Niverenana Nodinihana Tampoka Ilay Didy Manome 4 Tapitrisa Robla Natao Hamahàna Ny Tor Ao Rosia

Rewriting a procurement order to hide the scary stuff? Image edited by author.

.Fanoratana indray ilay didy mba hanafenana ny tena zava-mahatahotra ve? Sary novàn'ny mpanoratra

Naverin'ny Ministeran'ny Atitany ao Rosia nodinihana ny fomba fiteny ao anatin'ny didy iray manolotra 3,9 tapitrisa robla (manodidina ny 100.000 dolara amerikana) ho an'ny famokarana fomba hamakiana ny angon-drakitry ny mpampiasa aterineto ao anatn'ilay tambajotra tsy fitononana anarana Tor.

Ny 11 Jolay 2014 ireo manampahefana federaly no namoaka ny dika voalohany tamin'iay fanambaràna, saingy ny 24 Jolay, lasa efa tonga saina be tsotra izao momba ity tolotra ity ireo mpampiasa aterineto sy ny mpampita vaovao, taorian'ny tatitra iray momba ny tranonkala TheRuNet.com. Vaomarana be ny 25 Jolay, novain'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta ny famaritana tao amin'ilay didy , nanesorana ny fitney mikasika ny fanitskitshana ny fiainana dizitaly manokan'ny olona.

Mivaky toy izao ny anarana niandohana ho an'ilay didy fanolorana:

«Выполнение НИР «Исследование возможности получения технической информации о пользователях (пользовательском оборудовании) анонимной сети ТОR», шифр «ТОР (Флот)».

Fametrahana fikarohana: “Fikarohana fahafahana misintona angon-drakitra ara-teknika momba ireo mpampiasa (ny fitaovana ampiasain'ireo mpampiasa ireo) ny tambajotra tsy fitononana anarana Tor,” anarana miafina “TOR (Fleet / Sitimo).”

Milaza fotsiny toy izao kosa ny famaritana vaovao hita amin'izao fotoana izao ao amin'ny ranonkalam-panjakana momba ilay didy :

Выполнение научно-исследовательской работы, шифр «ТОР (Флот)»

Fametrahana fikarohana, anarana miafina “TOR (Sitimo).”

Tsy mbola mazava ny antony nanomezan'ny governemanta Rosiana anarana miafina ny tambajotra Tor hoe “TOR (Sitimo).” Angamba izy noho i Maosko nanome ilay anarana tany ampiandohana fony Tor, fantatra tany amboalohany tamin'ny hoe “tambajotra mpitsinjara tongolobe,” mbola nothanan'ny Laboratoaram-Pikarohana Momba Ny Ranomasina any Etazonia. Kanefa, mety tsy ho izay koa angamba, satria ny teny hoe “fleet” (azo adika ihany koa hoe “andian-tsambo”) dia mipoitra ao anatinà fanambaràna didy iray hafa fanoloram-bola izay tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny Tor na Etazonia.

Fa ny zavatra mazava aloha izany dia hoe misy olona ao amin'ny birao mpamoaka didy ao Rosia ao nihevitra fa fahendrena ny nanalefaka ny fitenenana tao anatin'ilay didy famaritana momba ny Tor, tsy isalasalàna fa mba hanaovana izay tsy hahavoa be ny fomba fijerin'ny olona ny fanitsakitsahan'ny governemantan'i Maosko ny fanitsakitsahana ny fiainana manokan'ny olona.

Nanampy tamin'ny famokarana ity lahatsratra ity i Tetyana Lokot. Fisaorana manokana ho an'i Josef Cox tamin'ny nanairany ny sain'ny RuNet Echo mba ho amin'ny fanitsiana ety anaty aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.