Misedra Tondra-drano Indray i Serbia 2 Volana Taorian'ny Iray Nandravarava

A man uses a boat to navigate the streets in Vršac, Serbia during a new wave of flooding in July 2014. Photos collected by Nenad Kiss from social media users, widely circulated online.

Lehilahy iray mandeha amin'ny lakana fingotra eny an-dalamben'i Vršac, ao Serbia, nandritra ny tondra-drano faharoa, tamin'ny jolay 2014. Saripika nandehandeha tamin'ny internet, nangonin'i Nenad Kiss avy amin'ireo mpiseraseran'ny media sosialy..

Taorian'ny tondra-drano lehibe tamin'ny mey 2014 tany amin'ny firenena maro tao Balkans, voina voajanahary tsy fantatr'io faritra io intsony efa taonjato iray izay, dia mbola difotra anaty rano indray i Serbia nandritra ny andro faramparan'ny volana jolay.

Amin'ny fomba ofisialy, ny teti-bidin'ny zavatra simba nateraky ny voina tamin'ny volana mey ho an'i Serbia fotsiny dia efa mihoatra ny iray miliara euros, ary fonenana maro no potika ary aina maro no nafoy. Tamin'ny 30 jolay 2014 tokony ho tamin'ny folo ora alina, nanomboka nirotsaka tamin'ny faritra maro tao amin'ny firenena indray ny oram-baventy ary tsy nitsahatra raha tsy 12 ora taty aoriana. Avotry ny tafika sy ny olom-pirenena maro tamin'ny ora farany tsy ho tratran'ny tondra-dranon'ny volana mey ihany ny tobim-pamokaran-jiron'i Kostolac, izay mamahana ny faritra maro ao Serbia sy ny renivohitra. Mbola nambanan'ny fiakaran'ny rano ihany izy tamin'ity indray mitoraka ity.

Mbola tsy nivoaka tamin'ny fomba ofisialy ny vokatry ny tondra-drano farany teo, saingy nisy ireo faritra maromaro tsy dia naninona ihany tamin'ny volana mey no tsy tsara vintana tahaka izany intsony. Ny tanànan'i Vršac irery fotsiny dia efa nahazo fatran-drano 200 litatra isaky ny metatra toradroa tao anatin'ny andro vitsivitsy. Nanangona sy namoaka ny sarin'ny tondra-drano tao Vršac sy ny fahasimbana naterany ny mpiseran'ny media sosialy :

Flooding in Vršac, Serbia during a new wave of flooding in July 2014. Photos collected by Nenad Kiss from social media users, widely circulated online.

Tondra-drano tao Vršac, Serbia nandritra ny tondra-drano faharoa tamin'ny jolay 2014. Saripika nangonin'i Nenad Kiss avy amin'ny mpiseraseran'ny media sosialy.

Another view of Vršac during flooding in July 2014, taken from an apartment building. Photos collected by Nenad Kiss from social media users, widely circulated online.

Fijery hafa an'i Vršac nandritra ny tondra-dranon'ny Jolay 2014, nopihana avy amin'ny trano avoavo iray. Saripika nangonin'i Nenad Kiss avy amin'ny mpiseraseran'ny media sosialy, nifampizarana fatratra an-tserasera.

An example of the extent of floodwater damaging homes throughout Serbia, this one in in Vršac during a new wave of flooding in July 2014. Photos collected by Nenad Kiss from social media users, widely circulated online.

Ohatra iray ahitana ny hakadirin'ny tondra-drano niteraka fahasimban'ny trano manerana an'i Serbia, ity iray ity izao dia nopihana tao Vršac nandritra ny tondra-drano faharoa tamin'ny Jolay 2014. Saripika nangonin'i Nenad Kiss avy amin'ny mpiseraseran'ny media sosialy, nifampizarana fatratra an-tserasera.

Nahitana fiakaran'ny rano sy fahasimbana ihany koa ny tanan-dehiben'i Topola ao Serbia afovoany, nambara indray tao amin'ny monisipalite ny fepetran'ny tany misy hotakotaka tamin'ny 31 jolay 2014, ary niantraika mafy tamin'ny tanàndehibe sy tongoron-tanàna hafa tahaka an'i Trstenik, Požarevac, Kraljevo ary Vrnjacka Banja ihany koa ny tondra-drano sy ny haintrano nateraky ny fihoaran'ny rano sy ny varatra niaraka tamin'ny rotsak'orana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.