Fanazavana An-tsary 4 Miresaka Fiparitahan'ny Aretina Ebola Ao Afrika Andrefana

Namely mafy ny faritra Afrika Andrefana ny aretina Ebola mahafaty olona mbola tsy nisy tahaka izany ka 700 no namoy ny ainy hatramin'ny volana Marsa. Liberia, Sierra Leone,  Ginea ary Nizeria no firenena tratran'ny aretina hatramin'izao. Tamin'ny 9 Febroary tao amin'ny alan'i Guinea no nahitana ny tranga voalohany. Niparitaka haingana tao Conakry renivohitra ary avy eo tao amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina aminy ao Liberia sy Sierra Leone ilay valan'aretina. Voalaza fa 59 no fitambaran'ny olona namoy ny ainy noho ny Ebola tao Ginea tamin'ny volana Marsa. Noho ny fianahana haingana an'iilay valan'aretina, voalaza fa olona roa koa no namoy ny ainy tao Lagos, Nizeria, tao amin'iray amin'ireo tanàna be mponina indrindra ao amin'ny faritra. Nanjary nifindran'ny aretina Ebola ilay mpiasa Amerikana mpanao asa soa, Dr. Kent Brantly sy ny mpiara-miasa aminy Nancy Writebol raha niasa tao amin'ny toeram-pitsaboana ao Monrovia; nafindra tao amin'ny Oniversiten'i Emory akaikin'ny Foibe Fanarahamaso ny Aretina izy ireo mba hotsaboina. Nanjary niteraka resabe teo amin'ireo mpanara-baovao Afrikanina ny tsy fahazoana avy hatrany ny fitsaboana izay efa vonona ao Etazonia.

Indreto ny fanazavana an-tsary efatra ho famintinana ny toe-javatra ankehitriny eny ifotony:

1. Famintinana Ankapobeny Mikasika Ny Aretina Ebola (tao amin'ny @thedailymonitor tamin'ny 01/08/2014)

#INFOGRAPHIC: Maherin'ny 700 ankehitriny ireo olona namoy ny ainy tamin'ny fihanaky ny aretina #Ebola ao Afrika andrefana. pic.twitter.com/4UhL3xfOwZ

2. Foibe Fitsaboana misy ao amin'ny faritra mitaha amin'ireo fisian'ireo tranga voalaza (tao amin'ny @aiddata, 01/07/2014)

Noon #ARC Manasongadina an'i @dadakim: Mampiharihary ny fetran'ny setriny iraisam-pirenena sy ao an-toerana ny fihanaky ny aretina #Ebola http://t.co/89uz33DFEJ @ajam pic.twitter.com/D8U0pUaTyd

3. Ahoana no amantarana ireo trangan'aretina Ebola ary inona no tokony atao (tao amin'ny @4eyedmonk ao Nizeria sy @katiejames)

Notaterina tamin'ny fomba ofisialy fa nisy ny olona namoy ny ainy noho ny otrik'aretina Ebola tao Lagos. Ity no ilaina ho fantatra momba ny otrik'aretina..pic.twitter.com/wbb3B7pT46

Famantarana ny trangan'aretina Ebola #Ebola #EbolaOutbreak #Ebolasymptoms pic.twitter.com/cmr4SdHIOh

4. Fantaro ny lalam-piainana ara-boajanaharin'ny Ebola (tao amin'ny CDC)

The ecology of Ebola by the CDC - Public Domain

Ny lalam-piainana ara-boajanaharin'ny Ebola avy amin'ny CDC – Sary azon'ny rehetra ampiasaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.