- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanadino Tenimiafina? Aza Manahy, Manana i Kremlin.

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sivana, Teknolojia, Akon'ny RuNet

Want to become a Russian blogger officially? The government is happy to begin by receiving your login and password. Images mixed by author.

Raha fantatra amin'ny fomba ofisialy ny maha-bilaogera anao ao Rosia, hivoaka tsy ho ela ao anatin'ny “rejistry ny bilaogera” avoakan'ny fanjakana ny anaranao. Mbola anarana azo isaina amin'ny rantsan-tànana aloha no ao anatin'ilay lisitra hatramin'ny namoahana azy tamin'ny Zoma lasa teo, saingy tsy mbola misy afaka milaza hoe bilaogera firy no ho avoakan'ny Roscomnadzor, masoivohom-pifandraisana ao Rosia, ho ao anatin'ny firaketany

Ankoatry ny fanangonany ny anaran'ireo bilaogera sy ny rohy, angatahan'ny Roscomnadzor koa ireo bilaogera hizara izay zavatra fantatry ny mpisera anaty aterineto tsirairay avy fa tsy fampahafantatra olon-kafa velively: ny fidirany sy ny tenimiafin-dry zareo.

Tanaty tafatafa [1] vao haingana nifanaovana taminy, nilaza i Aleksandr Zharov talen'ny Roscomnadzor fa ahafahan'ireo bilaogera aoa antin'ilay lisitra manao izay “haha-ara-dalàna ny fandraharahàna ataony” ny fahitàna ny anarany ao sady hahasarika ny sain'ireo orinasa mpanao dokambarotra. Izao indrindra, mandrisika ireo Rosiana bilaogera i Zharov sy ny governemanta Rosiana mba hifandray amin'ny Roscomnadzor mivantana, mba hahalalan-dry zareo na afaka miditra na tsia ho ao anatin'ilay lisitra ry zareo.

Tsy ny bilaogera rehetra anefa no mety ho lany hotafiditra ao anatin'ilay lisitra — ny hoe bilaogera “ofisialy” dia ireo izay manana mpanaraka maherin'ny 3.000 isanandro. Ny “fahazoana fankatoavana” avy amin'ny fanjakana no tena fomba  antenain'ny governemanta hampiroboroboana ilay rafitra.

Tamin'ny 30 Jolay, nanatrika fampideràna [2] ny dingana fandraketana bilaogera ataon'ny Roscomnadzor ireo “zaza hendry” tao amin'ny TJournal.ru. Mbola miezaka mametraka tsara ny fitaovana handrefesana ny isan'ny mpitsidika azon'ny bilaogera isanandro ny governemanta, dingana sarotra noho ireo tambajotra sosialy marobe tahaka ny Facebook, tsy mamoaka antontanisa manokana mikasika ny mpampiasa iray voafaritra ao aminy. Mba hanafainganana ny fanisàna, manolotra hevitra ny Roscomnadzor ny amin'ny hanoloran'ireo bilaogera ny fidirany sy ny tenimiafiny, mba hahafahan'ilay rejistra manantsikafona ny isan'ny fitsidihana sy ny fitondrantenan'ireo bilaogera, aminà karazana fampiasa mitovitovy amin'ireny fampiasan'ny daholobe ireny.

Tsy mbola mazava hatreto hoe Rosiana firy no nino nanome ny tenimiafina fampiasany amin'ny tambajotra sosialy ho an'ny governemanta, saingy fantatray fa manakaiky ny 130 ireo olona niantso [3] ny Roscomnadzor tamin'ny andro nanombohana ilay fandraketana ny bilaogera ho anaty rejistra.

Tsy ilaina lazaina fa hoe ny goavana be ny fahafahan'ny governemanta hanitsakitsaka io politika io sy hampiasa ny mombamomba ny fidiranao mba hanarahana maso sy hilalaovana ny hetsika ataon'ireo bilaogera.