Hanomboka Hanakatona Ireo Habaka Eo Noho Eo Ve i Rosia ?

Could real-time Internet filtration be coming to Russia? Images mixed by Kevin Rothrock.

Mety ho tonga ao Rosia ve ny fanivanana eo noho eo ny aterineto? Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Manoloana ny fametrahan'ny Roskomnadzor lisitra mainty, eo koa ny fisoratan'ny blaogera anarana [mg] ary ny fanakanana kaonty Twitter [mg] tsy mila fanamarinana mazava ao amin'ny tontolon'ny RuNet, dia te-hampiditra sivana mandeha hoazy eo ho eo koa i Rosia ankehitriny izay hahafahana manakatona ireo habaka ahitana “votoaty mampidi-doza”.

Hanampy karazana rakotra sivana faharoa amin'ny rafitra lisitra mainty amin'ny habaka [mg] efa misy ao Rosia ny tetikasa natolotra, izay takiana amin'ny Mpamatsy tolotra aterineto ny fanakatonana ireo habaka rehetra ahitana “antso hanao fitroarana, hetsika extremista, fitarihana fankahalana ara-poko na fiandaniana tafahoatra, hetsika fampihorohoroana, na fandraisana anjara amin'ny hetsi-bahoana tontosaina ao anatin'ny fanitsakitsahana ireo fepetra tokony arahina”.

Araka ny tatitra avy amin'ny ITAR-TASS, hitaky amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto ( FAI ) mba hametraka “fanasivanana am-paharanitan-tsaina” ahafahana mijery sy manakana “votoaty mampidi-doza” i Rosia, izay heverina ho azo fantarina raha ankinina amin'ny lisitr'ireo teny miafina efa napetraka mialoha. Ny Ligin'ny Aterineto Milamina (Salama) (Safe Internet League), fikambanana tsy miankina mankatò ny Kremlin ary miara-miasa amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto Rosiana marobe no nanolotra ny hevitra “fanasivanana am-paharanita-tsaina” sy ny antsipirahan'ny ara-teknikany.

Tale mpanatanteraka ao amin'ny Ligin'ny Aterineto Milamina, Denis Davydov nanazava fa voafetra amin'ny fanasivanana ireo votoaty mampidi-doza ny lisitra mainty misy, nilaza ihany koa fa raha vao tafapetraka eo anivon'ny FAI ny rafitr'izy ireo, dia afaka manadihady eo ho eo ny votoatin'ny habaka ary manakatona mora foana ireo pejy manaratsy ry zareo :

“Мы предлагаем ввести предустановленную фильтрацию интернета, которая позволяет автоматически в режиме реального времени определять содержимое страницы, запрашиваемой пользователем. Система оценивает содержимое страницы и определяет категорию, к которой относится информация. В случае если категория является запрещенной, система автоматически блокирует интернет-страницу”.

Manoro-hevitra ny ampidirana fanasivanana aterineto ho fisorohana izahay, izay ahafahantsika mamaritra hoazy ny votoatin'ny pejy takian'ny mpiserasera eo ho eo. Hanombana ny votoaty ao amin'ny pejy sy hamaritra ny sokajy misy ny vaovao ny rafitra. Raha sendra voaràra ilay sokajy, hakaton'ny rafitra hoazy ilay pejy habaka.

Nihevitra ireo olona mpanesoeso miavaka ao amin'ny RuNet fa tsy hanao zavatra hananganana tontolon'ny aterineto azo antoka izany ny fisantaran'andraikitra vaovaon'ny Ligy – fa, hanampy trotraka amin'ny algoritman'ny fanjakam-birao fotsiny manoloana ny fetra efa napetraka amin'ireo mpiserasera ao Rosia, ary hanjary ho sarotra amin'ireo mpiserasera ny hiditra ao amin'ny votoaty ankafiziny

Mpaka sary Anton Martynov nanoro-hevitra am-pamazivaziana fa nahomby tamin'ny fiezahany “hamaha ny olana aterineto” i Rosia :

Mbola mitolona ry tontolo any ambadika any ary tsy mahatakatra azy, saingy voavahan'ny Ligin'ny Aterineto Milamina (Salama) ao Rosia izany: http://t.co/zXUV1FjkzW – oe, voninahitra hoan'i Rosia!!!!!!

Tezitra tamin'ity tetikasa vaovao fanasivanana ity i Ilya Varlamov, bilaogera:

Manolo-kevitra ny amin'ny fametrahana fanasivanana votoaty mialoha ao Rosia ny Ligin'ny Aterineto Salama (Milamina). Misy olona afaka mampitony azy ireo ve azafady?

Mpandraharaha amin'ny aterineto Gaidar Magdanurov nihevitra fa mampanao izay tsy hamokarana ireo ezaky ny Ligin'ny Aterineto Milamina:

Manohy miady amin'ny aterineto ny “Ligin'ny Aterineto Voaaro” http://t.co/tWOpMBLIGt.

Tamin'ny fiandohan'ity fahavaratra (ila-bolantany avaratra) ity, nanolo-kevitra momba ny rafitra fanasivanana aterineto mandeha hoazy ny solombavambahoakan'ny Douma Yelena Mizulina mba hiarovana ny fihevitr'ireo tanora ao Rosia. Nangataka i Mizulinamba hanakatona eo am-panombohana izay votoaty “hoan'olon-dehibe” ao amin'ny habaka ny mpamatsy tolotra aterineto ho fananganana “Aterineto Madio”. Hahazo alalana hiala amin'ny rafi-panivanana ireo mpanjifa, saingy amin'ny fanaovana fangatahana manokana any amin'ny mpamatsy tolotra aterineton'izy ireo.

Nilaza i Davydov fa ireo developera ao amin'ny Ligin'ny Aterineto Salama dia efa nanandrana ny maodely fanasivanan'izy ireo misy dingana roa tao amin'ny faritr'i Kostroma sy Omsk, ary koa tao amin'ny Repoblikan'i Komi, ary nahita fa niasa tsara izany (araka ny filazany). Halefa amin'ny sehatra lehibebe kokoa ve ny fampiasana azy, hiteraka fibaribarian'ny fanjakana te-hifehy ny Aterineto Rosiana izany. Nahita fomba maro hanakanana ny fanakatonana ny lisitra mainty ny mpiserasera, amin'ny fampiasana VPN sy fitaovana fanakanana hafa hijerena ireo pejy habaka ankafizin'izy ireo tafiditra lisitra mainty. Raha tena hampiharina tokoa ny “fanasivanana am-paharanitsan-tsain”, dia afa-mieritreritra sahady ny tsirairay amin'ny hafangainan'ny mpiserasera Rosiana hianatra hiboritsaka amin'ny fifehezana mihamangeja hatrany amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.