Manao Fikarohana Ny Fiheveran'ny Ogandey Ny Atao Hoe Demaokrasia Ny Mpanao Tantara Mitohy Amin'ny Radio

Fanamarihana avy amin'ny Rising Voices: Tohin'ireo andiana lahatsoratra bilaogy nosoratana avy amin'ny vinavinan'ireo tetikasa nahazo vatsy ity lahatsoratra nosoratan'i Emmanuel Gira ity. Avy amin'ny tetikasa Common Community (Fiarahamonina Iombonana) – Tantara Mitohy Amin'ny Radio tontosaina ao Lira, Ouganda ity lahatsoratra ity.

Ny Common Community dia fisantaran'andraikitra fizaram-baovao eo amin'ny fiarahamonina, natokana hanentanana ny faritra Lango ao Ouganda mikasika ny olan'ny fifidianana .Hiresaka momba ny fitantanana, fandraisan'anjaran'ny olom-pirenena sy ny fampandrosoana ny ara-tsosialy ny tantara mitohy isa-kerinandro amin'ny radio, izay vokarin'ny Theatre Technology House (TTH).

Theatre Technology House and the Common Community Radio Soap

Tranon'ny Theatre Technology House, sary avy amin'ny mpanoratra, nahazoan-dalana.

Mbola olana ny fampianarana mahaolom-pirenena ao amin'ny fiarahamonina ao Lango sy faritra hafa satria mbola mitolona amin'ny fanamby hoan'ny fampandrosoana ny faritra. Mbola laharam-pahamehana ambonin'ireo firotsahana an-tsehatra hanabeazana ny olona ny fahantrana, ny taha ambanin'ny fampianarana, ny tsy fahalalàna ary ireo olana ara-tsosialy hafa.

Voaporofo fa ny fanabeazana ny mpifidy no lakilen'ny fahombiazana amin'ny fanentanana ny olom-pirenena sy fandrisihana handraisana anjara mavitrika, indrindra eo amin'ireo vondrona natao an-jorom-bala fahiny tahaka ny vehivavy sy ny tanora tsy nandia fianarana.

Ho alefa ao amin'ny radio FM ao amin'ny faritra ny tantara mitohy amin'ny radio, izay mikendry ireo olona any ambanivohitra sy ireo olona sahirana ao an-drenivohitra. Raha ilain'ireo mpandray anjara rehetra amin'ny fifidianana ny fanabeazana ny mpifidy, ny any ambanivohitra no mpihaino kinendry voalohany, ary antenainy fa hitombo ny fandraisana anjara amin'ny raharaha politika mifandraika amin'ny fiarahamonin'izy ireo.

Taorian'ny hetsika sy fivoriana niarahana tamin'ireo mpandray anjara nandritra ny herinandro, namaritra ny valam-pikarohana  ifotony hoan'ny mpanao tantara mitohy amin'ny radio-n'ny firahamonina ny Theatre Technology House, fandaharana mitohy mandritra ny telo-volana mikasika ny fandraisan'anjaran'ny olom-pirenena amin'ny demaokrasian'ny fifidianana. Nanangana ekipa mpikaroka  – dingana voalohany amin'ny fanatanterahana ny tetikasa – ny tompon'andraikitra mpitantana nyTheatre Technology House. Nofantarina ihany koa ireo fanalahidin'ny fikarohana. Anisan'izany: ny fijerin'ny mpifidy ao amin'ny faritra ny demaokrasian'ny fifidianana, ny fitantanana ara-politika sy ny mampazoto azy ireo, ahoana ny fomba hamadihana ny fifidianana amim-pahendrena ho lasa fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena, ary ny maha-zava-dehibe ny demaokrasia amin'ny olom-pirenena ao amin'ny firenena tsy mandroso indrindra.

Lira, Uganda. Image by Brien Beattie (CC BY-SA 3.0)

Lira, Oganda. Sary avy amin'i Brien Beattie (CC BY-SA 3.0)

Samy manana mpihaino kinendry voalohany avokoa ireo seha-pikarohana efatra. Ny fokonolona no kinendry voalohany: olom-pirenena any amin'ny faritra ambanivohitra (75%) sy andrenivohitra (25%) izay ahitana mpihaino isan-karazany. Ny mpihaino kinendry faharoa dia ireo manana faniriana ho mpanao politika , ireo politisiana amin'izao fotoana, ary ireo politisiana retirety na ireo mpanao politika voahilika. Ny mpihaino kinendry fahatelo dia ireo manam-pahaizana ara-politika sy ara-pampandrosoana, ary ny fahaefatra dia ireo fikambanana firaisamonim-pirenena miasa eo amin'ny sehatry ny fitantanam-panjakana sy ny fampandrosoana ara-tsosialy ary ireo sampan-draharaham-pifidianan'ny governemanta.

Efa nanomboka ny fikarohana ary haharitra roa herinandro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.