Sorena Ny Miozolomana Shiita Ao Bahrain Fa Manohana Ny ISIS Ireo Mpanao Politika sy Mpitoriteny

Sary tao amin'ny rindrin'i Turky Albinali, Bahrainita mpampianatra mpikaroka nanatevin-daharana ny ISIS @turky_albinali

Hoan'ny mponina Miozolomana-Shiita maro an'isa ao Bahrain, nanosika azy ireo ho anjorom-bala ny hetsika dimy vao haingana tao amin'ny firenena madinika izay tantanin'ny fitondram-panjaka Miozolomana Sonita al-Khalifa.

Nahatonga ireo Miozolomana Sonita manana ny fahefana hanao fanehoan-kevitra imasombahoaka manilika ara- pivavahana mampidi-doza  tsy misy tohiny (sazy) izany hetsika izany, ary nanome fankatoavana ny ISIS vondrona extremista mankahala ny Shiita, izay nanambara vao haingana ny fijoroan'ny kalifà (Firenena Islamika) ao Iraka.

Raha hiverenana ny tamin'ny taona 2011, nitaraina noho ny fanavakavahana ara-politika sy ara-toekarena tao amin'ny firenena ahitana mponina 1,3 tapitrisa ny Bahrainita, izay Miozolomana Shiita ny ankamaroany, saingy mampiseho fironana tsy an-kiato mankany amin'ny fanilikilihana anjorom-bala tanteraka ireo zava-nitranga farany.

Noravan'ny tafika ireo fihetsiketsehana tarihin'ny Miozolomana Shiita  manohitra ny governemanta Miozolomana Sonita ny tafika tamin'ny 2011, nanomboka teo, voampanga ho nanitsakitsaka ny zon'olombelona mikendry ireo Miozolomana Shiita i Bahrain. Nitohy milamina ireo fihetsiketsehana madinidinika. Araka ny filazan'i Mark Lynch ao amin'ny gazetiboky Foreign Policy tamin'ny 2011, «namaly tsy tamin'ny fihetsika maherisetra fotsiny ny fitondran'i Bahrain, fa tamin'ny fandrisihana fanilikilihana tafahoatra ara-pivavahana ihany koa mba hampizarazara ny hetsi-bahoaka sy handrafetana fanohanana ny famoretana ao amin'ny firenena sy ao amin'ny reni-paritra .”

Anisan'ireo fitaovana nampiasaina hamafazana ireo voan'ny sektarisma izay nitarika ireo loza dimy manaraka ireo ny fanomezam-pahefana ireo mpitoriteny avy amin'ny mponina Salafista extremista madinika ao amin'ny firenena no loha-lisitra. Ankoatra ny maha anti-Shiita (mankahala Shiita) azy ireo, sekta Sonita sarotiny ny Salafi izay nanome aingam-panahy an'ireo fikambanana mpikomy extremista tahaka ny Al-Qaïda sy ISIS

1. Nanao filaza-pankatoavana ny ISIS ny mpitoriteny Bahrainita

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, tao amin'ny lahatsary YouTube, nanohana ny anti-Shiita ISIS i Turky Albinalim, Bahrainita Sonita mpitoriteny, izay nampangain’ny Mpanaramaso ny Zon'Olombelona ho naka an-keriny, namono sy nandroaka ireo vitsy an'isa, anisan'izany ny Miozolomana Shiita. Nipoitra tamin'ny lahatsary manambara ny fankatoavany ny khalifa vaovaon'ny ISIS, Abubaker Albaghdadi [amin'ny teny Arabo] i AlBinali:

 2. Nolazaina fa tsy mahatoky ny Shiita mpitondra fivavahana ambony ao Bahrain

Tamin'ny herinandro lasa, nanambara nandritra ny valandresaka hoan'ny mpanoratra gazety ilay manampahefana manamboninahitra matanjaka teo aloha, Adel Fulaifel, izay voampanga fa nanao fampijaliana, fa tsy mahatoky (tsy mpino) ilay Shiita mpitondra fivavahana ambony indrindra ao Barhain, Isa Qassim. Nampiany ihany koa fa ho atao hazalambo izy io. Namaly ny antson'i Isa Qassim hanangana filankevi-pivavahana iraisan'ny Shiita-Sonita izy. Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nanakatona ny filankevi-pivavahana Shiita lehibe indrindra ao amin'ny firenena i Bahrain, fihetsika izay nampisy ireo andiam-pihetsiketsehana manerana ny firenena.

BahrainMomo nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 21K tamin'ny filazana hoe:

استقبال مشايخ تكفيرية و فليفل يكفر ويهدد بقتل علماء الشيعة واليوم اغلاق المجلس العلمائي الشيعي من قبل النظام ! سياسة دولة سلفية داعشية

— أم أحمد البحرينية (@bahrainmomo) July 15, 2014

Miarahaba ireo mpitondra fivavahana mahery fihetsika, mandrahona hamono ireo Shiita mpitondra fivavahana i Fulaifel ary androanya nakaton'ny fitondrana ny filankevim-pivavahana androany! Politikan'ny firenena Salafista tahaka ny ISIS izany.

3. Diplaomaty Amerikana voaraoka, arahabaina tonga soa ny Saodiana mpitoriteny mahery fihetsika

Roa andro mialoha ny fandrahonana nataon'i Fulaifel, voaraoka tao amin'ny fanjakana kely manankarena solitany ilay diplaomaty Amerikana, izay nataon'ny tafika an-dranomasina ao Etazonia ho tobi-miaramila nandritra ny taona maro. Iray andro taty aoriana, noarahabaina tongasoa ilay Saodiana mpitoriteny mpiandany sy mahery fihetsika mampiadihevitra, Mohamed Alarefe mba hanome andianà toriteny hoan'ny tanora Bahrainita, na dia teo aza ny tabataba nataon'ireo mpiserasera. Ity mpitoriteny Saodiana ity dia nosokajian'ny Anglisy ho loza mitatao ho azy.

4. Mpanao politika manohana ny ISIS ampahibemaso

Solombavambahoaka teo aloha, Nasser Alfadhala izay hitsipaka ny fifidianana manaraka avy amin'ny antoko Al-Menbar, (ary ahiahian'ny Fitondram-panjaka Britanika ho tafiditra amin'ny resaka fampihorohorona) no nanohana mivantana ny ISIS, tao amin'ity lahatsary YouTube tamin'ny volana lasa ity:

«نحن نقف مع هذه الثورة التي صبرت طويلاً وطال انتظارها، لطرد هذا الظلم وهذا الخبث، الذي تدعمه بلاد الفرس، من أجل إذلال بلاد الرشيد، بلاد العزة والكرامة»

Manohana ity revolisiona [ataon'ny ISIS] ity izao natao handroahana ny tsy rariny sy ny fikasan-dratsy tohanan'ny tanin'i Persia hanalam-baraka ny tanin'i Rasheed (Kalifà manatantara), tanin'ny voninahitra sy ny fahamendrehana ity izahay.

Mpisera Twitter, iProtester namaly izany tamin'ny fandefasana ny sarin'i Alfadhala miaraka amin'ny sainan'ny ISIS tao amin'ny toerana, akaikin'ny masoivoho Amerikana:

Fihetsiketsehana nahazoan-dalana miaraka amin'ny sainan'ny fikambanana tsy mpampihorohoro (fanebahana) tarihin'i Nasser Alfadhala eo anoloan'ny masoivoho Amerikana

Faisal Hayyat Mpanoratra gazety sady mpanesoeso nisioka hoe:

تمت جرجرة خليل المرزوق بين النيابة والمحاكم بسبب رفع علم الإئتلاف،يا ترى هل سيتم جرجرة ناصر الفضالة بسبب رفع أعلام داعش؟ #مي_مقبولة #البحرين

— رياضيونا رهائن (@FaisalHayyat) July 18, 2014

Noenjehina sy notoriana i Khalil Almarzooq noho ny fananganana ny sainan'ny firaisamben'ny tanora, handalo izany ihany koa ve i Nasser Alfadhala noho ny fananganana ny sainan'ny ISIS?

Mpikambana mpitarika ao amin'ny vondron'ny mpanohitra goavana indrindra Alwefaq i Almarzooq? Nosamborina sy nentina teo anatrehan'ny fisarana izy noho ny filanjana ny sainan'ny firaisamben'ny tanora 14 Febroary, izay nitarika fihetsiketsehana tamin'ny 2011.

5. Fitsoahana an-daharana ataon'ny miaramila Bahrainita

Tamin'ny herinandro lasa, Miozolomana Sonita miaramila manamboninahitra  Mohamed AlBinali na Abu Isa Alsalmi araka ny solon'anarana apetak'ireo miaramila namany, nisioka hoe:

أنا محمد بن عيسى البنعلي، ملازم في الداخلية البحرينية أعلن عن #انشقاقي عن هذا النظام منذ اكثر من أربعة أشهر #البحرين

— أبو عيسى السلمي (@bu3utbah) July 15, 2014

Izaho Mohamed Isa AlBinali, lietnà ao amin'ny minisiteran'ny atitany ao Bahrain manambara ny fialako ao amin'ity fitondrana ity efa-bolana mahery izay.

Nahazo tsikera noho ny politikam-panavakavahana ara-pivavahana sy ny fampiasany fampijaliana hatrany hatrany ny minisiteran'ny atitany.

Tamin'ity volana ity, na dia efa nampitandrina an'i Bahrain aza ny mpanaramaso ara-bola, FMI fa mety tsy hahavita handòa ny karaman'ny mpiasam-panjakana amin'ny taona 2017, nandràra ireo hotely kintana telo tsy hivarotra alikaola na hampiantrano tarika mpihira ity firenena miankina amin'ny fizahan-tany ity. Nandray mpizaha-tany 2 tapitrisa isan-taona i Bahrain.

Tamin'ny taona 2011, raha nitsidika an'i Bahrain i Nicholas Kristof, mpanao famakafakana malaza ao amin'ny New York Times, nanasokajy an'i Bahrain ho firenena saiky-mpanavakavaka izy. Saingy amin'ny maha-mpanohana ny ISIS sy mpitoritenin'ny fankahalàna azy tahaka an'i Fulaifel, dia navela malalaka hiriaria ao Bahrain i Alfadhala sy Alarefe. Efa mihalasa firenena mpanavakavam-bolokoditra feno izy, izay midika ho fanilikilihana ara-toekarana, ara-politika sy ara-tsosialy ny Miozolomana Shiita maro an'isa ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.