Nahazo Fanohanana Antserasera Amin'ny Hitondrana An'i Israely Eny Amin'ny Fitsarana Iraisam-pirenena i Palestina

Olona an'arivony manerantany no nanome ny fanohanany hitondrana an'i Israely eo anivon'ny fitsarana ady heloka bevava iraisam-pirenena ao La Haye noho ny heloka an'ady vitany tao Gaza.

Ny Minisitry ny Fitsarana Palestiniana, Saleem Al Saqqa sy ny lehiben'ny fampanoavana ao amin'ny fitsarana ao Gaza, Ismail Jabr tamin'ny alalan'ny mpisolovava monina ao Paris no nametraka ny fitoriana – saingy nilaza ireo mpaneho hevitra fa saimbolika fotsiny ihany izany fihetsika izany ary mety tsy hanana fahefana amin'i Palestina, izay mpanaramaso ihany no sata ananany ao amin'ny Firenena Mikambana, fa tsy mpikambana feno izy ny Fitsarana Ady Heloka Bevava iraisam-pirenena (CPI).

Andro faha-19-n'ny herisetran'i Israely amin'i Palestiniana androany, izay nilaza fa Palestiniana 1000 farafahakeliny no namoy ny ainy, ary 6000 hafa kosa no naratra hatramin'izao.

Nalaza manerantany ny diezy Twitter #ICC4Israel tao anatin'izay valo ora izay, niteraka sioka maherin'ny 334.6K tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy.

Belal Palestiniana Mpitsabo, izay monina ao Gaza, nisioka tamin'ireo mpanjohy azy miisa 40.5K:

Ny famelezana trano fonenana no fanasaziana iombonana faratampony iaretan'ny Gazaita nandritra ny ady telo namelezan'i Israely an'i #Gaza. #ICC4Israel

Sivily avokoa ny dimy amby fitopolo isan-jaton'ireo Palestiniana namoy ny ainy, izay niteraka resaka momba ireo paikady sy ireo lasibatra nampiasaina tamin'ny daroka Israeliana. Nilaza i Israely fa ny Hamas, vondrona nanjaka tao amin'ny sisintany nanomboka tamin'ny taona 2007, no nokendren'ny fanafihana noho ny tifitra balafomanga an-jatony manerana ny sisintanin'i Israely nataony. Olo-tsotra Israeliana roa sy miaramila Israeliana 33 no namoy ny ainy hatramin'izao.

Palestiniana Zaki Safar, izay manana mpanjohy 31K ao amin'ny Twitter, nanamarika hoe:

Manan-jo hiaro ny tenany i Israely, hoy izy ireo! Amin'iza? Amin'ny sivily tsy manan-tsiny, tsy manam-piarovana, sy tsy manana na inona na inona? #ICC4Israel pic.twitter.com/isdHA29Ic1

Vita tao an-toerana avokoa ny ankamaroan'ireo balafomangan'i Hamas ary mahatakatra lavitra kokoa be noho ny teo aloha, saingy voasakan'ny rafi-piarovana manohitra ny balafomanga “Iron Dome” an'i Israely avokoa ny ankamaroan'izy ireo ary zara raha miteraka fahavoazana. Mampilaza mialoha ny Israeliana amin'ny fahatongavana balafomanga ny fanairana, ary afaka mialokaloka ao amin'ny iray amin'ireo fialofana aro baomba marobe ao amin'ny firenena izy ireo. Ao Gaza, sady tsy misy ny fanairana no tsy misy fialofana aro baomba, mampiasa fampitandremana an-telefonina iray minitra mialoha any amin'ireo trano fonenana kinendriny ny Tafi-Piarovana Israeliana amin'ity fanafihana ity.

Palestine Social nilaza tamin'ireo mpanjohy azy 33.1K tao amin'ny Twitter fa tokony ho entina eo anatrehan'ny fitsarana ady heloka bevava iraisam-pirenena i Israëly noho ny fanafihany hopitaly:

Hopitaly Beit Hanoun avy nodarohana baomba omaly. #GazaUnderAttack #AJAGAZA #ICC4Israel pic.twitter.com/iauqswLtJm

Mpitsabo Bahrainita Nabeel Tammam, manana mpanjohy 20.4K, naneho ny heviny ihany koa tamin'ny fanentanana:

Ilaina alefa any amin'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava Iraisampirenena I Israely #ICC4Israel amin'ny fanafihana fiara mpitondra marary sy ny mpitsabo ao #Gaza #PalestineUnderAttack #MedicalNeutrality pic.twitter.com/YzNicZbKBb

Mbola miaritra olana hafa ireo hopitaly miasa mafy sy tsy ampy fitaovana ao Gaza – daroka baomba avy ao Israely nandritra ity fanafihana ity. Manazava ny minisitry ny fahalasalamana Palestiniana:

One of Gaza’s hospitals has been totally destroyed, a paediatric hospital so severely damaged it is unusable, and another six have been severely damaged. Four health professionals have been killed and 14 injured. Two medical clinics and 14 ambulances have been completely destroyed, and seven other clinics have been damaged.

Rava tanteraka ny iray amin'ireo hopitaly ao Gaza, potika tanteraka ny hopitaly fitsaboana ankizy ary tsy azo ampiasaina intsony, ary simba be ihany koa ireo hopitaly enina hafa. Mpitsabo efatra no namoy ny ainy ary 14 naratra. Toeram-pitsaboana roa sy fiara mpitondra marary 14 potika tanteraka ary toeram-pitsaboana fito hafa no simba.

Palestine Campaigns miantso ireo mpanoratra gazety mba hanohy ny fanentanana ataon'izy ireo:

Ry namana mpikirakira vaovao, ora 8 izay no lasa ary mbola malaza manerantany ny diezy #ICC4Israel: ahitana sioka ~ 340 000. Toa tahaka ny tantara pic.twitter.com/XCrcCP6R9i

Nandritra izany, Walaa Al Ghussein avy ao Gaza, nitaraina hoe:

#ICC4Israel no diezy Twitter malaza voalohany manerantany – raha ny diezy Twitter fotsiny moa izany.

Tsy afa-mandao an'i Gaza ny ankamaroan'ny Gazaita. Voahodidina fefy sy rindrina ny mitomandavana manaraka ny avaratra sy atsinanana mifanolotra amin'i Israely ary amin'ny sisintany atsimo mifanolotra amin'i Ejipta ny tetezantany tery manana halavana 40 kilometatra. Tamin'ny 2010 ny Praiministra Anglisy David Cameron nilaza an'i Gaza ho “fonja tafo lanitra.” Ny famerana tafahoatra ataon'i Israely amin'ny zaratany Palestiniana ao Gaza sy ampitan'i Jordania no mahatonga ny maro eto amin'izao tontolo izao sy ny Firenena Mikambana ho zaratany “voabodo.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.