Famatsiana Vola Ny Toekarena : Rehefa Ny Fironana Amin'ny Tsenam-bola No Manavotra Ny Tsy Vitan'ny Banky

Tsy mahita sitraka mihitsy eny imason'ny rehetra ireo banky, ampangaina ho tendan-kanina loatra talohan'ny olana ara-bola, ary ankehitriny indray tsy manam-pahavononana amin'izao ora tena ilàn'i Frantsa sy ny faritra Euro famatsiam-bola izao. Ary tsy ho eo imason'i Arnaud Montebourg, Minisitry ny Toekarena mihitsy koa aloha, izay manakiana azy ireo ho tsy ampy fitiavan-tanindrazana. Kanefa, raha mitankisitra ry zareo amin'ny fanomezana fampindramam-bola, dia satria noho izy ireo voafatotry ny lamboridin'ny fepetra iraisam-pirenena tao Bâle. Na inona na inona anefa, tena faran'izay maika ny fahitàna fomba hafa hamatsiana vola ny toekarena. Tato anatin'ny fotoana fohy, toy ny vahaolana mahasarika ny mason'ireo lehibenà orinasa ny tsenam-bola.

 « Toy ny menaka mandry anaty rà – “cholestérol” – ny resaka fitantanam-bola, misy ny tsara sy ny ratsy ». Raha vao hoe hiresaka rafitra banky, tsy mitsitsy mihitsy i Arnaud Montebourg, Minisitry ny Toekarena. Raha tsy ampy moa ilay fampitahàna,  manilika soa aman-tsara any amin'ireo banky izy mba hanazavàny ny fihitsohan'ny toekarena frantsay. Tsy misy mihitsy hafatra tonga dia mivantana niriany halefa ho an'ireo banky ireo tahaka ilay hafatra nalefany tamin'ny Aprily 2014 nandritry ny fitsidihany ny orinasa Clauger, misahana ny resaka fampangatsiahana indostrialy, tao Brignais, akaikin'i Lyon.

« Ny ratsy dia ilay manantena fisondrotam-bidim-piainana, ny tsara kosa dia ny mijery ny fametraham-bola mandritry ny fotoana maharitra, mampindrana vola ireo orinasa madinika sy salantsalany aty amin'ny faritra, manohana ireo lehibenà orinasa, manao izay hahafahan'ny orinasa mitombo sy manatsara », hoy ny nambàrany, talohan'ny niantsoany tamin'ny fomba hentitra ireo banky mba « handray anjara amin'ity hetsika fitiavan-tanindrazana ity ».

Tendan-kanina loatra sa diso malina, manao ny di-dohany fotsiny ve ireo banky ?

Tamin'ny krizy 2007, nampangaina ho tendan-kanina loatra ny banky tamin'ny fanaovany rafitra fandraharahàna ikatsahana fampiasam-bola miteraka tombony faran'izay betsaka. Vokany : lasa ny volam-panjakana no namenoana ny banga tamin'ny renivola manokan'ireo mpitantana banky izay tsy nahavita niatrika ny fandraisana risika nataony nony injay nikorotsaka ny zavatra rehetra. Androany, ny mifanohitra tanteraka amin'izay no misy : ampangaina indray ho diso mitandrina be loatra ry zareo. « Mandà tsy handray risika ny banky, ary tsy hiditra hitsapatsapa hanome tànana ho an'ireo orinasa. Vokany : mandalo fatiantoka goavana isika any amin'ireo orinasa madinika indrindra sy salantsalany ( TPE sy PME) », hoy indray ny minisitry ny toekarena nandetika kokoa ny fantsy nandritry ny fametrahana fanontaniana tamin'ny governemanta tamin'ny 10 Jona  2014.

Tsy diso ilay minisitra ao anatin'izany zava-misy izany. Ny 3 janoary 2014, nanambara ny fijotsoan'ny fampindramam-bola ho an'ny sehatra tsy miankina hatrany amin'ny 2,3 % isan-taona ireo antontan'isa avy amin'ny Banky Foibe Eoropeana (BCE). Tarehimarika manahirana ka mahatonga ireo mpahay toekarena hihetsika : « Ny tena manahirana dia izao, tsy misy marika mihitsy maneho hoe mety hitsimbadika io fironana eo amin'ny resaka fampindramana vola ataon'ny banky io ho an'ireo orinasa anatin'ny faritra Euro, izay mampitombo ny tsindry atao amin'ny BCE mba hihetsehany », hoy ny nambaran'i Howard Archer, lehiben'ny mpahay toekarena mitarika ny IHS Economics, sampana Eoropa.

Mety mbola hanampy trotraka ny fampihenana ny fampindramana vola indray ireo safidy noraisin'ny BCE

Tsy azo lazaina ho nitarazoka izany. Ny 5 jona, nanambara ny fidinan'ny tahan-janabola i Mario Dragh, filohan'ny Banky Foibe Eoropeana.  Miiba manomboka izao, noheverina handrisika ireo bankim-barotra tonga hametraka ny volany ao amin'ny BCE mba hampindrana bebe kokoa ilay tahan'ny fitehirizam-bola (- 0,10 %). Indrisy, ny tena atahorana mafy aza dia ny hakàn'ny banky io sanda io any amin'ireo mpanjifa ao aminy amin'ny alàlan'ny fampidinana ny zanabolan'ny fametrahana vola tahiry.

Na, safidy iray hafa, mbola ny fampindramana vola hatrany no ho fanina. Izay mihitsy moa no efa vinavinain'i Gilles Moec, tale mpiara-mitantana ny fikarohana  ara-toekarena ao amin'ny Deutsche Bank, « Raha izay hita tany Danemark, tsy nampidina ny zanabola fanomeny ny vola tahiry ny banky, olana teknika saro-bahàna, fa kosa nampitombo ny zanabola amin'ny vola indramina. Tamin'ny alàlan'io fomba io no nanenjehany ny elanelana veriny tany amin'ny zanabola amin'ny vola tahiry ».

Ny apetrak'ireo fepetram-pahamailoana Bâle amin'ireo banky

Singa hafa tena avy amin'ireo fepetra fandrindràna fotsiny izao no manazava ilay fangiazana ny fampindramana vola. Raha mandà ny handray risika ny banky, dia satria tena voatery hanao izany araka ny lalàna ry zareo amin'ny fanarahana ilay fandrindràna ny asan'ny banky (Bâle I, II sy III) izay tena nanova hatrany amin'ny aty lalin'ny fandraharahàn-dry zareo mihitsy.

Ny Bâle I sy  II dia manery ny banky hitazona renivola mifanahantsahana amin'ny risika noraisiny, ary indrindra fa ny risika amin'ny fampindramana vola (tsy maintsy 8% amin'ny vola nampiasaina). Izay fampakàrana renivola rehetra dia misy sandany avokoa, tsy manana safidy ny banky afa-tsy ny mametra ny fanomezana fampindramam-bola vaovao. Mbola manamafy hatrany ireny fepetra ireny ny Bâle III. Ny fandinganana ireny fitsipika ireny dia tsy manao afa-tsy ny mitondra azy ireo ho any amin'ny tsy fanarahan-dalàna tsotra izao.

Toa midona amin'ny tamboho daholo no fahitàna izany rehetra izany. Eo ampiandrasana, mila mamatsy tena ireo orinasa ary indrindra fa ireo orinasa madinika sy salantsalany, ary mety azo eritreretina ny hoe hanonofinofy ihany ry zareo raha hanantena fihetsika fitiavan-tanindrazana tsy mbola azo antoka avy amin'ireo banky.

Ny tsenam-bola : safidy iray mahasarika

Mipoitra araka izany ny tsenam-bola ho toy ny vahaolana iray azo isafidianana amin'ny famatsiana vola azo raisina, na ho an'ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) na ny ETI izay namoronan'ny Euronext zana-tsampana mihitsy ho azy, EnterNext. Ankoatra izay, mitondra tosika vaovao ho an'ny toerana ara-bolan'ny frantsay sy ny tsena eoropeana ilay vondrona. Ny fampidirana azy ho eo amin'ny tsenam-bola, taorian'ny fito taona naha-teo ambanin'ny NYSE Euronext, dia tokony hahatonga azy ho « ivontoerana famatsiana ny toekarena misy any Eoropa»  hoy i Dominique Cerutti.

Toy ny efa fantatr'ireo lehibenà orinasa dieny mialoha izany satria efa nanomboka nitodika tany amin'ireo tsena ireo ry zareo. Vokatr'izay indrindra, mifanindran-dàlana amin'ny lanja mavesatry ny fanaovana fifanarahana findramana vola amin'ny banky hita tany ampiandohan'ny taona, ny asa fanomezan-dahàrana sy ny fifampiraharahàna dia nahitàna fiakarany 8,7 %, hoy ny Euronext tamin'ny 3 jolay 2014. « -Ny fiakaran'ny sanda teo amin'ny tsenan'ny Euronext dia azo azavaina indrindra amin'ny fiverenan'ireo fampiasana renivola goavana, sy amin'ny fiakarana mivaingan'ny fampidirana PME-ETI ho ao anatin'ny tsenam-bola», hoy koa ny fampahafantaran'ny Euronext tao anaty fanambaràna iray.

Ny ampahany tànan'ny famatsiana ireo PME sy ny ETI avy amin'ny tsenam-bola dia tena zara raha misy satria hatreo amin'ny 1%. Saingy raha jerena sy araka ny fahalinana misonga entin'ny tsenam-bola sy ireo fepetra antonony takian'ny banky, dia azo heverina ny hitomboany ato anatin'ny volana vitsy ho avy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.