Miara-mientana Ny Governemanta, Ny Mpanohitra Sy Ny Vahoaka Ao Malayzia Mba Hitaky Ny Rariny Amin'ny Fianjeran'ny MH17

Malaysian protesters gather during a rally demanding justice for the victims of MH17 crash. Photo by Hafzi Mohamed, Copyright @Demotix (7/22/2014)

Mpanao fihetsiketsehana Malayziana nandritra ny hetsika fitakiana ny rariny hoan'ireo niharam-boina tamin'ny fianjeran'ny zotra MH17. Sary avy amin'i Hafzi Mohamed, zon'ny mpamorona @Demotix (7/22/2014)

Nanatontosa fivoriana vonjimaika ny Parlemantan'i Malayzia ary niara-nandany tolo-kevitra miampanga ireo izay tompon'andraikitra tamin'ny fitifirana ny zotra MH17 Malaysia Airlines, izay nahafaty ireo mpandeha 298 sy ireo mpiasan'ny fiaramanidina. Niainga tao Amsterdam hoany Kuala Lumpur ilay fiaramaniina raha voatifitry ny balafombanga tao amin'ny faritra atsinanan'i Okraina tamin'ny 17 Jolay.

Nandrisika ny hanaovana “fanadihadiana lalina mba hitondrana ireo tompon'andraikitra eny amin'ny fitsarana” ihany koa ilay tolo-kevitra. Tsy dia fahita firy eo amin'ny politika Malayziana ny manakona ny firehana politika eo amin'ny antoko mitondra sy antoko manohitra ka mandany ity fanapahan-kevitra ity.

Nankasitraka ny Praiministra Najib Razak ihany koa ny mpanohitra tamin'ny fahombiazany nifampiraharaha tamin'ireo mpioko Okraniaina izay nahafahan'i Malayzia maka ny boaty maintin'ny MH17 sy ny sisa tavela amin'ireo niharam-boina. Tao amin'ny pejy Facebook-ny, niaro ny fifampiraharahana miafina nataony tamin'ireo mpioko i Najib:

These were extraordinary circumstances which called for extraordinary measures. There were risks involved in pursuing this agreement. But we felt an obligation to explore all avenues to break the impasse, and secure the return of the remains and the black boxes. After meeting the families, I felt that we owed it to them to act.

Toe-javatra mahatalanjona izay mitaky fepetra mahatalanjona ihany koa. Nisy ny risika natahoranatamin'ny fanohizana ity fifampiraharahana ity. Saingy mahatsiaro manana adidy hampihatra ny fomba rehetra hamahana ny olana izahay, sy hiantoka ny famerenana ireo vatana mangatsiaka sy ny boaty mainty. Rehefa avy nihaona tamin'ireo fianakaviana aho dia nahatsiaro manana adidy hanao zavatra ho azy ireo.

Wee Choo Keong, solombavambahoaka ao amin'ny antenimiera hoan'ny Wangsa Maju, nankasitraka ny fomba nandavàn'i Najib hiampanga firenena na governemanta tamin'ny fitifirana ny MH17 nahafaty olona:

Under normal circumstances, the “popular” or easiest way out for any PM was to go along with the power that be by condemning another nation on the shooting down of MH17 but our PM did not embark on such irresponsible act.

Amin'ny toe-javatra mahazatra, ny “malaza” na ny fomba tsotra hoan'izay Praiminisitra dia miaraka amin'ny fahefana misy amin'ny fiampangana firenena hafa tamin'ny fitifirana ny MH17 saingy tsy niditra tamin'izany fihetsika tsy tompon'andraikitra izany ny Praiminisitsika.

Stanley Isaacs kosa nihevitra fa “matimaty sy tsy mety loatra” ny fihetsiky ny governemanta :

The government's reaction is diplomatic, too mild and inadequate against such a horrible crime as this against innocent civilians being transported in its national airline.

Diplaomatika ny fihetsiky ny governemanta, maivana sy tsy mifanaraka amin'ny loza mahatsiravina tahaka izao satria nihatra tamin'ireo sivily tsy manan-tsiny tao anatin'ny zotram-piaramanidiny nasionaly izany.

Nanatontosa fihetsiketsehana mitaky ny rariny hoan'ireo niharam-boina tamin'ny loza MH17 ireo olo-tsotra Malayziana.

Tsy maninona raha Malay na Shinoa na Indiana ianao, mikasika ny rariny ity, resaka reharehan'ny firenena izy ity. #Justice4MH17 pic.twitter.com/x0Rs6a27Ar

Nilanja sora-baventy #JUSTICE4MH17 teo ivelan'ny antenimierana ny Malayziana alohan'ny fivoriana manokan'ny solombavambahoaka mikasika ny fiaramanidina @MAS (tamin'ny alalan'ny NRC) pic.twitter.com/u96fU6HC8Q

Tsy nisy antoko nilaza izay tompon'andraikitra tamin'ny fianjeran'ny MH17 na dia nifampiampanga ho tompon'antoka tamin'ny fitifirana fiaramanidina nahafatesana olona aza i Okraina sy i Rosia.

Dzulkefly Ahmad, solombavambahoaka teo aloha  avy ao Kuala Selangor, nanoro-hevitra ny governemanta mba tsy ho voatarik'ireo “manana hery goavana” :

A small nation like ours shouldn’t be cowed into submission by bigger powers through aggression or subversion. Remain independent and genuinely sovereign.

Tsy tokony hampitahorin'ireo fahefana matanjaka amin'ny alalan'ny herisetra na fanakorontanana mba hankatò azy ny firenena kely tahaka ny antsika. Mijanona mahaleotena sy tsy masi-mandidy tanteraka.

Maniry ny hitondrana izay nitifitra tamin'ny balafomanga eo anatrehan'ny fitsarana ilay mpampianatra lalàna Azmi Sharom. Tao amin'ny tranokalam-baovao Malayziana amin'ny teny anglisy “The Star”, nilaza ilay mpanao famakafakana hoe:

This is what I know. A missile shot down MH17.

Somewhere out there, someone or a group of people have killed close to three hundred people. I also know that the scene of the crime has been tainted, probably beyond any salvation, by a group of thugs with automatic rifles.

Ity no zavatra fantatro. Nisy ny balafomanga nitifitra ny MH17.

Any ho any, namono olona teo amin'ny telon-jato teo ny olona na vondron'olona iray. Fantatro ihany koa fa nolotoin'ireo vondrona jiolahimboto manam-basy ny toerana nitrangan'ny loza, angamba tsy tratran'ny famonjena.

Saingy nampiray an'i Malayzia kosa ny loza niseho. V Shuman no nanamarika izany tao amin'ny habaka fampitam-baovao an'olo-tsotra Malayziana malaza, The Daily Ant:

This tragedy has united Malaysians in grieving, across racial and religious divide as well as political leanings. We see, after a long time, a rare occasion where politicians and their supporters, and even racial and religious bigots, have stopped spouting nonsense and bickering among themselves.

Nampiray ny Malayziana anaty alahelo ity loza mampalahelo ity, na dia eo aza ny fizarazarana ara-poko sy ara-pivavahana ary koa firehena politika. Hitantsika, taorian'ny fotoana maharitra, tsy dia fahita firy ireo mpanao politika sy ny mpanohana azy, na koa ireo tery saina (fanatika) amin'ny ara-poko sy ara-pivavahana nampitsahatra ny tabataba tsy misy dikany sy ny disadisa teo amin'izy ireo.

Nitranga ny fianjeran'ny MH17 efa-bolana monja taorian'ny Malayzia Airlines MH370, nitatitra mpandeha 237, izay nanjavona tamin'ny radara nandritra ny sidiny niainga tao Kuala Lumpur hoany Beijing .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.