Bitsika Avy Amin'ireo Sisam-paty Ao Gaza: Mamoaka Ny Zava-doza Misoko Manginan'ny Vono-olona Tao Khuza ny Twitter

From the Israeli Red Cross Twitter account, "Yesterday we helped hundreds of people to evacuate from affected areas in #Gaza #BeitHanoun #Shujaia #Khuzaa"

Avy amin'ny kaonty Twitter an'ny Vokovoko Mena Israeliana, “Omaly nanampy olona anjatony maro hiala amin'ireo faritra vokasika izahay tao #Gaza #BeitHanoun #Shujaia #Khuzaa”

Tonga nanomboka ny Talata 22 Jolay ireo tatitra momba ny vono-olona tsy misy antony sy ny fandravàna faobe tao Khuza’a, tanàna Palestiniana mitoka-monina any amin'ny 500 metatra miala ny sisintany manasaraka an'i Gaza sy Israely.

Ny ankamaroan'ireo mpanangom-baovao nandrakotra ny hetsik'i Israely tao Gaza no tsy mba nanao izany tany Khuza'a, tanàna iray misy mponina 9.700. Any atsimo ity faritra ity ary mitoka-monina tsy hitan'ny maso sy tsy ren'ny sofin'izao tontolo izao, saingy tanora iray mponina ao – Mahmoud Ismail, no nibitska tamin'ny teny Arabo ireo tantara mampihoron-koditra avy ao an-tanànany.

Bitsika iray no nivaky hoe “mpitily avy an-tampon'ireo trano avo, manao lasibatra an'ireo izay manandrana mandao ny trano fonenany ao Khuza'a.” Iray hafa niteny hoe, ” lasa i Khuza'a, anjatony no naratra ary feno faty manerana ny arabe sy eny anaty korontan-javatra eny. Tsy misy mahafantatra ny isany.” Taoriana kely dia nibitsika izy hoe, “Fiara mpamonjy voina an'ny Vokovoko Mena miandry any amin'ny roa kilometatra miala an'i Khuza'a. Mihazakazaka roa kilometatra ireo maratra mba hahazo fikarakarana sahaza.”

Marobe ny olona no namerina nandefa ireo bitsika avy aminy, efa ho injatony mihitsy, raha toa ka mihoatra ny im-polo kely no namerenana nibitsika ireo dikanteny natao avy amin'izy ireny.

 800 ny Palestiniana maty ary maherin'ny 5.200 no naratra rehefa mitambatra hatramin'ny nanombohan'ny hetsika nataon'i Israely ao Gaza, 18 andro lasa izay. Satria mitombo ny isan'ireo olon-tsotra maty, milaza ho nampitandrina ireo olon-tsotra mipetraka any amin'ireny faritra nataony lasibatra ireny mba handao ny toerana ny tafik'i Israely, saingy tsy mahita toerana haleha ireo Palestiniana. Ilay lemaka tery kely mirefy 40 km dia voahodidina fefy sy tamboho avo avy any amin'ny sisintany avaratra sy ny atsinanana iraisany amin'i Israely ary any atsimo iraisany amin'i Ejipta.

Tsy misy rano, sakafo sy fialofana azo antoka ao Khuza'a, araka ny tatitra voalohany navoakan'ny Mondoweiss, tranonkalam-baovao Jiosy mpandàla fivoarana. Ny Ivon-toerana Palestiniana Ho an'ny Zon'Olombelona izay namoaka tatitra isanandro momba ny fanafihan'i Israely dia niteny tao anatin'ny tatitra nataony ny 23 Jolay hoe: Manohy hatrany ny fitsofohany any Khuza'a ny tafika Israeliana, any atsinanan'i  Khan Yunis, ary misy ireo tatitra milaza hoe ampolony maro ny Palestiniana niharam-boina ao an-tanàna, ary lavina ny hidiran'ireo andianà mpitsabo ho any amin'izy ireny. Rehefa manandrana mandao ny tanàna ireo olon-tsotra, tifirin'ireo miaramila Israeliana ry zareo, 4 no maty.

Ny 24 Jolay, nomena alàlana ihany nony farany ireo fiara mpamonjy voina an'ny Vokovoko Mena, hiditra ny tanàna ary nanaraka azy ireo ny andianà mpanangom-baovaon'ny Al Jazeera ; ity ny lahatsary avy amin'ny Al Jazeera mampiseho ireo faty mitsiràra eny an'arabe sy ireo tariky ny mpanao asa famonjena mikaroka any anaty korontan-javatra any.  

Ireto ireo bitsika tena tsy afaka an-tsaina nalefan'i Mahmoud Ismail avy any Khuza'a  hatramin'ny Alatsinainy:

في بيوت انقصفت ومش معروف إذا فيها ناس أو لأ. المنايك بيستهدفوا كل شي بيتحرّك. محدّش قادر يساعد حدا. والصواريخ وشظاياها بتضرب كل شي. حرفيًا

@Ibn3arbi: Nisy trano voadaroka baomba ary tsy fantatray akory na nisy olona na tsia tao anatin'izy ireny. Ataon'ilay mihinan-T*** ireo lasibatra izay rehetra mihetsika. Tsy misy afaka manampy ny hafa. Mamely eny rehetra eny ny bala afomanga sy ny baomba. Ara-bakiteny.

القصف على خزاعة مستمر من 13 ساعة. حول بيتي بس في 10 شهداء تصفى دمهم بسبب عدم إسعافهم. عشرات العائلات محاصرة والجيش بيضرب نار ع كل حدا بتحرك.

@Ibn3arbi: Daroka baomba tsy nisy fitsaharany nandritry ny ora 13 tao Khuza'a. Nanodidina ny tranoko fotsiny, nisy olona 10 maty. Nivoa-drà mandrapaha-tapitry ny ainy ry zareo satria tsy voavonjin'ireo fiara mpamonjy voina. Vita fahirano ireo fianakaviana ampolony ary tifirin'ny miaramila izay olona mihetsika.

الدبابات محاصرة البلد من جميع الجهات بدون ما تتعمق لجوّا لكن القنّاصة متمركزين على أعلى عمارات بخزاعة وبيستهدفوا أي شخص بيحاول يخرج من بيته

@Ibn3arbi: Mihodidina ny tanàna avy amin'ny lafy rehetra ireo fiara mifono vy fa tsy miditra lalina, saingy ireo mpitily avy an-tampon'ireo trano avo, manao lasibatra an'ireo izay manandrana mandao ny trano fonenany ao Khuza'a.

أسماء شهداء أستطيع تأكيدها: سليمان قديح وابنه أكرم قديح، تيسير قديح وابنه محمود، حلمي أبو رجيلة وابنه عبّاس، جهاد قديح، ابراهيم أبو رجيلة.

@Ibn3arbi: Ny anaran'ireo maritiora azoko hamafisina: Slaiman Qadih sy  Akram, zanany lahy. Tayseer Qadih sy Mahmoud, zanany lahy. Hilmy Abu Rjila sy Abbas, zanany lahy. Jihad Qadih ary Ibrahim Abu Rjaila.

منايك الصليب حكولنا إنهم واقفين ع أول البلد مستعدين يخلونا ولمّا كل الناس راحوا هناك مكانوش ولقوا الجيش وفتح نار وتصاوبوا عشرات.

@Ibn3arbi: Nolazain'ny Vokovoko Mena taminay fa ao amin'ny fidirana ny tanàna ry zareo ary vonona ny hamoaka anay. Rehefa nandeha tany ny sasany, tsy nahita azy ireo tao. Ny tafika no tao, izay nanomboka nitifitra azy ireo sy nandratra am-polony.

خزاعة راحت

@Ibn3arbi: lasa i Khuza'a

أنا وأهلي طلعنا. إصابة طفيفة. في مئات الإصابات وجثث في الشوارع وتحت الأنقاض. محدّش بيعرف العدد

@Ibn3arbi: Nivoaka izaho sy  ny fianakaviako. Naratra kely aho. Feno anjatony maratra sy faty eny an'arabe ary anaty faharavàna. Tsy misy mahafantatra ny isany.

بيوتنا إنقصفت ع روسنا. بيوت كل أهل خزاعة

‏@Ibn3arbi: Teo an-tampon-dohanay no napoaky ny baomba ny tranonay. Ny trano rehetra tao Khuza'a…

إسعاف الصليب واقف 2 كيلو بعيد عن خزاعة. المصابين بيجروا 2 كيلو علشان يتم اسعافهم.

@Ibn3arbi: Fiara mpamonjy voina an'ny Vokovoko Mena miandry any amin'ny roa kilometatra miala an'i Khuza'a. Mihazakazaka roa kilometatra ireo maratra mba hahazo fikarakarana sahaza.

الكثير من شهداء خزاعة كانوا أصيبوا ونزفوا حتى الموت في انتظار اسعافهم. راقبت من شباك غرفتي ولساعات كل مراحل موت فتى في العشرين من عمره

@Ibn3arbi: Maro tamin'ireo maritira tao Khuza'a no maty taorian'ny ratra sy ny fahaverezan-drà mandrapahafatiny niandry ny fiara mpamonjy voina. Avy ao am-baravarankelin'ny tranoko aho no nijery nandritry ny ora maro ireo dingana rehetra nolalovan'ity tanora iray tao anatin'ny faha-20 taonany talohan'ny nahafatesany.

طبيب واحد في البلدة، كمال أبو رجيلة، بذل جهد جبار مع الاصابات التي كانت تصل عيادته بإعجاز حتى بعد أن تم قصف عيادته وإصابته واستشهاد والده

@Ibn3arbi: Nanao ezaka be i Kamal Abu Rjila, dokotera iray tao an-tanàna, ho an'ireo naratra tonga nanatona ny toeram-pitsaboany. Zava-mahagaga. Na dia taorian'ny ny nandarohana baomba ny klinikany aza ka nandratra azy sy nahafaty ny rainy.

الجيش استخدم حوالي 10 عائلات كدرع بشري ضد نيران المقاومة. كل البيوت التي سيطر عليها منع سكانها من المغادرة أو تحصين أنفسهم في غرف أفضل

‏@Ibn3arbi: Nampiasa fianakaviana 10 ho ampinga fiarovana amin'ny tifitr'ireo mpanohitra ny tafika [Israeliana]. Tsy nisy olona navelany handao ireo tranobe latsaka teo ambany fifehezan-dry zareo. tsy navelan-dry zareo na dia hoe handeha hifindra aminà efitrano azo antoka kokoa aza.

تم قصف البيت الذي كنت أحتمي فيه مع 50 رجل وطفل وامرأة. نجوت وعائلتي بمعجزة ولا أملك أدنى فكرة عما حل بالآحرين لكن حذائي ابتل تماما بدمائهم

@Ibn3arbi: Voadaroka ilay trano mba nitadiavako fialofana niaraka taminà lehilahy 50, zaza amam-behivavy. Tena fahagagaga ny naha-velona ahy sy ny fianakaviako. Tsy azoko an-tsaina mihitsy izay zava-nitranga tamin'ireo hafa fa ny kiraroko no vonton'ny ràn'izy ireo.

أمام عيني سقط طفل صغير كانت تحمله أمه بيد وباليد الثانية ترفع راية بيضاء. ابنها مات. استخدمت الراية ككفن وأكملت طريقها مع باقي أطفالها. رعب.

@Ibn3arbi: Ny masoko roa mihitsy, hitako ny ramatoa iray nitrotro zazakely iray teny an-tànany ilany ary saina fotsy teny amin'ny tànany ilany. Ary nampiasa ilay saina fotsy izy ho toy ny lamba namonosany ny fatin-janany no sady nanohy ny diany miaraka amin'izay sisa tavela tamin-janany. Mampihoron-koditra.

في الطريق الذي سلكناه وجدت جثة عمي وابنه ملقاة في الشارع بجانب بيتهم. كان القناصة يستهدفون الناس في أقدامهم في محاولة لمنعهم عن الهروب

@Ibn3arbi: Teny amin'ny làlana nodiavinay nivoahana tao, hitanay ny dadatoanay sy ny zanany lahy maty teo amoron-dàlana akaikin'ny tranony. Nikendry ny tongotry ny olona ireo mpitily mba hanakànana azy ireny tsy handositra.

خزاعة ما فيها كهربا من 60 ساعة. والجيش (وشظايا قذائفه) استهدف خزانات المياه على أسطح المنازل. الأطفال معنا بكوا حتى الإغماء بسبب العطش

@Ibn3arbi: Efa ho ora 60 izao i Khuza'a no tsy misy herinaratra. Kendren'ireo tafika [Israeliana] sy ny tifitra bala afomanga ataony ireo sinibe fitahirizana rano eny ambony tafo. Nitomany sy torana noho ny hetaheta ny ankizy.

القصف المدفعي كان يتم بشكل عشوائي ولا أي شيء في العالم يمكنه أن يقنعني بعكس ذلك

@Ibn3arbi: Alefalefa an-jambany any fotsiny ny fandarohana baomba. Tsy misy zavatra hafa handresy lahatra ahy ny mifanohitra amin'izany eto ambonin'ny tany.

ابن عمّتي استشهد أثناء محاولته إنقاذه أخيه المصاب والملقى في الشارع. الاثنين استشهدوا فوق بعضهم.

@Ibn3arbi: Maty teo ampiezahana hanavotra ny rahalahiny naratra teo an'arabe ilay anadahiko tsy omby kibo aminay. Niara-maty ry zareo.

الوضع كان مرعب ومأساوي وأي محاولة لوضعه بكلمات ستكون مبتذلة ولن تعطي المجزرة حقها. أنا وأهلي خرجنا أحياء لكنني لا أملك أدنى تفسير كيف وليش.

‏@Ibn3arbi: Nampihoron-koditra sy tena zava-doza ny toe-draharaha. Tsy misy ampy hahalaza ny vonomoka natao izay ezaka rehetra nitadiavana teny ho entina milaza azy io. Velona aho sy ny fianakaviako saingy tsy haiko ny hanazava hoe tamin'ny fomba ahoana sy nahoana.

‏كل هذا الموت وهذه الاصابات هي من تعداد ما بقي من السكّان أي حوالي 3 آلاف. 70٪ من أهل خزاعة كانوا قد هربوا وأخلوا بيوتهم قبل المجزرة بليلة.

@Ibn3arbi: Nanjo ireo olona 3.000 tavela tao amin'io tanàna io ireo fahafatesana sy faharatràna rehetra ireo. Fitopolo isanjaton'ny mponina tao Khuza'a no nandositra sy nandao ny tranony ny alina nialoha ilay vonomoka.

ولسّا في جثث في الشوارع. ولسّا في مصابين بيستنوا يصيروا جثث. ولسّا في ناس عالقة مش قادرة تطلع

@Ibn3arbi: Mbola misy faty foana eny an'arabe. Mbola misy maratra miandry ny haha-vatana mangatsiaka azy ireo. Mbola misy olona mihitsoka tsy afaka mivoaka.

Raha miverina volana vitsivitsy tany aloha ianao hijery ireo famoahana nataon'i Ismail, dia nandefa bitsika izy nahitàna lahatsary manainga fanahy, ny sasany niarahany tamin'i Maya Angelou, betsaka lalao baolina fandàka sy lahatsary mozika, isan'izany ilay hira milamindamina Yemeni blues  sy ireo tantara mikasika ny adin-tsain'ireo mponina ao Gaza mandeha miezaka miampita ny sisintany ao Rafah hiditra ao Ejipta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.