Hisioka Hoan'ny Blaogeran'ny Zone9 Ao Ethiopia Izao Tontolo Izao Amin'ny 31 Jolay

Free Zone9 Tumblr collage. Images used with permission.

Fanambatambarana sary tao amin'ny Tumblr Free Zone9. Nahazoana alalana ny sary.

Andao hiaraka amin'ny blaogeran'ny Global Voices manerantany hanao tweetathon (hazakazaka amin'ny sioka=tweet) amin'ny fiteny isan-karazany ho fanohanana ireo blaogera sy mpanoratra gazety folo miatrika vesatra fiampangana fampihorohoroana ao Ethiopia.

Mitaky ny rariny ho an'ireo lehilahy sy vehivavy ireo ny fikambanana Global Voices sy ireo tambajotra mpiara-dia aminay, izay niasa mafy avokoa mba hanitarana ny fanehoan-kevitra ara-politika sy ara-tsosialy amin'ny alalan'ny famahanam-bilaogy sy fanoratan-gazety ao Ethiopia. Mihevitra izahay fa fanitsakitsahana ny zo manerantany ho amin'ny fahalalaham-pitenenana ny fisamborana azy ireo, ary tsy rariny ny vesatra iampangana azy ireo. Fantaro bebe kokoa ny tantaran'izy ireo sy ny fanentanana ho fanafahana azy ireo ao amin'ny Trial Tracker blog.

Manomboka amin'ny 4 aogositra 2014 ny fitsarana ireo blaogera ireo. Manomboka amin'izay fotoana izay ary mihoatra izany dia mila ny fanohanana rehetra izay mety ho azony ry zareo. Noho izany amin'ity alakamisy ity, isika blaogera, mpanoratra, mpikatroka ary manampahaizana manokana amin'ny tambajotra sosialy no hizara ity hafatra ity manerana ny tany, misioka amin'ny fitenin-drazantsika amin'ireo mpitondra ny fiaraha-monina, manampahefana ara-diplaomatika sy ao amin'ny governemanta, ary ny gazety be mpamaky mba hanairana ny saim-bahoaka amin'ity raharaha ity.

Six of the detained bloggers in Addis Ababa. Photo used with permission.

Enina amin'ireo blaogera ao Addis Ababa voatazona. Sary nahazoana alalana.

#FreeZone9Bloggers: Tweetathon Fitakiana ny famotsorana ireo Ethiopiana blaogera migadra

Daty: Alakamisy 31 Jolay 2014

Ora: 10am – 2pm — tsy maninona izay hasin'ora misy anao!

Hashtag (diezy): #FreeZone9Bloggers

Mpampiatrano: Nwachukwu Egbunike (@feathersproject), Ndesanjo Macha (@ndesanjo), Ellery Roberts Biddle (@ellerybiddle)

hiaraka aminay amin'ity alakamisy ity? Sa hanampy azy ireo hampiely ny teny? Ampio ato amin'ny taratasim-pandrindranan'ny fikambanana ato ny anarana sy ny Twitter-nao.

Santionan- Tweets:

  • Mendrika fitsarana ara-drariny araka ny fenitra iraisampirenena ny @Zone9ers #FreeZone9Bloggers http://bit.ly/1g65ijg 
  • Avotsory – Avoahy ny @Zone9ers satria tsy heloka ny mibilaogy! #FreeZone9Bloggers http://bit.ly/1g65ijg
  • “Mibilaogy izahay satria mikarakara” #FreeZone9Bloggers http://bit.ly/1g65ijg 
  • Fanitsakitsahana ny Sata Afrikana misahana ny Zon'olombelona sy ny vahoaka ny fisamborana blaogera ao #Ethiopia #FreeZone9Bloggers http://bit.ly/QlzRuG
  • Manitsakitsaka ny Fifanarahana Iraisampienena amin'ny Zo Sivily ny Politika ny Fisamborana Blaogera ao #Ethiopia #FreeZone9Bloggers http://bit.ly/1g1MUNM

Misiaha mandra-pararin'ny rantsatananao ary mitakia rariny ho an'ireo blaogeran'ny Zone9 !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.