Namoaka Lalàna Fanampenam-bava Ny Media Ny Fitondrana Miaramila Thailandey

Under the new regulation, Thai media  and even netizens can face punishment if they reported this photo because the public reading of the book '1984' is deemed a protest by the coup authorities. Photo from Facebook page of Prachatai.

Araka ny lalàna vaovao, mety hiatrika sazy ny media sy ny mpiserasera thailandey raha nitatitra ity sary ity. Nosokajian'ny Fitondrana Miaramila ho karazana fihetsiketsehana ny famakiana ny tantara 1984 an'i George Orwell. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Prachatai,  nahazoan-dalana.

Namoaka didim-panjakana vaovao mandràra ny media tsy hitati-baovao mitsikera ny governemanta ny Fitondrana Miaramila thailandey. Navoakan'ny Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana tamin'ny 18 Jolay, mihatra amin'ireo karazana media rehetra ka anisan'izany ny elektronika sy ny media sosialy ny didy.

Araka ny dikan-teny tsy ofisialy navoaka tao amin'ny Asian Correspondent, ireto avy no voarara:

- News that are detrimental to the national security or libelous against other individuals.

- Criticism of operations of the National Council for Peace and Order, its officials, or any related individual.

- News or information that causes confusion, incites disputes, or leads to disunity in the Kingdom.

- Invitation or plotting to organise in manner that may lead to resistance against officials or individuals related to the National Council for Peace and Order

- Threats to harm individuals that may panic or frighten the public.

-Vaovao izay manohintohina ny filaminam-pirenena na manala-baraka olon-kafa .

- Fitsikera ny fomba fiasan'ny Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana, ireo mpiasa ao aminy, na izay olona manana mifandray aminy.

- Vaovao na tatitra miteraka fisafotofotoana, mitarika fifamaliana, na mitarika fisaratsarahan-tsaina ao amin'ny Fanjakana.

-Fanasana na teti-dratsy mikendry amin'ny fomba mety hitarika fanoherana manampahefana na olona mifandray amin'ny Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana

- Fandrahonana mety hanimba olon-tsotra na mampatahotra ny vahoaka.

Naneho ny ahiahiny amin'ireo fepetra lehibe sy tsy mazava voalazan'ny didim-panjakana avy hatrany ny vondrona fampahalalam-baovao. Nanasongadina mikasika ny sazy henjana  – ny fanenjehana ara-pitsarana, ny sivana sy ny fanakatonana – raha misy fanitsakitsahana izay voalazan'ny didy ihany koa izy ireo.

Taorian'ny fihaonana tamin'ireo vondrom-baovao lehibe efatra – ny Fikambanan'ny Mpanoratra Gazety Thailandey, Ny Fikambanan'ny Mpanentana Haino Aman-jery Thailandey, ny Filankevitra nasionalin'ny Gazety ao Thailandy, ary ny Filankevitry ny Haino aman-jerim-baovao ao Thailandy – namoaka didim-panjakana vaovao ny NCPO ( Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana) izay nanitsy moramora ny lalàna tany am-boalohany. Ny hany hiharan'ny fandraràna aloha amin'izao fotoana izao dia «ny tsikera amin'ny fiasan'ny NCPO ao anatin'ny tetika ratsy hanimbana ny fitokisana ny NCPO amin'ny alalan'ny vaovao diso” . Ary raha tsy henjehana eo anatrehan'ny fitsarana izy ireo, dia miatrika “fanadihadiana ara-pitsipi-pipehezan'ny asa” ao amin'ny fikambanan-gazety misy azy ireo mpanitsakitsaka ny lalàna.

Nanazava ihany koa ny governemanta fa natao hangatahana fiarahamiasa amin'ny fanapariaham-baovao amin'ny vahoaka ny lalàna tany am-boalohany ary tsy lalàna vaovao io rehefa miaraka amin'ny lalànan'ny fitondrana miaramila teo aloha, izay vao am-bolana vitsivitsy monja.

Mampandresy lahatra hatrany ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa karazana fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana ireo lalàna vaovao rehefa ny Filankevitra samirery no mamaritra ny atao hoe fanitsakitsahana ny lalàna. Manoloana ny hamaroan'ireo sokajy tafiditra ao anatin'ny didy, maro ireo matahotra fa hanery ny vondrom-baovao Thailandey hampihatra ny fanivanan-tena hisorohana ny sazy ilay politika (lalàna). Ankoatra izany, tsy nofoanan'ny Filankevitra ireo lalàna teo aloha mandràra ny vondrom-baovao tsy hanadihady mpampianatra ambony sy mpiasam-panjakana teo aloha mety “hanome ny heviny amin'ny fomba mety hahavoasazy na hampitombo ny disadisa, handiso vaovao, hiteraka safotofoto eo amin'ny fiarahamonina na hitarika fampiasana herisetra”.

Phansasiri Kularb, mpampianatra asa fanaovan-gazety ao amin'ny Oniversiten'i Chulalongkorn ao Bangkok, nampahatsiahy ny lehiben'ny Fitondrana Miaramila, ny Jeneraly Prayuth, ny fahavononany tany am-boalohany hamela ny olom-pirenena hanehoany ny hevitra mifanhitra amin'ny an'ny manampahefana :

Gen. Prayuth said on his televised program, repeatedly since the coup, to urge those who disagreed with his views to open up their mind and talk, but this announcement says the opposite. The order is very broad and … every comment is subject exclusively to the NCPO's interpretation whether they violate the order or not.

Nilaza imbetsaka tamin'ny fandaharany amin'ny fahitalavitra ny Jeneraly Prayuth hatramin'ny fanonganam-panjakana, mba handrisika ireo izay tsy mankasitraka ny fijeriny hanokatra ny sainy sy hiresaka, saingy mifanohitra amin'izany ity fanambarana ity. Midadasika loatra ilay lalàna … omena hodinihan'ny NCPO samirery ny fanehoan-kevitra rehetra raha manitsakitsaka ny lalàna na tsia.

Sarinee Achavanuntakul ao amin'ny Tambajotran'ny mpiserasera Thailandey namariparitra ny didy vaovao ho lalàna fanampenam-bava mamely ny mpiserasera Thailandey:

This is basically a gag order, and it's not just a gag order to the press, but it's extending to anyone in Thailand, especially now that a lot of Thai people use social media to express opinions. I think it is very dangerous and, to me, it signals that the coup makers may not have a clear idea of who the enemies are.

Lalàna fanampenam-bava tanteraka io, ary tsy lalàna fanampenam-bava fotsiny hoan'ny gazety, fa miitatra amin'ny rehetra ao Thailandy indrindra amin'izao fotoana maha-maro ny olona Thailandey mampiasa ny media sosialy izao mba haneho hevitra. Mino aho fa mampidi-doza tanteraka izany, ary amiko, mampiseho izany fa mety tsy manan-kevitra mazava mikasika izay fahavalon'izy ireo ny mpanongam-panjakana.

Tamin'ny 26 Jolay, nampahatsiahy ny lalàna vaovao ny Filankevitra mba hitezerana ny gazety Mpivoaka isa-kerinandro Manager noho ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny gazetiny faha-251 (26 Jolay- 1 Aogositra 2014) izay voalaza fa «nampiely korontana sy tahotra teo amin'ny vahoaka.”

Nanatontosa fanonganam-panjakana ny Tafiky ny mpanjaka tamin'ny 22 Mey, nanagadra mpanao politika an-jatony, nampiato ny lalàmpanorenana, ary nanara-maso ny efitra fanoratam-baovaon'ny gazety mahazatra tao amin'ny firenena. Nandràra ny famoriam-bahoaka mihoatra ny olona dimy sy ny fanaovana hetsi-panoherana. Ary nankatò ny lalàmpanorenana vonjimaika izy ireo vao tamin'ny herinandro lasa. Toa manao izay ho afany mba hanakendana ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao ao anatin'ny korontana sy tsy fahatomombanana ara-politika lalina ny Fitondrana miaramila – indrindra amin'ny fotoana izay ilàna indrindra ny tati-baovao sy tsikera mafonja sy mahaleotena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.