, mazava loatra, mila ny fomba fanaovana ny biryani sy ny rohy mankany amin'ny Game of Thrones angaha ry zareo.

Mbola notazonin'ny governemanta Amerikana nandritra ny folo taona mahery ny iftars mba hankalazana ny Ramadany, miaraka aminà hetsika ampiantranoin'ny Trano Fotsy sy ireo rantsana hafa ao amin'ny governemanta. Nankasitrahan'ny vondrona Silamo-Amerikana io fotoana io tamin'ny voalohany vao nanomboka, fa taona vitsy lasa izay dia voatsikeran'ny maro izay mahita io sakafo ofisialy io ho andrana amin'ny fiampirasana feno fihatsarambelatsihy  satria mbola mitohy manao ny politika izay melohin'ny vondrona Silamo-Amerikana ihany ny governemanta Amerikana – fanerena hihinan-kanina sy fanagadrana olona any Guantanamo Bay, fanaraha-maso ataon'ny fanjakana amin'ny  Silamo-Amerikana , ary ny hetra Dolara Amerikana hamatsiana ny fibodoan'i Israely an'i Palestina. 

Photo uploaded by Twitter user @amgh0 "Happening now: #whitehouseiftar" on July 14, 2014 at  9:15 pm Washington DC time.

“Ny zava-misy amin'izao fotoana izao : #whitehouseiftar”. Sary nakarin'ny mpisera amin'ny Twitter @amgh0 tamin'ny 14 Jolay 2014 tamin'ny 9:15 alina, ora any Washington DC.

Fanomezana fotoana ho an'ny governemanta amin'ny fampiasana antsika ho toy ny ampinga fiarovana hitadiavana fankatoavana avy amin'ny vondrona misy antsika ny fanatrehana ny #WhiteHouseIftar amin'ity taona ity

Mpikaroka sy mpitolona Silamo-Amerikana 100 no niantso ny tsy hankanesana any amin'ny Iftar-n'ny Trano Fotsy tamin'ity taona ity  tao anaty taratasy misokatra miaraka aminà teny henjana :

Vondronà mpikaroka, mpisolovava, mpitolona ary mpikarakara avy any ifotony izahay izay tohina mafy tokoa ary tena miahiahy mafy amin'ny herisetra ataon'i Etazonia amin'ny endrika lazaina fa fiarovam-pirenena. Tohina mafy tokoa izahay hoe ahilika tsotra izao noho ny resaka fiaraovam-pirenena ny zo maha-olombelona sy ny zon'ny Silamo ary ny tsy Silamo, fiaraovam-pirenena izay lazaina fa demokrasia sy mpitarika izao tontolo izao, no sady manohy hatrany ny fanaovana politika manohitra ny demokrasia sy ny tonga lafatra. Tohina mafy izahay izahay noho ireo olon-tsotra maro mizaka fanambaniana, fitànana am-ponja, fampijaliana ary famonoana noho ny maha-Silamo na fananany endrika Silamo.

From the US Campaign to End the Israeli Occupation Facebook page which was more than 45,000 likes.

Avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Fanentanan'i Etazonia hamarana ny fibodoan'ny Israely, izay misy mpitia maherin'ny 45.000.

Izao no nobitsihin'ny pejy Facebook-n'ilay Silamo iray mpikaroka malaza any Texas izay misy mpitia maherin'ny 250 K:

Ny eritreritro momba ny #WhiteHouseIftar pic.twitter.com/yZrN6x3nZN

Nibitsika ihany koa i Keith Ellison, ilay Silamo-Amerikana voafidy voalohany ho ao amin'ny Kongresy tamin'ny 2006 :

Tsy hanampy amin'ny fandrosoan'ny resaka momba ireo olana politika izay mahaliana antsika ny tsy fanatrehana ny sakafon'ny #WhiteHouseIftar anio hariva http://t.co/DXm5ivcj5a .

Izao no nolazain'ny Filoha Obama nanoloana ny mpanatrika ny iftar-n'ny Trano Fotsy tamin'ny taon-dasa :

Isan'andro, miara-miasa amin'ny famolavolana ny fomba fisainantsika, ny fomba fiasantsika ary ny fomba fanaovantsika ny raharaham-barotra ireo Silamo-amerikana. Ary izany no fanahy ankalazaintsika amin'ity hariva ity – ireo mpanonofy, ireo mpamorona izay ny hevitr'izy ireny no nisava làlana ho amin'ny orinasa vaovao, famoronana asa vaovao ary manatosaka vintana vaovao ho antsika rehetra hahafahana hanao zava-baovao.

Nanoratra tantara mampihetsi-po momba ny anadahiny i Mariam Abu-Ali, ilay mpanoratra Silamo-Amerikana, tranga iray izay nahazo anjara fandrakofana kel nataon'ny haino aman-jery Amerikana, tanaty lahatsoratra antsoina hoe :  Iftar Iray Hafan'ny Trano Fotsy, Ramadany Hafa Tsy Misy Ny Anadahiko :

Hatramin'ny nahatongavany teo amin'io toerana io, toy ny fanaony isan-taona dia mazava ho azy fa hampidirin'ny Filoha Obama amin'ny fanamarihana ataony ny tantaran'ny fahombiazan'ireo Silamo amin'ny fandraisana anjara goavana amin'ny fiarahamonina Amerikana, anatn'ny ezaka hanehoany ny fidiran'ny Silamo an-tsehatra amin'ny fandrafetana ity firenena ity.  Fa ny zavatra tsy hoambarany, ary tsy ho heverin'ireo ao anaty trano akory aza, dia ny fitombon'ny isan'ny Silamo izay tra-pahavoazana amin'ny antsojay tsy misy indrafo ataon'ny governemantan'i Etazonia, toy ny fitsikilovana, ny fampijaliana ary ny fitsarana miangatra.

Mino aho fa iray amin'ireny tra-pahavoazana ireny ny anadahiko. Tamin'ny Jona 2003, nosamborin'ny manampahefan'ny mpikaro-baovao momba ny fitsikilovana tany Arabia Sodita i Ahmed Abu-Ali, teratany Amerikana, fony izy nianatra tany amin'ny Oniversiten'i Madinah. Vao 22 taona izy. Toy ny hoe nomen'ny governemanta Amerikana baiko ny governemanta Saodiana mba hitàna azy nandritra ny roa taona na dia tsy nisy vesatra aza. Avy eo nampodiana i Ahmed ary nampangaina ho niray tsikombakomba hamonoana ny filoha George W. Bush. Ny hany porofo nomena ny fitsarana dia ny rakitsarin'ny fiaiken-keloka noraisina tany amin'ny fonja tany Arabia Saodita– fiaiken-keloka izay nolazain'ny anadahiko fa azo tamin'ny alàlan'ny fampijaliana. Voaheloka vokatr'izany izy ary dia voasazy 30 taona an-tranomaizina ( ary mandra-pahafaty nony taty aoriana key). Hiaina irery ao an-tranomaizina mandrakizay noho ny heloka tsy nataony ny anadahiko izay na dia ny mpitsara aza dia nilaza fa ” tsy mbola tonga taminà tena voaheloka tokana”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.