Mikendry Ireo Pejy Facebook An'ny Mafana Fo ireo ‘Mpanarontsaron-kevitra’ Avy Amin'ny Governemanta Vietnamiana

viet tan

Ny Ady ho an'ny Facebook (Loharano: www.facebook.com/viettan)

Herinandro maromaro teo izay, tsy hay hoe nahoana fa tsy afaka niditra tamin'ny kaontiny Facebook ireo Vietinamiana mafana fo malaza. Nahantona ireo pejin'izy ireo noho ny “fanararaotana” na dia tsy nisy fandikàna ny fitsipiky ny Facebook hita soritra aza.

Araka i Angelina Trang Huynh, izay tsy tafiditra tamin'ny kaontiny Facebook nandritra ny fotoana vitsy tamin'ny voalohandohan'ity volana ity, dia ny mpifehy ny aterineto avy ao amin'ny governemanta Vietnamiana no tompon'andraikitra amin'izao, izay antsoina ihany koa hoe “mpanarontsaron-kevitra” (dư luận viên). Ireo mpanarontsaron-kevitra ireo dia nampiasa ny rafitra “fitaterana fanararaotana” ao amin'ny Facebook mba handrafetana tatitra maro be izay nitarika ny fampiatoan'ny Facebook ireo kaonty nokendrena tamin'izany.

Instructions for reporting Viet Tan's Facebook page

Torolalana amin'ny fitorohana ny pejin'i Viet Tan tany amin'ny Facebook. Viet Tan dia antoko mpomba ny demokrasia manana mpikambana ao Vietnam sy maneran-tany. (Loharano: pejy FB “Tiako ny mpitandro filaminana Vietnamiana”)

Miaraka amin'ny Vietnamiana 25 tapitrisa  misoratra ao aminy, ny Facebook no tambajotra sosialy any amin'ny firenena. Hatramin'ny nahatongavan'ny Facebook tany Vietnam tamin'ny 2009, niezaka mafy ny manampahefàna mba hifehy ny firoboroboany diso haingana loatra, sy ny fampiasàna azy ho fitaovana fanehoan-kevitra malalaka.

Tsy nisy nahomby ireo tetika teo aloha nataon'ny manampahefàna hanakanana ny Facebook fa vao maika aza nandrisika ireo mpampiasa aterineto hitady fomba hihodinana izany sy ho lasa kinga amin'ny tsy fanekena hanara-dalàna.

Tamin'ny 2013, i Dinh Nhat Uy, 30 taona, no Vietnamiana mafana fo voalohany indrindra fantatra fa nosamborina noho ny zavatra nataony tamin'ny Facebook. Voaheloka ho “nanararaotra ny fahalalahana ara-demokratika” tamin'ireo “statuts” nitakiany ny famotsorana ny zandriny lahy izay nampiasa tambajotra sosialy koa mba hanehoana fanoherana. Nisarika ny sain'ny maro ny fisamborana an'i Uy saingy tsy nampihena ny fahazotoana mampiasa ny tambajotra sosialy ho an'ny adihevitra sy fikarakarana hetsika politika.

Toa tsy mikendry intsony ny hanakana tanteraka ny Faceook ireo manampahefàna Vietnamiana. Miankina amin'ny fahaizan'ny manampahefàna mitazona sarintsarinà aterineto malalaka ny toekarena sy ny endriky ny firenena.

Na izany aza, toa manantena amin'ny alalan'ireo “mpanarontsaron-kevitra” ireo manampahefàna fa hahatratra ny tanjony hampangina ny fahalalahana miteny. Voatsikera ho miteraka tontolo feno fandrahonana sy fampitahorana ity tafika mpifehy ny aterineto ity, araka ny hita amin'ireo fanehoankevitra  mampidi-doza sady feno ompa mitobatobaka avy amin-dry zareo.

Amin'ny fitaterana kaonty faobe, tsy tahaka ny fanafihana ho fampiatoana tolotra iray (attaque par déni de service – DDoS), ireo olon'ny governemanta ireo dia afaka mampiato haingana ny kaonty na pejy Facebook iray nahitàna votoaty mitsikera ny governemanta ao Hanoi.

Trinh Huu Long, mpampiasa Facebook, dia namoaka lisitr'ireo kaonty naato vao haingana. Tahaka ny mamaky ny lisitr'ireo mafana fo Vietnamiana amin'ny aterineto:

15. Nguyen Lan Thang – bilaogera
16. Nguyen Tien Trung – mpigadra fahiny noho ny eritreriny, vao navotsotra tsy ela akory tamin'ny 12 Aprily 2014
17. Nguyen Tuong Thuy – bilaogera
18. Nhat Ky Yeu Nuoc – pejim-baovao

Andraso fa hihetsika koa ireo Vietnamiana mpampiasa aterineto, hoy Angelina Trang Huynh:

Ivelan'ny aterineto, ireo mpitandro filaminana no ampiasain'ireo manampahefàna mba hanararaotana ara-batana ireo mafana fo bonaika. Amin'ny aterineto, ireo “mpanarontsaron-kevitra” no ampiasainy mba hanampenam-bava ireo mpitoraka blaogy. Mieritreritra tokoa ve ny governemanta Vietnamiana fa ho afa-bela amin'izao fanararaotana izao izy?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.