Vaovao Mahafaly Avy Ao Pakistan: Fisokafan'ny Jalaibi.com

1899906_716770338367392_794932029_n

Jalaibi.com dia fisantaran'andraikitra ao an-toerana iray izay mihevitra ny hanovona endrika tsara amin'ny fitantarana an'i Pakistan ankehitriny azo jerena ao amin'ireo habaka fampitam-baovao isan-karazany.

Ekipa kely ahitana olona efatra izahay izay mahatsiaro fa tsy dia ampy ireo fitantarana amin'ny lafiny tsara taterina amin'ny firenenay. Izany no mitranga satria vitsy loatra ny olona miresaka momba ny tena Pakistan, ary ny votoaty dia ampiatranoan'ireo fantsom-baovao, izay ny marik'isan'ny tsena mifantoka amin'ny zavatra ratsy no mitari-dalana azy ireo. Nihevitra izahay fa ny fomba tsara hahazoana vaovao feno dia ny manao izay ahafahan'ny olona rehetra mandray anjara amin'izany fitantarana izany ka izany no nahaterahan'ny jalaibi.com.

Hatramin'ny nikendrena hisian'ny tsindry hisian'ny fitovian-danja manoloana ny fitantarana efa misy, dia natombokay tamin'ny fananganana sehatra sy fikarohana loharanom-baovao tsara tsongaina izany. Ny fikasanay hampisy izany dia amin'ny alalan'ireo andiana atrikasa, izay hotontosaina manerana ny firenena. Ireo mponina marobe zara raha manana solontena antserasera no mpihaino kendrenay, izay ahitana ireo olom-pirenena zokinjokiny sy fiarahamonina vitsy an'isa. Hotarihinay lalana amin'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra sy ny bilaogy izy ireo, ao anatin'ny fanantenana fa hanomboka hiresaka ny fomba fitantarany izy ireo – izay mety hitondra amin'ny zavatra rehetra. Ny zavatra tokana takiana dia ny tsy maintsy hahitana endrika lafiny tsara amin'ny fiainan'izy ireo ny tantara.

Some workshop participants in Islamabad

Mpandray anjara sasany tamin'ny atrikasa tao Islamabad

Tao Islamabad no nanaovanay ny atrikasa fisantarana. Ny fanamby lehibe indrindra teto dia ny fifandraisana tamin'ireo mponina kinendry mba ahafahana mampiditra  azy ireo ho mpiofana.

Nahomby tanteraka ny atrikasa. Nahangona tanora 10 liana tanteraka tamin'izany izahay, ary nampahafantatra azy ireo ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra. Nifantoka amin'ny asa fanaovan-gazety, bilaogy miaraka amin'ny WordPress, ny fiarovana amin'ny aterineto, ny fanamafisana fahalalàna amin'ny alalan'ny media sosialy ary ny fomba fahazoana vola amin'ny bilaogy ny atrikasa notontosainay.

Ny zavatra tsapanay indrindra tamin'ity fihaonana dia toa hita liana tanteraka ireo mpandray anjara raha teo am-piresahana ny tsirin-kevitra fananganana ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra sy ny fomba hanombohana bilaogy miaraka amin'ireo fitaovana isan-karazany nampahafantarinay izahay. Ho lasa lohahevitra lehibe amin'ny atrikasa manaraka hotontosainay izany.

Indrisy anefa fa maro tamin'ireo mpandray anjara vehivavy no nahatsiaro fa tsy afaka manatrika ny atrikasa noho ny fandrarana fivezivezena sy ireo famerana hafa. Tianay ihany koa ny manampy fandefasana mivantana ao amin'ny jalaibi.com, izay ahafahan'izy ireo mianatra milamina any an-tranon'izy ireo, ary koa ireo fiarahamonina natao anjoro-bala izay manana olana (voasakatsakana) amin'ny hetsika.

jalaibi logo 04

Raha efa naharay fanehoan-kevitra mahafinaritra avy amin'ireo mpandray anjara izahay taorian'ny atrikasa, mbola handray lahatsoratra bilaogy avy amin'izy ireo ihany koa. Hijanona ho fanamby hoentinay hampandrosoana ity tetikasa ity izany. Amin'izao fotoana izao, miantso ireo mpandray anjara isaky ny herinandro izahay ho fampatsiahivana azy ireo ny andraikiny amin'ny habaka bilaogy. Nanangana lisitra mailaka ihany koa izahay mba hifandraisanay amin'ireo mpandray anjara rehetra, ary manantena fa afaka manentana azy ireo tsimoramora amin'ny fanoratana aminay na sehatra hafa mba hanandratan'izy ireo ny feo. Anisan'ny marika fanampiny amin'ny fahombiazany voalohany: 4 tamin'ireo mpandray anjara 10 no nanome toky fa hanoratra matetika ao amin'ny Jalaibi atsy ho atsy.

Ireo domberina avy amin'ny mpandray anjara:

The most basic and easiest way of journalism is citizen journalism. It starts with your very own social media i.e. Facebook, Twitter and WordPress. Journalism is not just bound to the courses. It is the amount and quality of info and knowledge to be known. The work shop was great with speakers who spoke about citizen journalism; blogging and security which were really aspiring and motivating enough to boost me up towards start writing in a better way and express myself on different aspects, which is hard to explain verbally. – Usman Asad

It is the time of need that we raise our voice. I am a radio producer and presenter. I have always tried to do good but after this training I am convinced to raise voice and tell my listeners to raise their voice for change. – Shahzad Wilson

Ny tena zava-dehibe sy ny fomba tsotra amin'ny asa fanaovan-gazety dia ny asa fanaovan-gazety ataon'olo-tsotra. Manomboka amin'ny media sosialinao manokana izany, dia ny Facebook, Twitter ary ny WordPress. Tsy ny asa fanaovan-gazety ihany no ianarana amin'ny fiofanana. Fa ny habe sy ny kalitaon'ny vaovao sy ny fahalalana tokony hananana. Nahafinaritra ny atrikasa niarahana tamin'ireo mpandray fitenenana izay niresaka momba ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra; ny famahanam-bilaogy ary ny fiarovana izay nanome aingam-panahy sy nandrisika tokoa ka manosika ahy hanomboka hanoratra amin'ny fomba tsara indrindra sy haneho hevitra amin'ny endrika samihafa, izay sarotra ny manazava azy am-bava. – Usman Asad

Fotoana ilaina hanandratana ny feontsika izao. Mpamokatra sy mpanolotra fandaharana radio aho. Niezaka nanao tsara hatrany aho saingy taorian'ity fiofanana ity, resy lahatra hanandratra ny feoko aho ary hilaza amin'ireo mpihaino ahy mba hanandratra ny feon'izy ireo ho amin'ny fiovana. – Shahzad Wilson

Manantena izahay fa mbola ho fahombiazana hatrany ny fiofanana manaraka!

Afaka manaraka ny vaovao farany miaraka amin'ny jalaibi.com ao amin'ny pejy Facebook-ny ianao. Nahazoan-dalana avokoa ny famoahana indray ny sary rehetra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.